Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 53:6 - Baiboly Katolika

6 Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, Samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra; Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 53:6
25 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:


Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.


Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.


Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.


Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.


Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.


Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.


Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.


Vonoina Izy, ary mandefitra, tsy niloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory.


aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.


Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny lalanareo, tsy mba lalako. - Teny marin’i Iaveh. -


Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.


Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy: «Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao; ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.»


Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,


Efa andian’ondry nanjiona ny oloko, narebirebin’ny mpiandry azy, teny an-tendrombohitra manodòka; nitety ny tendrombohitra aman-kavoana ombieny ombieny izy, ka nanadino ny valany.


Raha Izaho milaza amin’ny ratsy fanahy hoe: ‹Ho faty tokoa ianao›; nefa ianao kosa tsy mananatra azy, tsy miteny mananatra azy, dia ho faty amin’ny helony ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin’ny tananao ny rany.


Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.


dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany, dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.


Fa efa toy ny ondry nania ianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin’ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.


Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra