Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 17:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Amin’izany andro izany, dia hilaozana ireo tanàna mimandan’i Israely, tahaka ny nandaozana ny tanànan’ny Hivita sy ny Amôrita fahiny tamin’ny nahatongavan’ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy dia ho tahaka ny tany lao any an’ala na any an-tampon-tendrombohitra, izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Israely, ka ho foana tanteraka ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Amin’izany andro izany, dia hilaozana ireo tanàna mimandan’i Israely, tahaka ny nandaozana ny tanànan’ny Hivita sy ny Amôrita fahiny tamin’ny nahatongavan’ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an’ala aman-tendrombohitra izay nilaozana teo anoloan’ny zanak’i Israely: dia ho tany efitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Amin’izany andro izany ny tanànany mafy, Dia ho tahaka ny tany lao any an-ala na any an-tampon-tendrombohitra, Izay nilaozan’ny olona teo anoloan’ny Zanak’Isiraely, Ka dia ho foana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 17:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an’ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an’ny andriamani-tsiizy.


Tsy hitodika any amin’ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon’ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo.


Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.


Fa hofoanako ireo toeram-panasinan’ny taranak’i Itsehàka, horavako ireo toeram-pivavahan’i Israely, ary hitsangana Aho hamely ny taranak’i Jerôbohama amin’ny sabatra.


Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.


Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»


Ary ho tonga lao ny tany sisa noho ny asa ratsy vitan’ireo mponina ao aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra