Mahery ny fifonana rehefa atao amin'ny herin'Andriamanitra. Miezaka mahatsapa ny manjo ny hafa ianao rehefa mifona. Mila faharetana, finoana ary vavaka masina eo anatrehan'Andriamanitra ianao. Mifona ho an'izay ilain'ny rahalahinao mba hidiran'ny herin'Andriamanitra.
Tsy tokony hatao tsirambina ny famakiana Baiboly. Mila mailo sy miambina hatrany ianao. Tsy tokony ho mpikomy ianao. Aza atao ambanin-javatra ny fahafolonkarena sy ny fanatitra. Ary tsy tokony hieboebo na hanambony tena mihitsy.
Atao am-pitiavana ny fifonana, miaraka amin'ny fitarainana sy sento eo anatrehan'Andriamanitra, mivavaka ho an'ny ain'ny hafa. Rehefa mifona ianao dia mety hahatsapa mihitsy ny fijaliany sy ny zavatra ilainy. "Mivavaha mandrakariva amin'ny fanahy rehetra amin'ny fivavahana sy ny fangatahana rehetra, ary miambena amin'izany amin'ny faharetana rehetra sy ny fifonana ho an'ny olona masina rehetra" (Efesiana 6:18).
Na dia mandeha anatin’ny vatana aza izahay, dia tsy miady ara-batana; satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an’Andriamanitra handrava manda.
Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
Antsoy Aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina izay tsy fantatrao.
satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an’Andriamanitra handrava manda.
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo. Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.
Ary izao koa no lazaiko aminareo: raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany, na inona na inona angatahiny, dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Dia niverina nankany amin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Indrisy, efa nahavita heloka be vava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo. Ary ankehitriny avelao re ny helony; fa raha tsy izany, vonoy ny anarako ao amin’ny bokinao izay nosoratanao.»
Aza manahy na inona na inona; fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana, izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Na dia mandeha anatin’ny vatana aza izahay, dia tsy miady ara-batana; satria tsy fiadiana ara-batana no iadianay, fa mahery araka an’Andriamanitra handrava manda. Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Ny angatahiko voalohany indrindra àry, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra,
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Avy amin’Andriamanitra ianareo, anaka, sady efa nandresy an’ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
fa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho lavo ny finoanao, ary rehefa mibebaka ianao dia hamafiso ny rahalahinao.»
Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina. Aza miraika, fa misikìna fahamarinana, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
indrindra fa raha manampy anay amin’ny fivavahana koa ianareo; dia ho maro ny mpisaotra noho ny fahasoavana azonay, satria maro no nangataka nahazoanay azy.
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
Fa ny nofo manam-pilana mifanohitra amin’ny an’ny fanahy, ary ny fanahy manana ny azy mifanohitra amin’ny an’ny nofo: koa mifanohitra izy roroa, hany ka tsy mahefa izay tianareo ianareo.
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin’ny sofin’i Iaveh ny vahoaka. Nandre an’izany i Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin’izy ireo ny afon’i Iaveh, ka may ny teny an-tsisin’ny toby. Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany, isam-pianakaviany avy, eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’i Iaveh. Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity? Izaho va no torontoronina an’ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy? Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay. Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra. Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.» Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Anangony 70 lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ao amin’ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao. Fa hidina Aho, ka hiteny aminao Aho; ary haka amin’ny fanahy izay ao aminao Aho, ka hametraka izany ao amin’izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy. Izao no lazao amin’ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin’ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina ianareo, fa nitomany ka ren’ny sofin’i Iaveh ianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! Koa homen’i Iaveh hena ianareo, dia hihinananareo izany. Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany, Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.
Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voafehy any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ ambonin’ny tany dia ho voavaha any an-danitra.
ary tsy miraika na inona na inona afitsoky ny fahavalo: ka mariky ny fahaverezana izany ho azy ireo, fa mariky ny famonjena kosa ho anareo, sady avy amin’Andriamanitra izany.
Dia mba anomano trano hitoerako koa aho, fa noho ny vavaka ataonareo dia manantena aho fa haverina aminareo.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.
Koa raiso avokoa àry ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra amin’ny andro ratsy, dia hijoro tsara ianareo rehefa niala nenina. Aza miraika, fa misikìna fahamarinana, tafio ny rariny ho fiarovan-tratra, kiraroy fahavononan-kitory ny Evanjelim-pihavanana ny tongotrareo; fanampin’ireo rehetra ireo, dia ny finoana no raiso ho ampinga hamonoanareo ny tsipìk’afo rehetra alefan’ilay ratsy. Raiso koa ny fanantenam-pamonjena ho fiarovan-doha, ary ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy. Ataovy lalandava ao amin’ny Fanahy ny fangatahana amam-pifonana rehetra, amin’izany dia miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra;
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana, sady nasehony miharihary ho fizàhan’ny olona ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.
Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.
Fa tsy fanahy osa no nomen’Andriamanitra antsika, fa fanahy mahery sy be fitiavana ary mahonon-tena.
Nataon’i Davida. Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko, izay nampianatra ny tanako hiady, ary ny rantsan-tanako hiantafika.
Miareta ny anjara fijalianao amin’ny maha-miaramila tsaran’i Kristy Jesoa anao. Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao;
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina, fa tafio ny fiadian’ny mazava.
Fahiny dia matin’ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo, Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika. Tsarovinareo Jentily araka ny nofo àry, dia ianareo antsoin’ny voaforan-tanana hoe tsy voafora, fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa, Satria aminy no fahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany. Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana. ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra. Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany.
ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana.
Nanaraka izany, dia indro hitako nisokatra ny lanitra, ary nisy soavaly fotsy niseho teo; Mahatoky sy Marina no anaran’ilay nitaingina azy, ary ara-drariny no itsaràny sy iadiany; tahaka ny lelafo ny masony, ary satroboninahitra maro no teny an-dohany; nisy anarana voasoratra teny aminy, izay tsy nisy nahalala afa-tsy izy irery; akanjo nipentina ra no niakanjoany, ary ny TENIN’ANDRIAMANITRA no anarany; nanaraka azy ny tafiky ny lanitra, soavaly fotsy no nitaingenan’ireo ary rongonim-bazaha fotsy madio no nitafiany; nisy sabatra marani-dany roa nivoaka avy ao am-bavany, mba hamelezany ny firenena, ary hifehy azy amin’ny tsora-by izy, sady ny tenany ihany no hanitsaka ny famiazana ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra tsitoha; izao no anarany voasoratra tamin’ny lambany sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.