Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 45:9 - Baiboly Katolika

9 Loza ho an’izay miady hevitra amin’ilay namorona azy, nefa tavim-bilany isan’ny tavim-bilany tany ihany izy. Ny tanimanga va hilaza amin’izay namolavola azy hoe: «Inona ity ataonao?» Ny asanao va hanao hoe: «Tsy manan-tanana izy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Lozan’izay miady amin’ny namorona azy, tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hiteny hoe: Tsy manan-tanana izy!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Lozan’izay sahy manome tsiny ny mpanao azy, kanefa ny tenany dia siny tanimanga toy ny siny tanimanga rehetra ihany! Ny tanimanga ve hanontany ny mpanefy azy hoe: «Inona ity ataonao?» na ny asa vitany hanao aminy hoe: «Tsy mahay ianao!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Lozan’izay miady amin’ny namorona azy! Tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tànana izy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Lozan’izay miady amin’ny namorona azy, tavim-bilany isan’ny tavim-bilany amin’ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin’ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hiteny hoe: Tsy manan-tanana izy!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 45:9
22 Rohy Ifampitohizana  

Tsarovy fa novolavolainao toy ny tany manga aho; ary haverinao ho amin’ny vovoka indray aho ity!


Ka nahoana no mifanditra aminy, noho Izy tsy mamoaka izay ataony na amin’iza na amin’iza?


«Te hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy azy io? mahavaly va izay mifandahatra amin’Andriamanitra?»


Raha mipaoka remby Izy, zovy no hahasakana izany? Zovy no hanao aminy hoe: ‹Fa inona ity ataonao?›


Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Ny zavatra tonga rehetra, dia efa voatondro anarana rahateo; fantatra ihany izay ho toetry ny olona; ary tsy mahazo mifandahatra amin’izay mahery noho izy izy.


Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!


Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan’ny taozavatra ny mpanao azy hoe: «Tsy nanao ahy izy». sy ilazan’ny siny amin’ny mpanefy hoe: «Tsy mahalala na inona na inona izy?»


Loza ho an’izay manao amin-dray anankiray hoe: «Nahoana no niteraka ianao?» na amin’ny vehivavy iray hoe: «Nahoana no velom-bao ianao?»


Fa ankehitriny, Iaveh ô, Rainay Ianao; tanimanga izahay, ary Ianao no ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.


Aza tafahoatra amin’ny hatezeranao Ianao, ry Iaveh, ary aza dia tsarovanao mandrakizay ny helokay. Jereo ange fa vahoakanao avokoa izahay rehetra!


«Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.


Ary lazao amin’i Jôakima mpanjakan’i Jodà, hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Ianao nandoro iny horonan-taratasy iny, sady nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’iny fa hoe ho avy tokoa ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity, ary hataony tsy hisy olona na biby intsony eto?


Nofandrihako tamin’ny tady vavarana ianao, ka voa, ry Babela, nefa tsy nampoizinao velively izany; hita ianao ka voasambotra, satria nila ady tamin’i Iaveh.


Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika? Mahery noho Izy va isika?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra