Resaka saro-pady sy tsy dia tiana resahina loatra ity resaka firaisana ara-nofo ity. Matetika moa dia avela hangina fotsiny izy ity. Fa isika kristiana, andeha isika mba hisaintsaina hoe: "Inona tokoa ary no sitrapon'Andriamanitra mahakasika ny firaisana ara-nofo?" Tsy mangina mihitsy ny Baiboly momba io fa tena miresaka mazava tsara mihitsy aza.
Hoy ny Hebreo 13:4 hoe: "Aoka hohajaina amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra." Fanambadiana mendrika haja tokoa izany ka tokony hohajaina araka izay mendrika azy. Mandria anizany fijangajangana izany! Halaviro, ankahalao ary ialao izay rehetra mety ho fahalotoana.
Ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana no halan'Andriamanitra. Na dia samisamy aza ny fomba fijery momba ny firaisana ara-nofo dia mila fantarintsika fa Andriamanitra dia tia ny zavatra tsara sy tsara tarehy ary tsy misy tokony hahamenatra antsika amin'izay zavatra noharian'Andriamanitra. Andriamanitra no namorona ny firaisana ara-nofo ka ny hany fomba ara-dalàna hanomezana fahafaham-po amin'izany dia ao anatin'ny fanambadiana, ao anatin'ny fanekena masina. Izany no sitrapon'Andriamanitra.
Ny lalàn'Andriamanitra dia mampiseho fa ny fanambadiana no natahany hanaovana firaisana ara-nofo fa tsy ivelan'izany. Tsy hisy mihitsy aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo hahapaka ny mpivady raha samy tsy mivadika izy roa. Fa raha misy iray amin'izy ireo mandika ny fanekena ka manao firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana dia mety hiharan'izany aretina izany sy hiharan'ny voka-dratsin'ny fahotana hafa koa izy.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.
Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
Ny amin’ireo zavatra nosoratanareo tamiko, dia tsara raha tsy mikasi-behivavy ny lehilahy. Izao kosa no andidiako an’izay manambady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy; ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin’ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy. Ary izao no ambarako amin’ireo sisa, izaho anefa fa tsy ny Tompo: Raha misy havana iray finoana manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy; ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy handroaka ny vadiny izy; satria ny lahy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny vavy; ary ny vehivavy tsy mpino efa nahazo fanamasinana tamin’ny lehilahy koa; fa raha tsy izany dia haloto ny zanakareo, nefa masina izy izao. Raha ny tsy mpino no miala, dia aoka hiala izy, fa amin’izany tsy voafehy intsony ny havana iray finoana na ny lehilahy na ny vehivavy satria ho amin’ny fiadanana no niantsoan’Andriamanitra antsika. Fa inona no ahafantaranao, ravehivavy, fa hahavonjy ny vadinao ianao? Na inona no ahafantaranao, ralehilahy, fa hahavonjy ny vadinao ianao? Izao anefa: samia ihany mandeha araka ny anjara nomen’ny Tompo azy avy, sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy; sy araka ny fitsipika omeko ny Eglizy rehetra. Voafora va no nantsoina? Aoka izy tsy hitady hiova ho tsy voafora. Tsy voafora va no nantsoina? Aoka izy tsy hitady hoforàna. Ny famorana, tsinontsinona; ny tsy famorana koa tsinontsinona; fa ny fitandremana ny didin’Andriamanitra ihany no tena zavatra. Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.
Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.
Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin’ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa.
Hosoavina anie ny loharanonao, ary ny vadin’ny fahatanoranao no ataovy fifalianao. Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao!
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
Niantso an’i Lôta izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy.»
Aza misy manatom-behivavy, havany akaiky, mba hanokatra ny fitanjahany. Izaho no Iaveh. Aza manokatra ny fitanjahan-drainao, na ny fitanjahan-dreninao, fa reninao izy, ka aza manokatra ny fitanjahany.
Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany.
Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy.
Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roaroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin’izy ireo ny rany.
Raha misy lehilahy miray amin’ny biby, izy hohelohin-ko faty ary ilay biby koa hovonoinareo. Raha misy vehivavy manota hijangajanga amin’ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia hatao maty izy ireo, ka dia amin’izy ireo ny rany.
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an’ny namanao.
«Raha misy lehilahy nampakatra vehivavy ho vadiny, sy efa nandeha taminy, nefa tonga tsy tia azy indray, ka manendrikendrika azy amin’izay mahafa-baraka sy mahafa-pofona azy, manao hoe: Nampakatra ity vehivavy ity aho, kanjo nony nandeha taminy aho dia hitako fa tsy virjiny izy. Dia halain’ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virjiny, ka haposany amin’ny loholon’ny tanàna eo am-bavahady. Ary hiteny amin’ny loholona ny rain-drazazavavy, hanao hoe: Nomeko ho vadin’io lehilahy io ny zanako vavy, kanjo nony tsy tiany, endrikendrehiny amin’izay mahafa-baraka azy, lazainy hoe: Hitako fa tsy virjiny ny zanakao. Nefa indreto ny famantarana fa virjiny ny zanako vavy. Sady velariny eo anatrehan’ny loholon’ny tanàna amin’izay ny fitafiany. Dia hosamborin’ny loholon’ny tanàna izany lehilahy izany, ka hofaiziny. Hampandoavina azy, volafotsy zato sikla izy. Ary homeny ny rain-drazazavavy izany, noho izy nanala baraka ny iray amin’ny virjinin’i Israely, sady hitoetra ho vadiny ravehivavy ka tsy azony isaorana raha velona koa izy. Raha tsy akaikinao anefa ny itoeran’ny rahalahinao, ka tsy fantatrao izy, dia raiso ao aminao ilay biby, ka ho ao aminao izy mandra-pahatongan’ny rahalahinao mitady azy, ary amin’izay dia haverinao aminy. Raha marina ihany kosa anefa izany, ka hita tokoa ny tsy maha-virjiny an-drazazavavy, dia hoenti-mivoaka ho eo am-baravaran-drainy razazavavy, ka hitora-bato azy mandra-pahafatiny ny mponina ao an-tanànany, satria zava-betaveta loatra no efa nataony teo amin’i Israely, tamin’ny nijangajangany tao an-tranon-drainy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.»
«Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy manam-bady dia hovonoina ho faty avokoa izy roa, na ralehilahy nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoan’i Israely.
«Raha misy zazavavy virjiny efa fofom-badin’olona, ary misy lehilahy mifanehatra aminy ao an-tanàna ka mandry aminy, dia ento mivoaka ho eo am-bavahadin’ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty: razazavavy moa noho izy tsy niantso tao an-tanàna, ralehilahy kosa noho izy nametaveta ny vadin’ny namany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao.
«Raha misy lehilahy mifanehatra amin-jazavavy virjiny tsy mbola voafofo, ka misavika azy sy mandry aminy, ary tratra izy roa; dia hanome volafotsy dimampolo sikla an-drain-drazazavavy ity lehilahy nandry taminy, ary ho vadiny razazavavy, satria efa nanala baraka azy izy, ka tsy azony isaorana raha mbola velona koa izy.»
Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io. Ahoana no nanakaikezanareo ny tanàna toy izany, raha niady? Tsy fantatrareo va fa hozerany ny tsipìka avy any ambony manda ianareo? Iza no namely an’i Abimeleka zanak’i Jerobaala? Moa tsy nozeran’ny vehivavy anankiray vakim-bato fitotoam-bary avy any ambony manda ve izy, ka matin’izay tao Tebesa? Ahoana àry no nanakaikezanareo ny manda? Dia ataovy hoe: Maty koa i Oria, Heteanina, mpanomponao.» Dia nandeha ilay iraka, ka nony tonga izy dia nambarany tamin’i Davida avokoa izay nasain’i Jôaba nambara. Hoy ilay iraka tamin’i Davida: «Nivoahan’ireny olona matanjaka noho izahay ireny tany an-tsaha izahay, fa notoherinay hatreny anoloan’ny vavahady kosa izy, ary notifirin’ny mpandefa zana-tsipìka avy erỳ ambony manda ny mpanomponao, ka maro tamin’ny mpanompon’ny mpanjaka no maty; i Oria, Heteanina, mpanomponao koa mba maty.» Dia hoy i Davida tamin’ilay iraka: «Izao no lazao amin’i Jôaba: Aza malahelo loatra amin’izany ianao, fa mbetika ny iray mbetika kosa ny hafa no asian’ny sabatra. Ka ampitomboy ihany ny hamafin’ny famelezana ny tanàna, dia ravao izy. Ary ianao koa mba mankahereza azy.» Nony ren’ny vadin’i Oria fa maty ny lahy, dia nitomany izy. Ka nony afa-tsaona ravehivavy dia nampanalain’i Davida sy noraisiny ao an-tranony. Tonga vadiny izy ary niteraka zazalahy taminy. Ary tsy sitrak’i Iaveh izany zavatra nataon’i Davida izany. Nasain’i Davida nanontaniana hoe: «Iza io vehivavy io?» ka izao no nolazain’ny olona azy: «Io no Betsabea, zanaka vavin’i Eliama, vadin’i Oria, Heteanina.» Dia naniraka olona haka azy i Davida ka tonga tao aminy izy dia nandry taminy izy. Nandio tena ho afaka amin’ny halotoany ravehivavy, dia nody tany an-tranony,
Kanjo, raha ilay nanolotra izany hohaniny iny izy, dia nosavihiny ka hoy izy taminy: «Avia handry amiko, ranabavy.» Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, ranadahy, aza manala baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’i Israely izany, ka aza manao izany zava-betaveta izany. Izaho moa dia aiza no halehako hitondra ity henatro? ianao kosa dia ho toy ny anankiray amin’ny olona vetaveta amin’i Israely. Koa aoka hiteny amin’ny mpanjaka ianao, fa tsy handà ny hanome ahy ho anao izy!» Tsy nety nihaino ny feony anefa izy, fa mahery noho razazavavy izy, ka nanaovany an-keriny io, dia nandriany.
Ny rano avy amin’ny lavaka famorian-dranonao no sotroy, ny rano mandeha avy amin’ny fantsakanao. Tsy hipariaka any ivelany anie ny loharanonao; ary tsy handeha any amin’ny kianja anie ny sakeli-dalanao! Aoka ho anao irery izy, fa aza iombonana amin’ny hafa. Hosoavina anie ny loharanonao, ary ny vadin’ny fahatanoranao no ataovy fifalianao. Fa serfa vavy mahatehotia izy ary gazela mahafinaritra, ka aoka ny hasoany hiravoravoanao lalandava, ary ho raiki-pitia azy mandrakariva ianao!
Hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy izy, dia amin’ny lela mandrobon’ny vehivavy an’olon-kafa. Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao. Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy. Mety hisy ve ny olona toy izao: hisy olona hanao afo amin’ny tratrany, ka tsy ho may ny akanjony? Na hoe hisy olona handeha ambony vain’afo mivaivay, ka tsy ho may ny tongony? Toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany: rehefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.
Ambosiny amin’ny teny maro eo izy, ary taominy amin’ny tenin’ny molony; dia rafitra nanaraka azy miaraka amin’izay izy, tahaka ny omby entina hovonoina, tahaka ny adala mihazakazaka ho any amin’ny gadra anasaziana azy, mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin’ny atiny; tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika, tsy mahalala fa mihatra amin’ny ainy izany.
Mamy ny rano angalarina, ary fy ny mofo hanina am-piafenana! Tsy fantany fa misy ambiroa ao, ary efa any amin’ny fanambanin’ny Seoly sahady ny nasainy.
Lavaka lalina ny vavan’ny vehivavy an’olon-kafa; izay mahatezitra an’i Iaveh ho latsaka ao.
Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao, mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro, dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao, fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity, sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.
Hanoroka ahy amin’ny fanorohan’ny vavany anie izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao; soa ny hanitry ny zava-manitrao, diloilo mamerovero ny anaranao, izany no itiavan’ny zatovo vavy anao. Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
Hanondana ahy anie ny tanany havia, ary hanohona ahy ny tanany ankavanana. Ry zanaka vavin’i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao! Mitete tantely ny molotrao, ry voafofo; ny tantely sy ny ronono dia ao ambany lelanao, ary sahala amin’ny fofon’i Libàna, ny fofon’ny fitafianao. Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy, loharano voahidy, fantsakana voaisy tombokase.
Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an’i Karmela, ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena; voasinton’ny fiolikoliny ny mpanjaka. Soa loatra ity ianao, mahafinaritra ity ianao, ry fitiavako ao anatin’ny fahafinaretana. Ny tsangananao manahaka ny fototr’andrendry, ary ny nononao, no toy ny sampahony. Ka hoy aho: Hananika ny fototr’antrendry aho, dia handray ny sampahony. Aoka ny nononao ho tahaka ny sampahom-boaloboka; ny hanitry ny fofon’ainao, ho toy ny an’ny pôma;
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga! Iza no hanihaninareo? Iza no isanasanànareo vava sy itranganareo lela? Tsy zanaky ny mpanao ratsy va ianareo, sy taranaka mpandainga? Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta, sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin’ny tsefatsefa-karambato!
Nivarina tamin’ny zanak’i Ejipta, nifanila fonenana taminao, dia tamin-dry zareo matanja-batana ianao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao, hampahatezitra Ahy.
Satria naka vadin’olona izy ary misy ra ny tanany; fa nitolo-tena hiraikitra amin’ny sampin-dozan’ireny; ny zanany aza izay naterany tamiko, nampamakiny ny afo, mba hohanin’ireny. Izao koa ny nataony: Ny fitoerako masina, nolotoiny, tamin’izany andro izany, ny sabatako notevatevainy. Nony namono ny zanany ho an’ny sampin-dozany indray izy, dia niditra ao amin’ny fitoerako masina, androtr’izay ihany, mba hanevateva azy! Izany no nataony tao anatin’ny tranoko.
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe. Aza mijangajanga Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Satria ny fo no iavian’ny hevitra ratsy, ny famonoana olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampangalainga, ny vava ratsy;
Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe: Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy: dia ny fakàm-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zava-dratsy rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.»
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao, dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra; noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa; koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.»
Dia hoy i Jesoa taminy: «Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganana avy any amin’ny maty kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina,
Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen! Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.
Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin’ny tenanareo mety maty, amin’ny fanarahana ny filàn-dratsiny; ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an’ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an’Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.
Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atỳ aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny Jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!
Ny hanina, ho an’ny kibo; ny kibo ho an’ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin’Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa an’ny Tompo; ary ny Tompo, ho an’ny vatana.
Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra. Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.
Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin’ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao ka tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; fa ny lehilahy izay manam-bady kosa, miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona. Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady. Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy. Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon’izay tsy mampanambady azy. Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin’izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
nefa raha tsy mahafehy tena izy, dia aoka hanambady, satria aleo manam-bady toy izay maimay.
Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady. Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy. Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon’izay tsy mampanambady azy.
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny Tempolin’Andriamanitra sy ny sampy?
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra.
Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo,
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana, sy ny hahaizanareo tsirairay avy, manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja, fa tsy amin’ny filàn-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny Jentily izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Andosiro ny filàn’ny tanora fanahy; ary mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana amin’izay miantso ny Anaran’ny Tompo amin’ny fo madio.
mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokantranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.
Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filàn-dratsiny, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.
Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.
Ampy ny nanarahanareo ny fanaon’ny Jentily fahizany, izay nanarananareo fo tamin’ny fitondran-tena ratsy, fanirian-dratsy, fimamoana, fihinanana amam-pisotro tafahoatra, ary ny fanompoan-tsampy mahameloka indrindra.
Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina.
indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,
Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Toy izany i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin’ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.
Manan-teny kely aminao anefa Aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran’i Balaama, izay nanome fo an’i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan’ny zanak’i Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.
Manan-teny kely aminao anefa Aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin’ny sampy. Efa nomeko andro hibebahana izy, nefa tsy mety mibebaka amin’ny fijangajangany. Ka indro hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary hozoim-pahoriana lehibe izay mijangajanga aminy, raha tsy mibebaka amin’ny asa nampianarin-dravehivavy azy.
tsy nisy nibebahany koa na ny vonoana olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon’izy ireo.
Ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;
Dia nanatona ahy ny iray tamin’ny Anjely fito nitondra kapoaka fito, ka nanao tamiko hoe: «Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin’ny rano lehibe maro, ny dimy moa efa lavo, ny iray dia eo, ny iray mbola tsy tonga, ary rehefa tonga izy dia tsy maintsy hitoetra kelikely. Ny Biby izay teo kosa, nefa tsy eo intsony, no fahavalo, sy anisan’izy fito ihany, ary mankany amin’ny fahaverezana. Ireo tandroka folo efa hitanao indray, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana, nefa handray fahefan’ny mpanjaka sy hiara-manjaka ora iray amin’ny Biby. Miray hevitra izy ireo, ary manolotra ny hery amam-pahefany amin’ny Biby. Hiady amin’ny Zanak’ondry izy rehetra, nefa ho resin’ny Zanak’ondry, satria Izy no Tompon’ny tompo, sy Mpanjakan’ny mpanjaka, ary ny voaantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba Azy. Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro. Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo. Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny, sy hanome ny fanjakany ho an’ny Biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra. Ary Ravehivavy hitanao no ilay tanàna lehibe, izay mifehy ny mpanjakan’ny tany. izay nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, sy nahamamo ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divain’ny fijangajangany.»
Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»
Satria ny firenena rehetra nisotro ny divaim-pahatezerana noho ny fijangajangany; ny mpanjakan’ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpivarotra etỳ an-tany nahazo harena tamin’ny filibàny amin’ny zava-mahafinaritra azy nihoa-pampana.»
Hitomany azy sy higogogogo ny mpanjakan’ny tany, izay nijangajanga taminy, sy niara-niliba taminy tamin’ny fahafinaretan’ny nofo, rehefa mahita ny setroky ny fandoroana azy.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany. Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
fa lavaka lalina, ny akangavavy, ary lavaka famorian-drano ety, ny an’olon-kafa. Mamela-pandrika toy ny hihaza remby izy, ary mampitombo isa ny mpivadika ao amin’ny olombelona.
Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.
Ampandreneso fifaliana amam-piravoravoana aho, dia hifaly ny taolako izay efa novakivakinao.
Izao anefa: samia ihany mandeha araka ny anjara nomen’ny Tompo azy avy, sy araka ny niantsoan’Andriamanitra azy avy; sy araka ny fitsipika omeko ny Eglizy rehetra.
Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
sy ny hahaizanareo tsirairay avy, manana ny fanaky ny tenanareo amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja,
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy, mba hanamasina azy rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny rano sy ny teny izy, ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.