Isaia 17:8 - DIEM PROTESTANTA8 Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Fa tsy hitodika any amin’ny alitara, asan’ny tanany intsony izy. Tsy hahoany ny nataon’ny rantsantanany, na ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha na ny tsangambato ho an’ny masoandro. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan’ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon’ny rantsan-tànany tsy hahoany, Na ny Aseraha, na ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro. Jereo ny toko |
Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin’ireo tanàna jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran’i Joda sy i Benjamîna ary koa tamin’ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian’izay dia samy nody ho any amin’ny taniny sy ny tanànany avy izy rehetra.
Noravana teo anatrehan’i Jôsià ny alitaran’ireo andriamanitra Bahala; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an’i Aserà mbamin’ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin’ny fasan’ireo efa nanolotra sorona tamin’ireny andriamani-tsiizy ireny.
Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.