Sarotra tokoa rehefa misy havako akaiky nodimandry. Fantatro tsara fa malahelo sy ory mafy ianao amin'izao fotoana izao. Ara-dalàna tsara izany. Aza avela handany anao anefa io alahelo io. Tsarovy fa eo amintsika ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina. Izy no hanafosafo antsika sy hanome antsika hery ary hampahery antsika handresy ny alahelo.
Amin'ny maha-mpino antsika, fantaro fa rehefa miala eto an-tany isika dia mankany amin'ny toerana tsara kokoa miaraka amin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Marina fa misy ireo havako nodimandry talohantsika. Tadidio anefa fa any amin'ny toerana tsara kokoa izy ireo. Mifalia satria voavonjy ny fanahiny.
Noforonin'Andriamanitra isika. Hoy ny teniny: raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany. Koa mitadiava fampiononana amin'Andriamanitra ary miantehera Aminy. Matokia fa momba anao Andriamanitra ary te-hampatanjaka sy hampionona ny fanahinao Izy. Avelao Izy hiasa eo amin'ny fiainanao.
Hoy Jesosy: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray." (Jaona 11:25)
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray;
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony. Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko, fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa. Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory; fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany. Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy. Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho, Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, fa avy ny mpanapaka izao tontolo izao; tsy manana na inona na inona amiko anefa izy, fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako.
Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy, ary amin’izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny, dia ny nofoko izao no ahitako an’Andriamanitra.
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
Indro, milaza zava-miafina aminareo aho: tsy hody mandry avokoa isika rehetra, fa hovana isika rehetra. Rehefa maneno ny trômpetra farany, fa hotsofina ny trômpetra, dia hitsangana miaraka amin’ny vava ny maty tsy ho lo intsony, ary hovana indray mipỳ maso monja isika. Fa ity mety lo ity, tsy maintsy hitafy ny tsy fahalòvana; ary ity mety maty ity, hitafy ny tsy fahafatesana.
Ary rehefa mitafy ny tsy fahalòvana ity mety lo ity, ka mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka amin’izay ny teny voasoratra hoe: Efa noresena ny fahafatesana ka levona. Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana. Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany. Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika rehetra, na misy maty ho an’ny tenany; fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany. Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha Tompon’ny maty sy ny velona Azy.
Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay; I Iaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra; ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra; fa efa niteny i Iaveh.
raha efa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka, dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro: Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny. Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon’Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany. Ka ny hahatahoran’ny olona azy, no nanaovan’Andriamanitra an’izany. Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa. Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana. Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra. fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena.
Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amiko; fa ny Ray izay mitoetra ato amiko no manao ny asa. Minoa ny teniko fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato amiko; na fara fahakeliny minoa ahay noho ny asa ihany. Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy, satria mankany amin’ny Ray Aho, ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny Anarako dia hotanterahiko avokoa, mba hahazoan’ny Ray voninahitra eo amin’ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ny Anarako ianareo, dia hotanterahiko izany. Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko. Ary Izaho kosa hangataka amin’ny Ray, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, mba hitoetra ao aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy. Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankatỳ aminareo Aho, Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy, satria velona Aho, ary ho velona koa ianareo. Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, Amin’izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ny Raiko, ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa, ka haneho ny Tenako aminy Aho.» Ary i Jodasy, tsy ilay IsKariota, nanao taminy hoe: «Ahoana, Tompoko, no itiavanao haneho ny Tenanao aminay ihany, fa tsy amin’izao tontolo izao koa?» Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Fa izay tsy tia Ahy kosa, dia tsy mba mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo, dia tsy Ahy, fa an’ny Ray Izay naniraka Ahy. Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. Fiadanana no avelako aminareo fiadanako no omeko anareo, tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo. Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao satria lehibe noho Izaho ny Ray. Ary Izaho no milaza izany aminareo dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany, dia ny mba hinoanareo rehefa tonga izany. rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin’ny vovoka izy,
Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa.
fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany.
