Ao amin'ny bokin'ny Eksodosy, Andriamanitra dia nanome ny didy folo ho an'ny olony, anisan'izany ny fandraràna ny fanompoan-tsampy. Izany dia fampahatsiahivana antsika fa Andriamanitra irery no mendrika ny fivavahantsika sy ny fanoloran-tenantsika.
Ary koa, ao amin'ny Testamenta Vao no ahitantsika fampianarana momba ny sampy izay azontsika ampiharina amin'ny fiainantsika ankehitriny. Nanoratra ho an'ny Korintiana i Paoly Apôstôly fa ny sampy dia tsy manan-kery ary tokony hifady ny karazana fanompoan-tsampy rehetra isika.
Mila mandinika ny fiainantsika isika ka mijery sao dia misy zavatra apetratsika ambonin'Andriamanitra. Moa ve ny asantsika, ny fifandraisantsika amin'olona, na ny faniriantsika manokana no lasa zava-dehibe indrindra amintsika? Moa ve isika namela ny zavatra ara-nofo na ny fahombiazana eto an-tany hanelingelina ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra?
Tsy misy ratsy ny manana tanjona sy nofinofy, fa rehefa lasa sampy mampanalavitra antsika amin'ny fivavahana amin'Andriamanitra ireo dia mila misaintsaina lalina isika. Mila mitandrina ny fiainantsika ho tony tsara isika ary mahatsiaro fa Andriamanitra no tokony ho ivon'ny zavatra rehetra ataontsika.
Hoy ianao manaraka an'i Jehovah Andriamanitrao, ary matahotra Azy, ary mitandrina ny didiny, ary mihaino ny feony, ary manompo Azy, ary mifikira Aminy. —Deoteronomia 13:4
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena eo an-daniko ianareo.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy.
Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako. «Aza manao sarin-javatra voasikotra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na etỳ amin’ny tany ambany, na any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany na manompo azy, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin’izay mankahala Ahy;
«Aza manaraka andriamani-kafa, amin’izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo. Fa i Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan’ny fahatezeran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, sy hofongarany eto ambonin’ny tany.
Koa fantaronao anio, sy araiketo ao am-ponao fa i Iaveh no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony, sy etỳ amin’ny tany ambany ary tsy misy hafa.
Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
Ary Izaho no Iaveh Andriamanitrao, hatrany amin’ny tany Ejipta; tsy hahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao; ary eo ivelan’ny Tenako tsy misy mpamonjy.
Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!
Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy? Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina. Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany. Ny mahantra tsy manam-be hatolotra mifidy izay hazo tsy mety lo, dia mitady mpiasa mahay zavatra, hanaovany sampy tsy mihozongozona.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an’i Iaveh dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony; na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Iaveh.
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka, ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena. Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany, mba tsy hihetsiketsika, Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»
«Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny fonareo.»
Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho? Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro, mba hahavoazako ny taranak’i Israely amin’ny fony satria efa nivily niala tamiko izy mbamin’ny sampin-dozany rehetra.
Fantatro sahady fa namonjy ny voahosony i Iaveh; hihaino azy Izy any an-danitra, fonenany masina, amin’ny famonjena mahery hataon’ny tanany ankavanana.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho atỳ aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa. Fa ankehitriny kosa efa nahalala an’Andriamanitra ianareo (na hoe: Andriamanitra no nahalala anareo), ka ahoana no dia ireny fampianarana malemy sy tsy misy na inona na inona ireny indray no iverenanareo sy tianareo hotompoina?
«Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasikotra, na tsangam-baton-tsampy, na manorona vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.
Ampitomboin’ny olona ny sampy; ny andriamani-kafa no hihazakazahany harahina, fa izaho kosa tsy mba handraraka ny fanati-dra araraka ataony, na hanao ny anaran’ireny eo amin’ny molotro akory.
Nony hitan’ny vahoaka fa efa naharitra ela i Môizy nefa mbola tsy nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aarôna izy, ka nanao taminy hoe: «Ndeha anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona.» Koa ankehitriny avelao Aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.» Nifona tamin’i Iaveh Andriamaniny anefa i Môizy ka nanao hoe: «Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery? Nahoana no dia hahazoan’ny Ejiptianina hilaza hoe: Ny namoahany azy dia hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany. Koa ialao re ny fahatezaranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao. Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny Tenanao hoe: Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.» Dia nanenenan’i Iaveh ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany. Ary i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ny takelaka roan’ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin’ny lafiny roa, voasoratra tamin’ny lafiny iray sy tamin’ny lafiny iray koa. Asan-tanan’Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr’Andriamanitra voasikotra tamin’ny takelaka. Nony nandre ny tabataban’ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin’i Môizy hoe: «Finanananàna toy ny any an’ady izany any amin’ny toby izany.» Fa hoy ny navalin’i Môizy: «Tsy mba feo fihobian’ny mpandresy na feo fibabababan’ny resy izany fa feon’olona mihira no reko.» Nony mby teo akaikin’ny toby izy, dia nahita ny zanak’omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran’i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo ambodin’ny tendrombohitra. Ary hoy i Aarôna tamin’izy ireo: «Esory àry ny kavim-bolamena, eny an-tsofin’ny vadinareo aman-janakareo lahy na vavy, ka ento atỳ amiko.» Ary nalainy ilay zanak’omby nataon’izy ireo, nodorany tamin’ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak’i Israely. Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Fa nataon’ity vahoaka ity ahoana ianao no dia notsindrianao heloka be vava toy izao izy?» Hoy i Aarôna namaly azy: «Aoka re mba tsy hirehitra ny fahatezeran’ny tompoko. Fa na ny tenanao aza dia mahalala fa mitongilana amin’ny ratsy ity vahoaka ity. Izao no nolazain’izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha lalana anay, fa raha ny amin’iny Môizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta, tsy fantatray izy na naninona na naninona. Dia hoy aho tamin’izy ireo: Samia àry mahafoy ny azy izay manam-bolamena. Koa nanome izy, ary natsipiko tao anaty afo, dia io zanak’omby io no nivoaka avy ao.» Dia hitan’i Môizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin’i Aarôna tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan’ny fahavalony izy. Ka dia nijanona teo am-bavahadin’ny toby i Môizy, nanao hoe: «Mbà tonga atỳ amiko izay momba an’i Iaveh.» Ary ny zanak’i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin’ireo: «Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Samia ianareo manao ny sabany eo am-balahany avy, ka mandehana mamakivaky ny toby, hatramin’ny vavahadin’ny toby anankiray, ka hatramin’ny anankiray, dia samia mamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny havany avy.» Notanterahin’ny zanak’i Levì ny didin’i Môizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin’ny vahoaka androtr’izay. Dia hoy i Môizy: «Samia manokan-tena amin’i Iaveh ianareo anio, fa efa samy namely ny zanany aman-drahalahiny avy, mba hanomezany tso-drano anareo anio.» Dia samy nanesotra ny kavim-bolamena teny an-tsofiny avokoa ny olona ka nitondra azy teo amin’i Aarôna. Nony ampitso hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Efa nahavita heloka be vava ianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin’i Iaveh aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho.» Dia niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo. Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.» Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin’ny bokiko. Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.» Nokapohin’i Iaveh ny vahoaka noho ny nanaovany ny zanak’omby izay nataon’i Aarôna. Noraisiny tamin’ny tanan’izy ireo izany, dia namboariny tamin’ny fandraka ny volamena ka namoronany zanak’omby anidina. Ary hoy izy ireo: «Ry Israely, io no andriamanitra izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.»
Aza mitodi-doha amin’ny sampy; ary aza manao andriamanitra anidina ho anareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
«Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.»
Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory;
Raha mbola niandry azy ireo tany Atena i Paoly, dia nangorakoraka ny fanahiny, nahita ity tanàna feno sampy. Koa dia niady hevitra tamin’ny Jody sy ny prôselita tao amin’ny sinagoga izy, ary tamin’izay tafavory tao an-kianja isan’andro. Nisy filôzôfy sasany tamin’ny Epikorianina sy ny Stôisianina niady hevitra taminy koa. Hoy ny sasany: «Inona re no tadiavin’io mpibedibedy io e?» Ary hoy kosa ny sasany nandre azy nitory an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty: «Toa mitory andriamani-baovao izy izany.» Dia nalain’izy ireo i Paoly, ka nentiny tany amin’ny Areôpazy, nilazany hoe: «Mba azonay fantarina va re izao fampianarana vaovao lazainao izao e? Niditra tao araka ny fanaony i Paoly, ary sabata telo no niadiany hevitra tamin’ny olona tao, momba ny Soratra Masina. Fa zavatra tsy fandren’ny sofinay no lazainao; koa mba ta hahalala izay hevitr’izany izahay.» Fa ny Atenianina rehetra sy ny vahiny nitoetra tao, dia tsy nandany ny andro afa-tsy tamin’ny filazana na fihainoana zava-baovao. Dia nitsangana teo afovoan’i Areôpazy i Paoly ka nanao hoe: «Ry lehilahy Atenianina, hitako amin’ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra ianareo. Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao: ‹Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra›. Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no toriko aminareo: Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany. Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra. Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy; fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan’ny mpanao tononkira sasany taminareo hoe: ‹Taranany koa isika.› Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’ny olombelona. Nasehony sy noporofoiny mazava fa tsy maintsy ho nijaly sy nitsangan-ko velona i Kristy, ary izany Kristy izany dia i Jesoa izay toriko aminareo, hoy izy. Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizany; fa asainy mibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao. Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsarany an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty.»
ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin’ny Baala izy, sy emboka ho an’ny sampy.
feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Nanompo ny sampin’ireny, izay tonga fandrika ho azy. Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona. Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany, ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.
Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Raha mbola niandry azy ireo tany Atena i Paoly, dia nangorakoraka ny fanahiny, nahita ity tanàna feno sampy.
Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka. Nafoiny avokoa ny didin’i Iaveh Andriamaniny; fa zanak’omby anidina roa no nataony ho azy, sy aseraha no nataony ho azy, ny tafiky ny lanitra rehetra no niankohofany, ary i Baala no notompoiny. Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.
Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.
Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonana io. Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»
Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny. Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany. Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»
Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Iza no tahaka Ahy? - aoka hiteny izy; aoka hilaza izy sy hampiseho izany! - hatrizay nanorenako ny karazan’olombelon’ny andro fahagola. Aoka hambarany àry ny zavatra ho avy sy izay tsy maintsy ho tonga!
Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.
Koa ny amin’ny mihinan-kena naterina tamin’ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja. Na dia maro aza no antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra maro sy Tompo maro), iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa.
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra. Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra; izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany! Mihainoa ahy, ianareo olona madî-po, izay lavitry ny fahamarinana. Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an’i Siôna Aho, sy ny voninahitro ho an’i Israely. Miletsy izy ireo, miara-mirodana izy; tsy nahavonjy ny entana izy; lasan-ko babo mbamin’ny tenany aza.
Mangataha dia homeko ho lovanao ny firenena, ho fanjakanao, ny vazantany efatra. Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!
Dia nanao sarin-janak’omby izy ireo tamin’izany andro izany, ka nanao sorona tamin’io sary io, ary niravoravo tamin’ny asan-tanany. Fa nilaozan’Andriamanitra izy ireo, ka navelany hanompo ny tafiky ny lanitra. Tsia, fa ny tranolain’i Môlôka no nentinareo sy ny kintan’i Raifàna andriamanitrareo, dia ireo sarin-javatra hataonareo hivavahana. Noho izany, dia hafindrako ho any an-dafin’i Babilôna kosa ianareo, araka izay voasoratra amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: Ry taranak’i Israely, moa nanolotra sorona sy fanatitra tamiko ianareo, nandritra ny efapolo taona tany an’efitra?
Ny sarin’ny sampy nataony, dia napetrany tao amin’ny tranon’Andriamanitra izay nolazain’Andriamanitra tamin’i Davida sy i Salômôna zanany hoe: «Eto amin’ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko teo amin’ny fokon’i Israely rehetra no tiako hametrahana ny Anarako mandrakizay. Tsy havoakako hiala amin’ny tany notendreko ho an’ny razanareo ny tongotr’i Israely, raha mbola tandremany ihany koa ny manaraka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin’ny alalan’i Môizy.» Ka dia i Manase no tonga nampania an’i Jodà mbamin’ny mponina ao Jerosalema, ka nandroso nanao ratsy izy ireo mihoatra noho ireo firenena naringan’i Iaveh, teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.
Ary nalaiko ny fahotana nataonareo, dia ilay zanak’omby volamena ka nodorako tamin’ny afo, sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka, dia nariako tamin’ny ranon-driaka avy any an-tendrombohitra izany vovoka izany.
Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Fa na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely misaraka amiko manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny Tenako Izaho Iaveh, no hamaly azy.
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho. Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona.
Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»
Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy, tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin’ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin’ny vain’afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sasan’izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo foana!
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Nofoanan’i Josiasa avokoa ny fahavetavetana teo amin’ny tany rehetra ananan’ny zanak’i Israely, ary nodidiany hanompo an’i Iaveh Andriamaniny, ny olona rehetra teo amin’i Israely. Ka raha mbola velona koa izy dia tsy mba niala tamin’ny fanarahana an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo.
Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh.
Dia hamoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy ireo Aho, noho ny haratsiany rehetra, fa nandao Ahy izy ireo, dia nanolotra emboka tamin’andriamani-kafa, ary nivavaka tamin’ny asan-tanany.
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany.
Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa. Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho Izy va isika?
tsarovinareo ny zavatra lasa, tamin’ny andro taloha. eny, Izaho dia Andriamanitra, ary tsy misy hafa.
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»
Eny, zava-poana ny olombelona, fitaka ny zanak’olombelona. Hiainga ny mizàna raha atao ao aminy izy rehetra miaraka, fa maivana noho ny fofon’aina.
Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»
Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa. Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona.
Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa.
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy. Iza moa izany Mpanjakan’ny voninahitra izany? I Iavehn’ny tafika, Izy no Mpanjakan’ny voninahitra! - Selà Fa Izy no nanorina azy, tambonin’ny ranomasina; sy nampitoetra azy tambonin’ny ony.
Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»
Mandrahona ny mpiavonavona Ianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao.
Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany. Nanangana ôtely ho an’i Baala izy, tao amin’ny tranon’i Baala nataony tao Samaria; sady nanao aserah koa i Akaba. Nanao izay nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely i Akaba mihoatra noho ny mpanjakan’i Israely rehetra talohany.
Fa ny teny rehetra naloakan’ny vavany, dia tsy maintsy tanterahinay tokoa tokoa, amin’ny fanaterana emboka manitra amin’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra, amin’ny fandraràhana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay, dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakany ama-mpifehy anay tany amin’ny tanin’i Jodà sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Tamin’izay, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza. Fa hatramin’ny nitsaharanay tsy nanatitra emboka manitra ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra sy tsy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy, vao tsy nanana na inona na inona izahay, sady levon’ny sabatra ama-mosary. Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»
Hampitahainareo amin’iza Aho, ary ataonareo sahala amin’iza? Hampitahafinareo amin’iza Aho ka hitovy izahay?
Ary 20 taona i Akaza fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany teo Jerosalema. Tsy nanao izay mahitsy eo anatrehan’i Iaveh tahaka an’i Davida rainy izy, Ary ankehitriny mbola kasainareo hampanekena ho andevo lahinareo sy andevo vavinareo koa ny taranak’i Jodà sy i Jerosalema! Fa ianareo kosa, moa tsy mba manan-keloka amin’i Iaveh Andriamanitrareo va ianareo? Koa ankehitriny mihainoa ahy ianareo, ary alefaso ireo babo nalainareo tamin’ny rahalahinareo ireo, fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’i Iaveh.» Dia nitsangana ny lehibe sasany amin’ny taranak’i Efraima, i Azariasa zanak’i Johanàna, i Barakiasa zanak’i Mosolamota, i Ezekiasa zanak’i Seloma, ary i Amasà zanak’i Adalì, ka nanohitra an’ireo avy any an-tafika, nanao hoe: «Tsy hampiditra ireo babo ireo eto ianareo, fa ny hivesarantsika fahotana amin’i Israely no kendrenareo ka mitady hanampy ny fahotana amam-pahadisoantsika ianareo, fa lehibe ny hadisoantsika, ka dia mirehitra amin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.» Dia nalefan’ny miaramila teo anatrehan’ireo lehibe sy ny fiangonana rehetra, ireto sambo-belona sy babo nentiny, ary nitsangana ireo lehilahy efa voatonona anarana teo, nandray ny sambo-belona, ka notafiany aloha tamin’ny zavatra babo izay tsy nitafy, nomeny akanjo aman-kiraro, vao nampihinaniny sy nampisotroiny sady nohosorany izy ireo, dia nampitaingeniny ampondra izay rehetra efa reraka mafy loatra, ka nateriny tany Jerikao, tanànan’ny rofia izy ireo, ho any amin’ny rahalahiny. Izy kosa niverina tao Samaria. Tamin’izany andro izany i Akaza mpanjaka naniraka olona hangata-bonjy amin’ireo mpanjakan’i Asiria, fa tonga indray ny Edômita, nandresy an’i Jodà sy namabo azy. Ny Filistinina niely teny amin’ny tanàna eny amin’ny Sefelà sy ny Negeban’i Jodà; azony avokoa i Betsamesa, i Aialôna, i Gaderôta, i Sôkô sy ny tanàna momba azy, i Tamnà sy ny tanàna momba azy, i Gamzô sy ny tanàna momba azy, dia nonenany. Satria naetrin’i Iaveh i Jodà, noho ny amin’i Akaza mpanjakan’i Israely izay nampitombo ny fitondran-tena ratsy teo amin’i Jodà sy nanao heloka tamin’i Iaveh. fa nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely, ary nanao sarin-javatra anidina ho an’ireo Baala aza. Tonga namely azy i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria, nampiseho halozana taminy, fa tsy nampahery azy. Nalain’i Akaza ny zavatra tao an-tranon’i Iaveh sy ny tao an-tranon’ny mpanjaka mbamin’ny lehibe, ka nanao fanatitra ho an’ny mpanjakan’i Asiria, fa tsy nahazo fanampiana tamin’izany izy. Na tao anatin’izany fahoriana nanjò azy izany aza, mbola nanohy ny fahotana tamin’i Iaveh ihany izy Akaza mpanjaka, fa nanao sorona tamin’ny andriamanitr’i Damasa izay namely azy izy, ka nanao hoe: «Ny andriamanitr’ireo mpanjakan’i Siria no mamonjy azy ireo, koa hotolorako sorona dia hamonjy ahy.» Kanjo ireo no tonga fandravana azy sy i Israely rehetra. Nangonin’i Akaza ny fanaky ny tranon’Andriamanitra, ka novakivakiny ny fanaky ny tranon’Andriamanitra ary narindriny ny varavaran’ny tranon’i Iaveh, dia teny amin’ny zoron-dalana rehetra tao Jerosalema no nanaovany ôtely. Tany amin’ny tanànan’i Jodà no nasiany fitoerana avo tsirairay avy, hanaterany zava-manitra ho an’ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy. Ny asany sisa mbamin’ny lalany rehetra, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Jodà sy i Israely izany. Dia nody mandry any amin’ny razany i Akaza, ka nalevina tao an-tanàna, tao Jerosalema, fa tsy mba naiditra tao amin’ny fasan’ny mpanjakan’i Israely. Ary i Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy. Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an’Andriamanitra, dia navelan’Andriamanitra kosa izy hoentin’ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-po, mpanely tsaho, momba ny Zanany izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo, mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Aza afeninao amiko ny Tavanao; aza roahina an-katezerana ny mpanomponao; Ianao no famonjena ahy, ka aza mahafoy ahy; aza ilaozanao aho, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.
Tovy sy henoy izao zavatra rehetra andidiako anao izao, mba ho sambatra mandrakizay ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, amin’ny fanatanterahana izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh.
Ianareo matahotra an’i Iaveh, apetraho amin’i Iaveh ny fitokianareo! Izy no vonjiny sy ampingan’izy ireo.
Fa ny mpiambina an’i Israely jamba avokoa, tsy mahalala na inona na inona; amboa moana avokoa izy rehetra, ka tsy mahavovò; fa manonofy, mandrimandry, tia torimaso. Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao, ka nitolo-tena ho an’ny olon-kafa noho ny lazanao, nanarana ny fitiavanao tamin’ny mpandalo rehetra, nanolo-tena taminy. Nangalanao ny fitafianao, ka nanaovanao fitoerana avo samihafa soratra ho anao, dia nijangajanga teo amboniny ianao: tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy na oviana na oviana intsony. Nalainao koa ny firavakao, tamin’ny volamena amam-bolafotsiko, izay nomeko anao, dia nanaovanao sarin-dehilahy izay nanoloranao tena hivarina aminy. Ny fitafianao misy amborodao, nalainao natafinao an’ireo; ny diloilo aman’emboka manitra, napetrakao eo anoloan’ireo. Ny mofoko nomeko anao, ny vary tsara indrindra, ny diloilo aman-tantely namahanako anao, nataonao teo anoloan’ireo avokoa, ho fanatitra manam-pofona mahafinaritra. Izany no natao, - teny marin’i Iaveh Tompo.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Aoka ho zanaka manaiky ianareo, ka tsy hanaraka ny filàn-dratsinareo intsony, toy ny nataonareo fahiny tamin’ny andron’ny tsy fahalalanareo;
Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.