Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 31:13 - Baiboly Katolika

13 Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijiny mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany; hampiononiko izy ary hampifaliako ho afaka alahelo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia hitotorebika handihy ny zatovovavy; toy izany koa ny tovolahy sy ny antitra. Fa hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Hovako ho fifaliana ny alahelony, ka hampiononiko sy hampiravoako izy mba ho afaka amin’ny fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary amin’izany dia ho faly amin’ny fandihizana ny virijina Mbamin’ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, Ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:13
22 Rohy Ifampitohizana  

Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tanany amin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.


Nony nitokanana ny mandan’i Jerosalema dia nantsoina tany amin’izay fitoerana nonenany rehetra tany, ny Levita, nasaina tonga any Jerosalema hanao ny fitokanana amin-kafaliana, amin’ny hira amam-piderana, amin’ny feon-kipantsona sy valiha ary harpa.


Tamin’izany andro izany, dia notendrena ny olona hitandrina ny efitrano fitahirizana, hasiana ny fanatitra voatokana, ny voaloham-bokatra, ny fahafolon-karena; ary nasaina nangonin’izy ireo, avy any amin’ny faritanin’ny isan-tanàna, ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita voadidin’ny lalàna, fa nahafaly an’i Jodà ny nahita ireo mpisorona sy Levita, samy eo amin’ny anjara toerany avy,


Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana.


zatovo lahy sy virjiny tanora, lahy antitra sy zaza.


Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!


Mihainoa, ry Iaveh ô, ka iantrao aho; Iaveh ô, avia hamonjy ahy! -


Ka dia izao no holazainao amin’izany andro izany: «Midera Anao aho, ry Iaveh, fa tezitra Ianao, nefa nihodivitra ny hatezeranao, ka mampionona ahy Ianao.


ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy; fa ny sento amam-pijaliana handositra.


Koa hiverina ny navotan’i Iaveh; dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-


Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan’i Iaveh ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.


Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hihataka intsony ny volanao. Satria i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao ary ho tapitra ny andron’ny fisaonanao.


hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’i Iaveh, sy ny andro famaliana anankiray ho an’ny Andriamanitsika; hampionona ny tra-pahoriana rehetra.


Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.


Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.


dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»


Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.


dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin’i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanimboaloboka, ka samia ianareo misambotra izay ho vadinareo amin’ny zazavavin’i Silao, dia handeha hankany amin’ny tanin’i Benjamina indray.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra