Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 17:8 - Baiboly Katolika

8 Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ny rantsan-tànany tsy hahoany, Na ny Aseraha, na ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* na ny tsangambato ho an’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 17:8
29 Rohy Ifampitohizana  

Miherikerika ireny fa tsy misy mamonjy! Mitaraina amin’i Iaveh fa tsy valiany akory!


Nanao tanàna mimanda tamin’i Jodà izy, fa nandry ny tany, ary tsy nisy ady namely azy tamin’izany taona izany, satria nomen’i Iaveh fitsaharana izy.


Nony vita izany rehetra izany, dia niainga ny avy amin’i Israely rehetra izay teo, nankany amin’ny tanànan’i Jodà, ka notorotoroiny ny tsangam-bato, nokapainy ny aserah, noravany avokoa ny fitoerana avo aman’ôtely eran’i Jodà sy i Benjamina mbamin’i Efraima sy i Manase, nataony fongotra mihitsy. Izay vao samy nody any an-tanànany ny zanak’i Israely rehetra, samy ho any amin’ny anjara taniny.


Noravana teo anatrehany ny ôtelin’ireo Baala, dia nazerany ny sariolona teo amboniny natokana ho an’ny masoandro, notorotoroiny ny aserah, ny sarin-javatra voasikotra, ny sarin-javatra anidina, nataony zary vovoka ireny, dia nafafiny teny amin’ny fasan’izay nanatitra sorona taminy,


Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany.


Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.


Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.


Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely: dia ho tany efitra.


feno soavaly ny taniny, ka tsy hita isa ny kalesiny. Feno sampy ny taniny, ary miankohoka eo anatrehan’ny asan-tanany izy ireo, dia eo anatrehan’ny zavatra narafitry ny rantsan-tanany.


Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.


Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy.


ary nanipy ny andriamanitr’ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany.


Indro fa zava-poana avokoa izy rehetra; tsinontsinona ny asany; rivo-poana ny sampiny.


Izany hazo izany dia ataon’ny olona kitay, misy alainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy anaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany.


Toy ny fahatsiarony ny zanany, no fahatsiarony ny ôteliny aman’aseràny, eny akaikin’ny hazo maitso sy eny amin’ny havoana manerinerina eny.


Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra, ataoko afaka aminareo.


Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.


Efraima... Inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao.


Hoesoriko ny olombelona sy ny biby; hoesoriko ny voromanidina sy ny hazan-dranomasina, ary ny fanafintohinana mbamin’ny ratsy fanahy; ka haringako eo ambonin’ny tany ny olombelona, - teny marin’i Iaveh. -


Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.


Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra