Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 14:30 - Baiboly Katolika

30 Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Rehefa hitany fa nahery ny rivotra dia natahotra izy, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantsoantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

30 Kanjo nony hitan’i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe: –Tompo ô, vonjeo aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Kanjo nony hitan’i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe: –Tompo ô, vonjeo aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Rehefa hitany fa nahery ny rivotra dia natahotra izy, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantsoantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:30
17 Rohy Ifampitohizana  

Nifoha maraina koa kosa ny mpanompon’ny olon’Andriamanitra, ka nivoaka, ka indro antoko-miaramila anankiray manodidina ny tanàna omban-tsoavaly aman-kalesy. Ary hoy ilay mpanompo tamin’i Elisea hoe: «Indrisy tompoko, ahoana no hataontsika?»


Tsy matahotra aho, eo anoloan’ny vahoaka tsy tambo isaina, izay mivangongo manodidina ahy hatraiza hatraiza.


Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.


Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: «Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?»


Miambena ianareo, ary mivavaha, mba tsy ho latsaka amin’ny fakam-panahy. Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra