Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 14:29 - Baiboly Katolika

29 Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely i Petera ka nandeha teo ambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

29 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Dia novalian’i Jesoa hoe: –Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary hoy Izy: Manatòna. Dia nidina niala tamin’ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ny rano hanatona an’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 14:29
10 Rohy Ifampitohizana  

Namaly i Piera nanao hoe: «Raha ianao àry, Tompo, asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.» «Avia» hoy Izy.


Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»


Iny karazana iny anefa tsy azo roahina raha tsy amin’ny fivavahana sy amin’ny fifadian-kanina.»


Ary i Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: «Izaho milaza marina aminareo, fa raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy ny natao tamin’ny aviavy ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hilazanareo hoe: ‹Mialà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina›, dia ho tonga izany.


Niaraka tamin’izay, dia sady niantso mafy ny rain-drazazalahy no nanao an-dranomaso hoe: «Mino aho, Tompoko, fa vonjeo re ity tsy finoako.»


Fa hoy ny Tompo: «Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: ‹Miongòta, ka mifindrà any anatin’ny ranomasina›, dia hanaiky anareo izy.»


Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io; eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao.


Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany) sy izato kibon’i Sarà efa ritra aina.


Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra