Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 17:9 - Baiboly Katolika

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely: dia ho tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra, izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Israely, ka ho foana tanteraka ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Amin’izany andro izany, dia hilaozana ireo tanàna mimandan’i Israely, tahaka ny nandaozana ny tanànan’ny Hivita sy ny Amôrita fahiny tamin’ny nahatongavan’ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Amin’izany andro izany, dia hilaozana ireo tanàna mimandan’i Israely, tahaka ny nandaozana ny tanànan’ny Hivita sy ny Amôrita fahiny tamin’ny nahatongavan’ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, Dia ho tahaka ny tany lao any an-ala na any an-tampon-tendrombohitra, Izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Isiraely, Ka dia ho foana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra, izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Israely, ka ho foana tanteraka ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 17:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Satria ianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao, tsy nahatsiaro ny Vatolampin’ny herinao. Koa dia mamboly voly mahafinaritra ianao, ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao.


Fa tsy hijery intsony any amin’ny ôtely asan-tanany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain’ny tanany; dia ny aserah sy ny andrin’ny Masoandro.


Fa ny tanàna mimanda efa zary tany foana, fonenana lao sy nilaozana, tahaka ny efitra; zanak’omby no miraotra ao, mandry sy mihinana ny rantsan-kazo ao.


Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao, ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmanà an’i Beta-Arbela, tamin’ny andron’ny ady izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.


Ny fitoerana avon’i Isaaka ho foanana; ny fitoera-masin’i Israely horavana; ary hitsangana hamely ny taranak’i Jerôbôama amin’ny sabatra Aho.»


Ny famosavianao, hoesoriko eny an-tananao, ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.


Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.


Hanjary efitra ny tany, noho ny amin’ny mponina ao aminy: izany no vokatry ny asany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra