Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 57:14 - Baiboly Katolika

14 Ary hisy hilaza hoe: «Savao, savao ny lalana, areno izy, esory ny misakantsakana rehetra eo amin’ny lalan’ny vahoakako!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hilaza Izy hoe: Mandehana; eny, mandehana ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Ny TOMPO efa niteny hoe: «Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ny TOMPO efa niteny hoe: «Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara làlana, Esory izay mahatafintohina eny amin’ny alehan’ny oloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 57:14
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!


Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.


Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!


Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra; ary hasandratra indray ny lalako.


Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo, areno ny lalan’ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.


Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;


Ka aoka tsy hifampitsara intsony isika rehetra; fa izao no tsarao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan’ny havana mpiray finoana.


ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;


Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny havako.


Tandremo anefa sao manafintohina ny malemy izany fahafahanareo izany.


sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinìna ny fandraharahanay,


ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra