Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 9:9 - Baiboly Katolika

9 Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao, mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro, dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao, fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity, sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Miravoravoa amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra mandalo foana izay nomeny anao etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ny andro iainanao sy amin’ny fisasarana izay isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Ankamamio ny miaina miaraka amin’ilay vady malalanao mandritra ny andro mihelina rehetra omen’Andriamanitra hiainanao etỳ ambonin’ny tany. Fa izany no anjaranao amin’izao fiainana izao sy amin’ny fisasaranao etỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ankamamio ny miaina miaraka amin’ilay vady malalanao mandritra ny andro mihelina rehetra omen’Andriamanitra hiainanao etỳ ambonin’ny tany. Fa izany no anjaranao amin’izao fiainana izao sy amin’ny fisasaranao etỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Miravoravoa amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin’ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ny andro iainanao sy amin’ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao atỳ ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao atỳ ambanin'ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 9:9
14 Rohy Ifampitohizana  

Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina. Ka indro i Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.


Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona; tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.


Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako, dia ny fetry ny androko, hahafantarako ny maha-mora levona ahy.


Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.


Trano sy herana no lova amin’ny ray; fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.


Izay rehetra nirin’ny masoko, tsy nisy noesoriko taminy; izay mety ho fifaliana, tsy misy nolaviko tamin’ny foko; fa nifaly tamin’ny asako rehetra ny foko, ary izany no anjarako tamin’ny asako rehetra.


Tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra noho ny mihinana sy misotro, ary ny mampanarana ny fanahiny amin’ny fiadanana, eo amin’ny fanaovana ny asany. Izany indray koa efa hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.


ary fantatro koa fa matoa misy olona mihinana sy misotro, sady mahita fiadanana amin’ny asany rehetra, dia fanomezan’Andriamanitra izany.


Ka dia hitako fa tsy misy soa ho an’ny olombelona, mihoatra ny mifaly ao amin’ny asany; fa izany no anjarany. Fa aiza moa no mety hahafantarany izay ho avy any aoriany?


Fanampin’izany koa, ny olona rehetra mandray vola aman-karena tamin’Andriamanitra hahazoany mihinana sy maka izay anjarany amin’izany ary mifaly amin’ny asany: dia fanomezan’Andriamanitra izany.


Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity; dia amin’izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin’ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?


Izao rehetra izao no efa samy hitako, tamin’ny andron’ny hatsinontsinoko. Misy marina, maty amin’ny fahamarinany; ary misy ratsy fanahy ela velona amin’ny faharatsiany!


Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra