Sarotra ny mieritreritra hoe tsy eo intsony ilay olona tianao sy manan-danja aminao, tsy afaka miresaka, mihomehy, na mizara fotoana tsy hay hadinoina intsony. Mandalo fotoan-tsento sy alahelo isika rehetra. Tsara ny mitomany sy mahatsiaro ho ory amin'ny fotoana toy ireny, tsy fahotana izany. I Jesosy aza nitomany rehefa nilazana fa maty i Lazarosy sakaizany (Jaona 11:35).
Tena ilaina ny maneho ny alahelo tsapanao. Na eo aza anefa izany alahelo sy sento rehetra izany, tsy tokony havelantsika handresy antsika izany. Eo Andriamanitra hanampy anao, hamafa ny ranomasonao, hampionona ny fonao ary hamerina indray ny tsiky eo amin'ny molotanao. Avelao fotsiny Izy hanao izany. (2 Korintiana 1:3) Isaorana anie Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.
Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.
Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo.
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany.
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Ianao no trano mimanda ho an’ny osa, trano mimanda ho an’ny mahantra anatin’ny fahoriany, fialofana amin’ny hainandro midaindaina, fa ny fifofofon’ny mpanao jadon’ny mpanjaka dia toy ny ranonoram-baratra miantonta amin’ny ampiantany.
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: «Mangina, mitonia.» Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.
Tsy efa nodidiako ianao va amin’ny hoe: matanjaha ary mahereza fo; aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitrao no momba anao na aiza na aiza halehanao.»
Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany. Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra. Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh, ary mamonjy izay rera-panahy Izy. Te hisaotra an’i Iaveh mandrakariva aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. Iharam-pahoriana matetika ny marina, fa esorin’i Iaveh amin’izany rehetra izany kosa.
Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana. Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra, araka ny hareny, sady hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorîna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro;
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra. Koa ario ny fahalotoanareo rehetra, sy ny faharatsiana rehetra; ary raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo. Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny, Satria, izay mihaino ny teny nefa tsy manatanteraka azy, dia toy ny olona mijery ny tarehiny ao amin’ny fitaratra: vantany vao hitany ny tenany dia lasa izy, ka hadinony miaraka amin’izay ny toe-tarehiny. Fa izay mandinika ny lalàna lavorary kosa, dia ny lalàn’ny fahafahana, ka tsy mba mpihaino manadino fotsiny, fa mpanatanteraka sy maharitra tokoa, dia ho sambatra amin’ny fanaovany an’izany. Raha misy mihambo ho mpivavaka nefa tsy mahafehy ny vavany, dia mamita-tena izy, fa foana ny fivavahana ataony. Izao no fivavahana madio sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra Ray: ny manampy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany; ary ny miaro tena tsy ho voaloton’izao tontolo izao. satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»
Jereo aho, ka amindrao fo, fa manirery aho, ka mahantra. Mihalehibe ny fahorian’ny foko, afaho amin’ny fahaporetako aho!
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha. Ny fahoriana tsy hihatra aminao, tsy hisy loza hanakaiky izay lainao akory. Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao. Hanitsakitsaka ny liona sy ny aspìka ianao, hanosihosy ny liona tanora mbamin’ny dragona ianao. Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho. Hovokisako andro lava izy, ary hanehoako ny famonjeko. Hoy aho amin’i Iaveh: «Ianao no trano mimandako sy fialofako, Andriamanitro izay itokiako.»
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Niantso an’i Iaveh, tao anatin’ny fahoriako aho; ary namaly ahy i Iaveh, ka nampahalalaka ahy. I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.
Tsy nisy fakam-panahy namely anareo afa-tsy izay zakan’ny olombelona ihany; ary mahatoky Andriamanitra, ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo, fa isam-pakàm-panahy dia hasiany fialana tsara mba hahazakanareo azy.
Raha mizotra eo afovoan’ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tanana hanohana ny hatezeran’ny fahavaloko Ianao, ary mamonjy ahy ny tananao ankavanana.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
Nataon’i Davida. I Iaveh no fahazavako amam-pamonjena ahy; ka iza no hatahorako? I Iaveh no mandan’ny aiko ka zovy no hangovitako?
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; hanao aminy hoe: «Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?» fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny entako.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany; ny ratsy fanahy kosa avarina amin’ny loza.
Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao no eo amiko; ny tsora-kazo aman-tehinao no mahafa-tahotra ahy.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Miderà an’i Iaveh ianareo izay matahotra Azy! manomeza voninahitra Azy ianareo rehetra taranak’i Jakôba, manajà Azy ianareo rehetra taranak’i Israely!
Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy; nampiditra anay tamin’ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay. Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy ampahorin’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo, ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Rain’ny famindram-po, ary Andriamanitry ny fanalana alahelo rehetra, Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona. Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.
Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Salamo. Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô! tsy hotanako miafina ato am-poko ny fahamarinanao; hitory ny tsy fivadihanao amam-pamonjenao aho, ary tsy hangina manafina ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, eo amin’ny fivorian-dehibe. Tsy hanampina ny famindram-ponao amiko anie Ianao, ry Iaveh! hiambina ahy mandrakariva anie ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao! Fa itangoronan-doza tsy hita isa aho, voasambotry ny fahotako aho ka tsy mahajery; maro isa noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko. Ry Iaveh ô, mba ankasitraho ny hanafaka ahy! Ry Iaveh ô, faingàna hamonjy ahy! Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona! Ho ankona noho ny fahamenarany anie ireo manao amiko hoe: «Hia, hia!» Hifaly sy hiravoravo aminao kosa anie, izay rehetra mitady Anao! Aoka hilaza mandrakariva hoe: «Voninahitra anie ho an’i Iaveh!» ireo tia ny famonjenao. Ory sy mahantra aho; fa ny Tompo no hiahy ahy. Ianao no vonjiko sy mpanafaka ahy: ka aza ela, ry Andriamanitra ô! I Iaveh no nametrahako ny fanantenako rehetra; nitongilana tamiko Izy, nihaino ny fitarainako. Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.
Raha akorontan’ny ahiahy maro be ny saiko: Ampifalian’ny fampiononanao kosa ny fanahiko.
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
Samy misy fotoana voatendry ho azy avy ny zavatra rehetra; misy fotoana ho azy avokoa ny zavatra atỳ ambany masoandro:
Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
mamely ahy tontolo andro ny mpanohitra ahy, maro izy ireo miandranandrana miady amiko. Rehefa azon-tahotra aza aho, dia mitoky aminao.
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
I Iaveh no heriko sy fihirako; Izy no famonjena ahy. Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh.
Tsy havelany ho tafintohina ny tongotro; tsy ho rendremana ilay miambina anao. Tsia, tsy rendremana na matory ilay miambina an’i Israely.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. I Iaveh no itokiako; ka ahoana no ilazanareo amin’ny fanahiko hoe: Mandosira any an-tendrombohitrareo toy ny vorona?
izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»
Fihirana fiakarana. Ato ambody hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh, Tompo ô, henoy ny feoko; aoka ny sofinao anie hihaino ny feon’ny fivavahako.
Ianao no fialofako; hiaro ahy amin’ny fahoriana Ianao, hodidininao hiram-pamonjena aho. - Selà
Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa. Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Miakatra amin’ny avo, mitondra ny babo betsaka Ianao; mandray ny fanatitra avy amin’ny olona Ianao. Ny mponina avy no honina eo akaikin’i Iaveh Andriamanitra.
Dia nanatona namoha Azy izy ireo ka nanao hoe: «Ry Mpampianatra! Ry Mpampianatra! maty izahay!» Dia nitsangana Izy, nandidy ny rivotra sy ny onjan-drano, ka nitsahatra ireo ary nitony tsara ny andro.
Ry malala, aza gaga amin’izany toa afo nirehitra tao aminareo ka nanjò anareo ho fitsapan-toetra, na mihevitra izany ho zavatra tsy fahita; fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay nanome antsika ny fandresena, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
Avy tamin’i Iaveh no iavian’ny famonjena ny marina; mpiaro azy amin’ny andron’ny fahoriana Izy. I Iaveh no ataovy firavoravoanao, dia omeny anao izay irin’ny fonao. I Iaveh no tonga manampy sy manafaka azy; manafaka amin’ny ratsy fanahy sy mamonjy azy Izy, satria Izy no nataony fototry ny fitokiany.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’izay alehanao rehetra: ka hivimbina anao eny an-tanany ireo, fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.
Mifalia, amin’ny andron’ny fahasambarana, ary mieritrereta, amin’ny andron’ny fahoriana: fa samy nataon’Andriamanitra ireo, mba tsy hahafantaran’ny olona izay tsy maintsy hihatra aminy.
Fa ny vahoaka voaetry, vonjenao, ary ny misolanandrana kosa aetrinao. Eny, Ianao no mampirehitra ny faniloko; i Iaveh Andriamanitro no manazava ny haiziko.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa, mba hiarahanareo mankalaza an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, amin’ny fo iray sy vava iray.
Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,
Fa i Iaveh Tompo namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afovato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Aoka isika hitoetra tsy azo hozongozonina amin’ny fanarahana ny fanantenantsika, fa mahatoky Ilay nanao ny fampanantenana.
Hahita izany ny marina, dia hatahotra, ka hihomehy azy hoe: io no olona tsy nanao an’Andriamanitra ho mandany, fa nitoky tamin’ny habetsahan’ny hareny, sy nihambo tamin’ny haratsiany!
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.
Fa Ianao efa nanisy hafaliana tao am-poko mihoatra noho ny azy ireo, amin’ny fotoana mahabetsaka ny variny aman-divay vaovao.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny Amiko; mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra, satria tahaka izany koa no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.»
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Fihirana fiakarana Fony i Iaveh nampody ny voababon’i Siôna, dia toa nofy izany ho antsika. Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.» Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa i Iaveh; ka revon-kafaliana isika.
Fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, mitantana anao amin’ny tanana ankavanana, milaza aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no tonga mamonjy anao.»
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Miverina ho any amin’ny Seoly ny ratsy fanahy, ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra.
Ny olona manomana ny soavaly ho amin’ny andro hiadiana, fa i Iaveh ihany, no iankinan’ny fandresena.
Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy i Iaveh ihany? ary zovy no vatolampy afa-tsy ny Andriamanitsika?
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Torivalo. Hiran’i Davida. Vonjeo, ry Iaveh ô! fa mihafongotra ny tia vavaka: mihafoana tsy ho eo amin’ny zanak’olombelona ny mahatoky.
Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy Ianao: ny tananao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tananao ankavanana no hihazona ahy. Ka milaza aho hoe: «Ny haizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...» Tsy misy maizina ho Anao, na ao amin’ny haizina aza, mamiratra toy ny andro ho Anao ny alina, ary ny haizina toy ny fahazavana. Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany. Tsy niafina taminao ny tenako, tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina, voatenina tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany. Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory. Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany! Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany! Andriamanitra ô, tsy handringana ny ratsy fanahy va Ianao? Mialà amiko ianareo mpandatsa-dra! fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra. Fiteny mahameloka no iresahany Anao, manonom-poana ny Anaranao ireo fahavalonao ireo. Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao? Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho. Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay. Ianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, asa mahazatra anao ny lalako rehetra.
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay, no handavorary sy hampiorina ary hanamafy anareo, rehefa miaritra kelikely ianareo.
Eny, mandalo toy ny aloka ny olona; eny, tsy misy asany ny fikofokofohany; manangona izy, nefa tsy mahalala izay handray izany.
Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.
Ary noho isika mandray fanjakana tsy azo hozongozonina, dia tano mafy ny fahasoavana, hoentintsika manao fanompoam-pivavahana ankasitrahin’Andriamanitra amim-panajana sy fahatahorana Azy.
Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.»
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
Raha tsy ny lalànao no nataoko fahafinaretako, dia efa maty tamin’ny fahoriako aho toy izay.
Henoy ny fivavahako, ry Andriamanitra, atongilano ny sofinao amin’ny teny aloaky ny vavako.
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mitondra ny mavesatra entana, fa hanamaivana anareo Aho.
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
Fa ho anay, ny fahoriana kely amin’ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay;
mihazakazaka hahatratra ny marika aho, mba hahazoako ny loka izay iantsoan’Andriamanitra ahy eny ambony eny, ao amin’i Kristy Jesoa,
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pahatokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?
Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Rehefa mahita izany ny mahantra dia hifaly; ary ho velom-bolo koa ny fonareo mitady an’Andriamanitra.
Fahoriana be no anjaran’ny ratsy fanahy; fa fahasoavana kosa no manodidina an’izay matoky an’i Iaveh. Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!
Atreho ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Ianao no andefasako ny fivavahako.
Ho an’ny mpampianatra hira... Iditona. Salamon’i Asafa . Hadinon’Andriamanitra va ny famindram-pony? Notsoahany noho ny fahatezerany va ny indrafony? - Selà Hoy aho: «Izao no dia mankararirary ahy: niova ny tanana ankavanan’Andriamanitra!» Te-hampahatsiaro ny asan’i Iaveh aho fa mahatsiahy ny asanao mahagaga fahiny. Tiako ny mieritreritra ny asanao rehetra, sy mandinika ny zava-dehibe nataonao. Andriamanitra ô, masina ny lalanao, zovy moa no Andriamanitra lehibe tahaka ny Andriamanitsika. Ianao no Andriamanitra mahavita fahagagana, naneho ny herinao tamin’ny firenena Ianao. Navotanao tamin’ny sandrinao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba sy i Josefa. - Selà Nahita Anao ny rano, ry Andriamanitra ô, nahita Anao ny rano dia nangovitra; nihoviotrovotra ny hantsana. Nandatsaka ny ranony ny rahona, nikotrokotroka ny feon’ny rahona, dia nifanaretsaka hatraiza hatraiza ny zana-tsipìkanao. Nanakoako tao amin’ny tadio ny varatrao, nanazava izao tontolo izao ny tsela-baratra; nihoron-koditra sy nihorohoro ny tany. Miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko, ka mitaraina aho; miakatra ho any amin’Andriamanitra ny feoko: aoka hihaino ahy anie Izy.
Ary izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Arovy ny fanahiko, ary vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa Ianao no nametrahako ny fitokiako.
Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy;
Hiaro anao amin’ny ratsy rehetra i Iaveh, hiaro ny fanahinao Izy. Hiaro anao i Iaveh, na mivoaka na miditra ianao, hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Fa indray mipi-maso no aharetan’ny fahatezerany, ary mandritra ny andro iainana ny fahasoavany; ny hariva no tonga ny fitomaniana, ary ny maraina kosa misy ny fifaliana. Hoy aho, raha mbola be ny tokiko: Tsy hangozohozo mandrakizay aho.
Tohano araka ny fampanantenanao aho, mba ho velona, ary aza avela hahazoako henatra ny fanantenako.
Dia Andriamanitra izay tsy mivadika kosa, no hankahery anareo sy hiaro anareo amin’ny ratsy.
Izy io moa no tanantsika mova tsy vato fantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba,