Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:14 - Baiboly Katolika

14 Fa zinona moa aho, ary zinona ny vahoakako no hanam-pahefana sy hery mba hanao an-tsitrapo fanatitra toy izao? Ianao no iavian’ny zavatra rehetra, ary ny noraisinay avy teo an-tananao ihany no natolotray Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanao fanatitra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanao fanatitra an-tsitrapo toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ny Anao ihany no nanomezanay Anao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:14
24 Rohy Ifampitohizana  

Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»


Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.


Dia tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Zinona moa aho, Iaveh Tompo ô! Ary zinona moa ny mpianakaviko no nentinao ho tonga amin’izao aho?


Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?


Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.


Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.


Ry Iaveh Andriamanitray ô, izao harena rehetra novononinay hanaovan-trano ho Anao, ho an’ny Anaranao masina izao, dia ny tananao no iaviany, Anao ny zavatra rehetra.


Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.


Fa iza aza moa no hahay manao trano ho Azy, fa ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Azy? Ary iza moa aho no hanao trano ho Azy, afa-tsy ny mba handoroana zava-manitra eo anatrehany ihany?


Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo ny voninahitra noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao.


Fa hoy i Môizy tamin’i Andriamanitra: «Inona moa aho no hankany amin’i Faraôna sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?»


Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -


Avy aminy sy noho Izy ary ho Azy ny zavatra rehetra. Eny, Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay! Amen.


Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro.


Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.


dia hankalaza ny fetin’ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny fanolorana an-tsitrapo avy amin’ny tananao, araka izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao.


fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fanambinana nomen’i Iaveh Andriamanitrao azy.


fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo.


Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.


ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’ilay Velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra