Misy olona manokana Andriamanitra efa nametraka eo amin'ny lalanao, olona mitondra fitahiana sy fifaliana, ary hotahintsika amin'ny anaran'i Jesosy izy ireo. Ao amin'ny Baiboly dia mahita andininy maro isika mba hisaorana sy hitahiana ireo aina ireo, tsy ireo olona ireo ihany no hotahintsika fa ny fianakaviantsika, ny firenentsika ary ny mpiray finoana amintsika koa. "Hotahin'i Jehovah anie ianao ka harovany; Hampamirapiratin'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hamindrany fo aminao; Hanandratr'i Jehovah aminao ny tavany anie ka hanome anao fiadanana." (Nomery 6:24-26) Hotahintsika koa ireo pasitera ampiasain'Andriamanitra. "Fa Ianao, Jehovah ô, no mitahy ny marina; Manodidina azy amin'ny fankasitrahanao toy ny ampinga ianao." (Salamo 5:12) Tsy izay manisy soa antsika ihany no hotahintsika fa Andriamanitra nandidy antsika mba hitahy izay manisy ratsy antsika koa. "Misaora izay manenjika anareo, misaora fa aza manozona." (Romana 12:14)
Fa amin’ny taona fahafito, avelao izy fa aza kasihina, ary hohanin’ny mahantra eo amin’ny firenenao ary hohanin’ny biby any an-tsaha ny sisa tsy lany. Torak’izany koa no hataonao amin’ny tanimboalobokao sy ny ôlivanao.
Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.
Ny mampahory ny mahantra, maniratsira Ilay nanao azy; fa ny miantra ny tsy manana no manome voninahitra Azy.
Ary namaly izy ka nanao hoe: «Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao.»
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Eny, ho hitan’ny maro amin’izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa ianareo, ka hankalaza an’Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin’i Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin’ny soanareo.
Salamon’i Davida. An’i Iaveh ny tany, mbamin’izay rehetra ao aminy, izao tontolo izao mbamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Raha tahiny tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao; ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy.»
Aza endahanao ny mahantra noho izy mahantra, ary aza mampahory ny ory eo am-bavahady.
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
«Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo.
Mamafy fiantrana Izy, manome ny mahantra, maharitra mandrakizay ny fahamarinany; misandratra amim-boninahitra ny tandrony.
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo, satria izay rehetra nanan-tany na trano, dia nivarotra azy sy nitondra ny vidin’izay lafo, ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly, ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.
Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro, ka ilazan’ny iray aminareo hoe: Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany?
Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao dia aza mitaky izany aminy intsony.
Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao anatin’ny anankiray amin’ny vavahadinao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra, fa aoka hivelatra aminy ny tananao; ka hampisambotra azy izay sahaza ilainy araka ny mahory azy.
«Amidio izay anananareo ka anaovy fiantrana; manaova kitapom-bola tsy tontan’ny ela ho anareo, dia rakitra tsy mety lany any an-danitra, izay tsy azon’ny mpangalatra idirana sady tsy misy kalalao manimba; fa izay misy ny harenareo no hisy ny fonareo koa.»
Anaro ny mpanan-karena amin’izao fiainana izao, mba tsy hiavonavona, na hanantena harena tsy mateza, fa hanantena an’Andriamanitra, mpanome antsika malalaka ny zavatra ilaintsika; ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra, dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy izy, izay hahazoany manana ny tena fiainana.
Omeo hanina ny fahavalonao raha noana, ary omeo hosotroina izy raha mangetaheta, fa ny fanaovana izany no hanangonanao vain’afo ho eo an-dohany.
Na oviana na oviana ny tany tsy hilaozan’olona ory; ka izany no anomezako anao ity didy ity: Aoka hamelatra ny tananao amin’ny rahalahinao ianao, amin’ny ory sy ny mahantra eo amin’ny taninao.
Fa hoy i Elia taminy: «Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatỳ amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao ianao. Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Ny lafarina ao am-bilany tsy ho lany, ny diloilo ao an-tavoara tsy hihena akory mandra-pahavin’ny andro handatsahan’i Iaveh ranonorana eto ambonin’ny tany.»
Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza.
Fa tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! Ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin’ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina.
fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»
Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
Endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena izany tokoa isika! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Didy vaovao no omeko anareo, dia izao: Mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
Sitrany tokoa ny nanao izany, fa ananan’ny any trosa izy ireo. Satria nahazo anjara tamin’ny harem-panahiny izy Jentily, ka tsy maintsy mba manampy azy amin’ny haren’ny nofo kosa.
Izao ihany e: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Manomeza voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fanananao, sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra.
Aza mioty ny salohiny tavela amin’ny voalobokao; ary aza mitsimpona ny voankazo latsaka amin’ny sahanao; fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no Iaveh Andriamanitrao.
«Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any an-tsaha, aza miverina haka izany intsony, fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asan-tananao rehetra.
Nony nandre izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: «Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary avia hanaraka Ahy.»
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Ny mpanao soa mamela lova ho an’ny zanaky ny zanany; fa ny haren’ny mpanota kosa, voatendry ho an’ny marina.
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika.
Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!
Raha ianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan’ny Soratra Masina hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, dia manao tsara ianareo;
Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be. Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.
Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao.
Tsy maintsy manome azy ianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy ianao, fa izany no hanambinan’i Iaveh anao amin’ny asanao rehetra sy amin’ny raharaha rehetra hataonao.
ary hanao soa, sy ho tonga tena mpanan-karena amin’ny asa soa, hazoto manome sy miantra,
«Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanana vola aminy, aza maka zana-bola aminy.»
Raha misy rahalahinao mihamahantra sy mihaòsa tanana eo akaikinao, na dia izay hafa firenena na vahiny aza, dia tohano izy, mba hivelona eo akaikinao.
Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: ‹Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rahefa miverina aho.›
Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitraponao: etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay; ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen. Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo. Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao. Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa. Ny maso no jiron’ny tena: raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra, ka raha zary maizina àry ny fahazavana izay eo amin’ny tenanao, fahamaizinana manao ahoana izany! Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo. Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny. Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana. Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana? Noho izany, aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy. mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Dia namaly izy ka nanao hoe: «Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa.»
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:
Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.
Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana, fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahin’Andriamanitra.
Izay miantra ny mahantra, mampisambotra an’i Iaveh, ka Izy no hamaly ny soa nataony.
Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »
Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana.
Raha misy manan-karena amin’izao fiainana izao, ka mahita ny namany mahantra, nefa mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?
Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.
Fa rehefa eo ny fahazotoana hanao, dia araka izay ananana ihany, fa tsy araka izay tsy ananana, no ankasitrahana izay atao.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahalala azy.
Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo;
mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
ity mahafoy an-kazavam-po moa, mitombo harena; fa itsy fatra-pitsitsy, vao mainka mahantra.
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: «Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.»
Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsoram-po izy.
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
Samia mitady izay hahafaly ny namana, amin’izay hahasoa azy, sy hahatarika azy amin’ny tsara.
Aza mandà ny hanao soa amin’izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.
fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fanambinana nomen’i Iaveh Andriamanitrao azy.
Raha nandà ny hataky ny mahantra aho; raha nahavalalanina foana ny mason’ny mananotena aho; raha nobodoiko izaho irery ny anjara mofoko, fa tsy nazahoan’ny kamboty anjara, hatramin’ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray Izy, hatramin’ny nahaterahako nitarika ny diako.
sy namidiny ny taniny sy ny fananany, ka nozarainy tamin’izy rehetra, araka izay nilainy avy.
Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.
Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rehefa mby amin’ny fitsanganan’ny olo-marina vao hovaliana ianao.»