Avy amin’Andriamanitra ny aina, Izy no fahafenoana ahazoantsika antom-piainana. Na dia manohitra ny sitrapony aza ny fahavalo, dia mikatsaka izay hahasoa antsika foana ny Mpamorona antsika. Hatrany am-piandohana, ny drafiny dia ny hihamaro sy hameno ny tany ny olombelona. Koa zava-dehibe ny mahatakatra fa izay mampiroborobo ny fahafatesana dia tsy ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra. Tsy anisan’ny fikasany ho an’izao tontolo izao ny fanalan-jaza.
Na inona na inona toe-javatra na nitondra anao taty, dia tena ilaina ny mahatakatra fa eo ny fanampian’Andriamanitra. Na sendra bevohoka tsy nampoizina ianao na vokatry ny toe-javatra nampivarahontsana, dia mendrika ny hivelatra ilay aina ao anatinao. Tsy vahaolana ny fanalan-jaza ary mety hitondra enta-mavesatra ara-pihetseham-po izay hisy fiantraikany amin'ny fahasalamanao.
Matokia fa Andriamanitra dia afaka manasitrana sy manafaka anao, manome anao sy ny zanakao hoavy feno fanantenana. Manatòna Azy, zarao Aminy ny enta-mavesatrao ary mitadiava famelan-keloka Aminy. Ialao izay eritreritra rehetra mitarika anao amin’ny fanalan-jaza ary mibebaha amin’ny fo manontolo. Manana drafitra tsara ho anao Andriamanitra. Na dia mahatsiaro ho irery aza ianao dia tsarovy fa miara-dia aminao ny Fanahy Masina, mampionona sy mampatanjaka anao amin’izao dingana izao.
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Nefa, nony sitrak’Andriamanitra, Ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany,
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, izay namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho Iaveh, no nanao ny zavatra rehetra, Izaho irery no mamelatra ny lanitra, sy mampiorina ny tany: Iza moa no niaraka tamiko?
Eny Ianao no nampivoaka ahy avy ao am-bohoka; Ianao no nampahatoky ahy fony aho mbola nampinonoin’ineny. Hatramin’ny fony aho vao teraka no efa nankinina taminao; hatrany an-kibon-dreniko dia Ianao no efa Andriamanitro.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: «Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.
«Raha misy olona miady ary mandona vehivavy bevohoka, ka teraka azon’izany ravehivavy nefa tsy maninon-tsy maninona izy, dia izay onitra ilain’ny vadiny sy didian’ny mpitsara haloa ihany no ho sazin’ilay diso. Fa raha misy loza mihatra kosa dia hasainao efaina aina ny aina, efai-maso ny maso, efai-nify ny nify, efain-tanana ny tanana, efain-tongotra ny tongotra, efain-dotra ny voadotra, efain-dratra ny ratra, efai-mangana ny mangana.»
Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.
Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany. Aleloia!
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,
Niantso ity olo-mahantra, dia nohenoin’i Iaveh, sy novonjeny tamin’ny fahoriany rehetra.
i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
«Mihainoa ahy, ry taranak’i Jakôba, mbaminareo sisa rehetra amin’ny taranak’i Israely; ianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka, nentiko hatrany an-kibon-dreninareo. Tsy hiova Aho hatramin’ny fahanteranareo, fa hanohana anareo mandra-pahafotsy volo anareo. Efa nanao izany Aho, ka mbola hitondra anareo; hanohana anareo sy hanafaka anareo.»
Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra dia mba horavan’Andriamanitra kosa, satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany.
Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe: «Inona ny olombelona no mba tsarovanao? ary ny zanak’olombelona no mba karakarainao?
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo, ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
Toy ny tsy ahalalanao ny lalan’ny rivotra sy ny fomba fiforonan’ny taolana ao am-bohoka, no tsy ahalalanao ny asan’Andriamanitra izay manao ny zavatra rehetra.
Ka hoy i Jesoa taminy: «Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.»
Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka; Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka ka Anao ny fiderako mandrakizay!
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Ary nisy koa olona nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana: fa nony nahita izany ny mpianatra dia niteny azy ireo. Nefa nantsoin’i Jesoa hankeo aminy kosa ireo ka nataony hoe: «Avelao hanatona Ahy ny zazakely, ary aza sakanana izy, fa ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
Hanokatra ny fiterahana va Aho, ka tsy hampiteraka? hoy i Iaveh; sa Izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka? hoy ny Andriamanitrao
Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mpiady, toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana. Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’izany, fa tsy ho menatra raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Fadio ny ady tsy marina ka aza mamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina, fa tsy hamela ny meloka Aho.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo. Jakôba zanak’i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tomà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak’i Alfe sy Tade, Na ny volon-dohanareo aza dia efa voaisa avokoa. Koa aza matahotra fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ny Tananao no nanao ahy sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho, hianarako ny didinao.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana.