Ary nandre feo avy any an-danitra aho, nanao hoe: Soraty: Sambatra hatramin’izao ny maty izay maty ao amin’ny Tompo. Eny, hoy ny Fanahy, aoka hiala sasatra amin’ny asany izy, ka ny asany hanaraka azy.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay efa hiaretanao. Indro, efa handatsaka ny sasany aminareo an-tranomaizina ny devoly, mba ho voazaha toetra ianareo, sy hiari-pahoriana hafoloana. Mahareta ambara-pahafaty, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana
Tsy izany anefa, fa efa nitsangana avy any amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry; satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, ka dia olona iray koa no iavian’ny fitsanganan’ny maty; ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy, fa manaraka ny laharany avy: i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».
Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy; omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra. Namirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra izy, ary voazavan’ny kintana toy ny vato sarobidy, dia ny vato jaspa izay azo itarafana toy ny kristaly. Sady avo no lehibe ny mandany, ary roa ambin’ny folo ny vavahadiny; nisy Anjely roa ambin’ny folo tamin’ireo vavahady ireo, ary nisy anarana voasoratra koa, dia ny anaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny zanak’i Israely. Vavahady telo no eo atsinanana, vavahady telo no eo avaratra, vavahady telo no eo atsimo, vavahady telo no eo andrefana. Misy vato fanorenana roa ambin’ny folo ny mandan’ny tanàna; ary misy anarana roa ambin’ny folo amin’ireo, dia ny anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry. Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany. Efa-joro ny tanàna, ary nitovy ny halavany sy ny sakany. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotarany izy, ka roa arivo sy iray alina stady, ary nitovy ny halavany sy ny sakany ary ny haavony. Norefesiny koa ny mandany ka efatra amby efapolo amby zato hakiho araka ny refin’ny olona sy ny an’ny Anjely koa. Vato jaspa no nanaovana ny mandan’ny tanàna; ary tena volamena madio toy ny fitaratra kristaly ny tanàna. Voaravaka vatosoa isan-karazany ny vato fanorenana ny mandan’ny tanàna. Jaspa ny fanorenana voalohany, safira ny faharoa, kalsedoàna ny fahatelo, emeraoda ny fahefatra, Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny. sardôniksa ny fahadimy, sardoana ny fahenina, krisôlita ny fahafito, berila ny fahavalo, tôpazy ny fahasivy, krisôpazy ny fahafolo, hiasenty ny faharaika ambin’ny folo, ary ametista ny faharoa ambin’ny folo. Ny vavahady roa ambin’ny folo dia voahangy roa ambin’ny folo, fa voahangy iray ihany ny vavahady iray, ary ny lalam-ben’ny tanàna dia tena volamena madio, manganohano hoatra ny fitaratra. Tsy nahita Tempoly tao aho, fa ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy ny Zanak’ondry no Tempoliny. Tsy mila masoandro ny tanàna, na volana hanazava azy, fa ny voninahitr’Andriamanitra no mamirapiratra ao aminy, ary ny Zanak’ondry no fanilony. Ny firenena rehetra handeha amin’ny fahazavany, ary ny mpanjakan’ny tany hitondra ny fiamboniany ao aminy. Tsy hihidy ny vavahadiny isan’andro, fa ny alina tsy mba hisy ao aminy. Ny laza aman-java-tsoan’ny firenena rehetra ho tapitra ao avokoa; ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany. Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo. Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.» Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra.» Ary hoy koa Izy: «Soraty fa marina sy mahatoky ireo teny ireo.»
Satria raha ny amiko, dia i Kristy no ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony.
Aleo laza soa, toy izy hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
fa sanganehana eo anelanelan’izy roa ireo aho: ny handeha ho any amin’i Kristy moa, iriko sy tsara lavitra:
Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony; ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony, fa efa lasa ny toetra taloha.»
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao. Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satroboninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro: Nodinihiko ny asa asain’Andriamanitra isasaran’ny zanak’olombelona; Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny. Ary hitako fa tsy misy soa ho azy ireo, mihoatra ny mifaly sy manao izay hiadanany amin’ny andro iainany: ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany. Fantatro fa haharitra mandrakizay, izay ataon’Andriamanitra, tsy misy tokony hanampiana an’izany na analana amin’izany. Ka ny hahatahoran’ny olona azy, no nanaovan’Andriamanitra an’izany. Ny atao izao dia efa nisy sahady, ary izay mbola hatao koa, efa nisy sahady; fa averin’Andriamanitra ny efa lasa. Izao koa no hitako, tatỳ ambany masoandro: Ny fiketraham-pitsarana araka ny rariny, dia ipetrahan’ny faharatsiana, ary ho solon’ny fahamarinana dia ao ny tsy fahamarinana. Hoy aho anakampo: Hotsarain’Andriamanitra ny marina sy ny ratsy, fa samy manana ny fotoanany avokoa ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra. Hoy aho anakampoko: Ny amin’ny zanak’olombelona: Tonga izany, mba hizahan’Andriamanitra toetra azy ireo, Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra. fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra: vovoka no niavian’ny zava-drehetra; ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra. Iza moa no mahalala ny fofon’ain’ny zanak’olombelona miakatra any ambony, ary ny fofon’ain’ny biby, midina any ambany mankamin’ny tany? Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany? Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana. Fotoana hitomaniana, ary fotoana hihomehezana; fotoana higogogogoana, ary fotoana handihizana.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Ry fahafatesana ô! aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! aiza ny fanindronanao? Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana. Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Famindram-pon’i Iaveh no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy lany ny famindram-pony. Mihavao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao!
Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin’ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Hoy i Jesoa taminy: «Izaho no fananganana sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?»
Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo ny hafaliana amam-piadanana rehetra amin’ny finoana, mba hitomboanareo fanantenana, noho ny herin’ny Fanahy Masina.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako? Fa ny ray aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa i Iaveh kosa handray ahy. Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho; tariho amin’ny lalana marina aho; noho ny amin’ireo mitsikilo ahy. Aza manolotra ahy amin’ny haromotan’ireo mpanohitra ahy; fa vavolombelona mandainga no mitsangan-kiampanga ahy; olona tsy mihevitra afa-tsy ny fanaovana an-keriny. Endrey, raha izay re aho no tsy matoky hahita ny hatsaram-pon’i Iaveh, any amin’ny tanin’ny velona!... Manantenà an’i Iaveh! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà an’i Iaveh! Raha nandroso ny ratsy fanahy hamely ahy, ka hihinana ny nofoko; raha nandroso ny rafy lahiko amam-pahavaloko; dia izy ireo ihany no nangozohozo, ka lavo. Na dia tafika iray aza no tamy hitoby hiady amiko, tsy hatahotra ny foko; na dia rafitra aza ny ady mamely ahy, dia hatoky ihany aho.
Koa raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho; ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra. Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.
Sambatra izay monina ao an-tranonao! Mbola mahazo midera Anao izy ireo! - Selà Sambatra izay olona manana ny heriny ao aminao; tsy mihevitra afa-tsy ny fiakarana masina izy. Raha mamaky ny lohasahan-dranomaso izy, ovany ho fitoerana feno loharano izany, ary ny ranonoram-pararano mandrotsaka fanambinana aminy.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Fa ny Zanak’ondry, izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana, no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina, ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony.»
Fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity, manan-trano tsy nataon-tanan’olona, fa narafitr’Andriamanitra izahay, dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany. Koa noho ny fanananay fahatahorana ny Tompo no itadiavanay hampiaiky ny olona; fa Andriamanitra moa dia mahalala anay mazava, ary ianareo koa dia ataoko fa mahalala anay ao amin’ny kônsiansinareo. Tsy midera tena aminareo izahay, fa manome anareo izay ho azonareo hararaotina mba hireharehanareo ny aminay, sy hahazoanareo mamaly izay mitady voninahitra amin’ny fisehoana fotsiny, fa tsy amin’ny ao am-po; dia izao: very saina moa izahay, ho an’Andriamanitra; mitombin-tsaina kosa indray, ho anareo. Fa terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy nitsangana ho azy ireo. Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay; dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny. Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa misento ao anatin’ity izahay, fa maniry mafy hitafy ny tranonay avy any an-danitra, Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo! Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika! raha mbola hita mitafy anefa izahay, fa tsy mitanjaka. Satria raha mbola amin’ity trano lay ity koa izahay, dia misento, fa maniry ny tsy hoendahana, fa hitafy ny hafa koa ambonin’ity, mba hatelin’ny fiainana ny mety maty. Ary tsy iza no namboatra antsika ho amin’izany, fa Andriamanitra Izay efa nanome antsika ny santatry ny Fanahy ihany.