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka Ianao, ry Iaveh, iza no haharitra, Tompo ô? Fa ao aminao ny famelan-keloka, mba hanajan’ny olona Anao.
Izao no lazain’i Iaveh, izay nanao anao, sy namorona anao hatrany am-bohoka, sady namonjy anao: «Aza matahotra, ry Jakôba mpanompoko, ry Israeliko, izay nofidiko!
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
«Ny ray tsy hovonoina ho solon-janany, ny zanaka tsy hovonoina ho solon-drainy; fa isam-batan’olona dia samy ho fatin’ny fahotana nataony avy.
Aoka ny fanahiko tsy halainao miaraka amin’ny an’ny mpanota, ary ny aiko miaraka amin’ny an’ny olona mpandatsa-dra,
tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Izay rehetra mankahala ny namany dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona.
Tohano araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako.
Nitodika aho dia nahita ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambany masoandro: ao ny ampahoriana, vonton-dranomaso, ary tsy misy olona manala alahelo azy. Iharan’ny fanaovana an-kerin’ireo mpampahory azy, ary tsy misy olona manala alahelo azy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Maneke ny rainao, izy izay niteraka anao; ary aza manamavo an-dreninao, saingy efa antitra izy.
Amin’ny vavan’ny ankizy sy ny mbola minono no nanorenanao hery, hampikoy ny fahavalonao, sy hampangina ny mpandrafy sy ny mpanao teny manevateva. Raha banjiniko ny lanitrao, izay asan-tananao, mbamin’ny volana aman-kintana izay noforoninao, dia vaky vava aho hoe:
Ho tiany sy hosoaviny ary hampitomboiny ianao, hosoaviny ny naterakao sy ny vokatry ny taninao koa, dia ny varinao, ny ranom-boalobokao vaovao, ny diloilonao, ny terak’ombinao, ny zanak’ondrinao, any amin’ny tany nianianany tamin’ny razanao homena anao. Hohasoavina mihoatra noho ny firenena rehetra ianao, tsy hisy momba aminao, na lahy na vavy, na amin’ny biby fiompinao.
Raha efa izany dia hoy Andriamanitra: «Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.» Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»
Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy Izy; sy ny ory tsy manan-kamonjy akory. Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana Izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny, ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe.
Jereo ny voromanidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsompitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
«Aza momba ny maro hanao ratsy; raha misy ady, aza miandany amin’ny maro ka mitsangan-ko vavolombelona nampitanila ny fitsarana.
Nangataka tamin’i Iaveh ho an’ny vadiny i Isaaka, fa momba ravehivavy ary nohenoin’i Iaveh ny fangatahany, ka dia nanana anaka i Rebekà vadiny. Nifanosika tao an-kibo ireo zaza, ka hoy izy: «Raha izany no izy, nahoana foana aho no dia bevohoka?» Dia lasa nanontany tamin’i Iaveh izy.
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao! Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany; fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin’ny olona ny voany.
Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka! Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo! Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo? Ary nahoana aho no nisy nono roa hotsentsafiko?
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro: Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny. Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon’Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany. Ka ny hahatahoran’ny olona azy, no nanaovan’Andriamanitra an’izany. Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa. Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana. Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra. fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.
Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Ary moa tsy ambony lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’izany, azo atao ny manao soa amin’ny sabata.»
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ianao sy ny taranakao, araka izao andidiako anao anio izao, amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.
Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny. I Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; maharitra amin’ny tsy fivadihany Izy.
Sa dia mahafaly Anao ny mampahory, sy mamay ny asan’ny tananao; ka hampamirapiratra ny fanambinanao eo amin’ny fisainan’ny ratsy fanahy? Manana maso nofo va Ianao, sa mijery toy ny fijerin’ny olombelona?
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany. Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra. Fiteny mahameloka no iresahany Anao, manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo. Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao? Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho. Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay. Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, asa mahazatra anao ny lalako rehetra. Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza, efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh. Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko Ianao, ary apetrakao amiko ny tananao. Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany, ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
Fiainana no eo amin’ny lalan’ny fahamarinana; ary tsy fahafatesana no eo amin’ny lalana soritany.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Iza no olona matahotra an’i Iaveh? Hampianarin’i Iaveh azy ny lalana tokony hofidiny. Mandry amim-piadanana ny fanahiny, ary hanana ny taniny ny taranany.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva sy nisy maraina: izay no andro fahenina.
Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
«Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohoka ianao, ary raha mbola tsy naloaky ny kibon-dreninao ianao, dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena.»
Eny Ianao no nampivoaka ahy avy ao am-bohoka; Ianao no nampahatoky ahy fony aho mbola nampinonoin’ineny.
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!
Ilay namorona ahy tao am-bohoka, moa tsy dia nanao azy koa? Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay?
Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’izany, fa tsy ho menatra raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.