Ry sakaiza, andeha isika hiresaka kely momba ny fahavetavetana. Rehefa mamaky Baiboly isika dia mahita fa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, zavatra lazainy ho fahavetavetana. Tsy inona izany matetika fa ireo fombafomba fanompoan-tsampy, toy ny fivavahana amin’ny andriamani-diso na ny fandraisana anjara amin’ny fombafomba mpanompo sampy.
Efa hatrany amin’ny Testamenta Taloha Andriamanitra dia nampitandrina ny olony mba hiala amin’ireny fomba ratsy ireny satria mifanohitra amin’ny sitrapony sy ny fikasany ho azy ireo izany. Raha mijery ny Deoteronomia 18:9-12, ohatra, dia voalaza mazava tsara fa fahavetavetana eo imason’Andriamanitra ny filalaovana ody sy ny majika.
Ao amin’ny Testamenta Vaovao koa, Jesosy dia nampianatra antsika momba ny fahadiovana sy ny fahamasinana. Nasehony fa misy fihetsika sasany izay fahavetavetana eo imasony. Ao amin’ny Matio 15:18-20, ohatra, dia nohazavain’i Jesosy fa izay mivoaka avy amin’ny vavan’ny olona no mahaloto azy, satria avy ao am-po izany. Ny ratsy ao am-pon’ny olona, toy ny lainga, ny fitenenan-dratsy, na ny fijangajangana, no lazainy ho fahavetavetana.
Tian’Andriamanitra hiaina ao anatin’ny fahamasinana sy ny fankatoavana ny teniny isika, ka hialantsika izay rehetra heveriny ho fahavetavetana. Koa andeha isika hazoto handalina ny Baiboly, satria amin’ny alany no ahafahantsika mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy miala amin’izay rehetra mety ho fahavetavetana eo imasony. Izany no lalana hahazoantsika fiadanana sy fifaliana marina.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
Aza misy enti-manefa voady any an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao, na ny tangim-behivavy janga na ny hofan’alikalahy, fa samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao, ireo zavatra roa ireo.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo: «Ianareo dia mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra kosa.»
fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.
Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roaroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin’izy ireo ny rany.
Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany. Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»
ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.
Aza atao sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao ny omby na zanak’ondry manan-kilema na misy takaitra, satria fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany.
Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody, mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty; fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso. Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho.
«Aoka ny vehivavy tsy hitafy fitafian-dehilahy, ary aoka ny lehilahy tsy hitafy fitafiam-behivavy, fa izay rehetra manao izany dia fahavetavetana eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Fa izao no ataovy amin’izy ireo: ravao ny ôteliny, montsàny ny tsangam-batony, kapao ny aserîmany, ary doroy amin’ny afo ny sarin-javatra voasokiny;
Fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izay manao izany zavatra izany, dia izay manao ny zavatra tsy marina.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Nanorina ny fitoerana avon’i Baala tao an-dohasahan’ny taranak’i Hinôma izy, ka mandeha amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an’i Môlôka: nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany na zavatra mby tao an-tsaiko velively; nanao izany fahavetavetana izany izy hampanota an’i Jodà.
Efa nisy hatramin’ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin’ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Rehefa hitanareo voatsangana amin’ny fitoerana masina ny fametavetana lozan-tany nolazain’i Daniela mpaminany (aoka hihevitra ny mpamaky),
Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao. Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny. Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo.» «Amin’ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta:
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.
Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.
Halan’i Iaveh ny olona ratsy fo, fa izay tsy manan-tsiny amin’ny lalany dia ankasitrahiny.
I Jodà mpivadika, ary i Israely sy i Jerosalema nahavitana fahavetavetana; fa mandoto ny zava-boatokana ho an’i Iaveh, dia izay tian’i Iaveh, Jodà; nanambady ny zanaka vavin’ny andriamani-kafa izy.
Nandroso niavonavona izy ireo, ka nanao fahavetavetana teo imasoko; ary nony nahita izany Aho, dia nataoko tsy nisy intsony izy.
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
Ary hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, hitanao va ny ataon’izy ireo, dia izato fahavetavetana lehibe ataon’ny taranak’i Israely eto, mba hanalavirako ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe hafa koa ianao.»
dia tonga, dia miseho eto anatrehako indray, eto amin’ity trano iantsoana ny Anarako ity, ka manao hoe: ‹Ho afaka isika!› Ary ny mba hanao izany fahavetavetana rehetra izany no anton’izany.
Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina, dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana; Mipipy maso, mihehy amin’ny tongony, manao famantarana amin’ny rantsan-tanany. Ao am-pony ny faharatsiana, misaintsaina ny ratsy lalandava izy, ary manangana ady. Koa ho avy tampoka ny faharavàny; ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.
Lamba volomparasy sy jaky no nitafian-dRavehivavy, volamena sy vato soa ary voahangy no niravahany, ary kapoaka volamena feno zava-betaveta no teny an-tanany, dia ny zava-maloton’ny fijangajangany izany. Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: «Babilôna lehibe, Renin’ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin’ny tany.»
Aza mandoto ny zanaka vavinao amin’ny fampijangajangana azy, fandrao mivarilavo amin’ny fijangajangana ny tany, ka feno heloka.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»
Ny lalan’ny ratsy fanahy, fahavetavetana eo imason’i Iaveh; fa ny manaraka ny rariny, no tiany.
Fa ianareo kosa hitandrina ny lalàna amam-pitsipiko, ka tsy hanao amin’ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza, na ianareo tompon-tany na ny vahiny mitoetra eo afovoanareo. Fa ireo fahavetavetana rehetra ireo, no nataon’ny olon’izany tany izany, izay nonina tao talohanareo, ka izany no nahaloto ny tany. Ary ianareo tsy mba haloan’ny tany amin’ny fandotoana azy, toy ny nandoavany an’ireo firenena izay tao talohanareo; satria hofongorana amin’ny fireneny izay rehetra manao ireo fahavetavetana ireo, na dia iray aza. Aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Ejipta izay nonenanareo, ary aza manao toy ny ataon’ny any amin’ny tany Kanaana, izay hitondrako anareo; aza manaraka ny lalàn’ireny ianareo. Tandremo ny didiko mba tsy hanatanterahanareo na inona na inona amin’ireo fomba vetaveta fanao talohanareo, ka tsy handotoanareo ny tenanareo amin’izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Koa amin’izany, velona Aho - teny marin’i Iaveh Tompo; - noho ianao nandoto ny fitoerako masina tamin’ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; Izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo Aho.
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»
Nolotoin’ny mpanjaka ireo fitoerana avo tandrifin’i Jerosalema, amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra Fahaverezana, naorin’i Salômôna mpanjakan’i Israely, ho an’i Astarte fahavetavetan’ny Sidonianina sy ho an’i Kamosa fahavetavetan’ny zanak’i Amôna;
Nandoro zava-manitra teo an-dohasahan’i Beny-Hinôma izy, ary nampamakiny ny afo ny zanany, araka ny fahavetavetana fanaon’ireo firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Aza mandry amin’ny biby handoto tena aminy. Aoka ny vehivavy tsy hijanona eo anoloan’ny biby handoto tena aminy, fa zava-mahamenatra izany.
Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy, tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin’ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin’ny vain’afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sasan’izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo foana!
Ny soron’ny ratsy fanahy, dia fahavetavetana, indrindra fa raha sain-dratsy no anaterany azy.
Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;
dia ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, manendaka ny hoditra amin’ny vatana, sy ny nofo amin’ny taolana?
Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana; nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.
Homenàrina izy, fa nanao fahavetavetana, nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy», hoy i Iaveh.
Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
Tahaka ny voaloboka any an’efitra no ahitako an’i Israely; tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora no nahitako ny razanareo. Kanjo tonga tao Beelfegôra izy ireo, sy nanolo-tena ho an’ny sampy vetaveta, ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Fa manatòna, ianareo, ry zanak’ikala mpanao ody, ry taranaky ny mpaka vadin’olona sy mpijangajanga! Iza no hanihaninareo? Iza no isanasanànareo vava sy itranganareo lela? Tsy zanaky ny mpanao ratsy va ianareo, sy taranaka mpandainga?
Ary hoy koa izy tamiko: «Mbola ho hitanao ny fahavetavetana lehibe hafa, ataon’izy ireo.»
Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.
Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?
Halatsako am-pahoriana ny olona, ka hiraparapa toy ny jamba, satria nanota tamin’i Iaveh izy. Hiraraka toy ny vovoka ny rany, ary toy ny zezika ny nofony.
Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely; fa ao no ijangajangan’i Efraima, sy andotoan’i Israely tena.
Ny iray, manao fahavetavetana amin’ny vadin’ny namany; ny iray hafa, mifotitra mandoto ny vinantovaviny ao aminao; ary misy koa mametaveta ny anabaviny zanaka vavin-drainy.
Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Zava-betaveta sy mahatsiravina no atao amin’ny tany. Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»
Dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho, rehefa nataoko lao sy zary efitra ny tany, noho ny fahavetavetana rehetra nataony.
Ary voalohany aloha, dia hovaliako avo sasaka ny heloka amam-pahotany; satria izy ireo nandoto ny taniko, ny fatin-tsampiny sy ny fahavetavetany no namenoany ny lovako.»
Aza misy omenao hatolotra hodorana hankalazana an’i Môlôka ny zanakao; aza mametaveta ny Anaran’ny Andriamanitrao. Izaho no Iaveh.
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana.
Tsy nahalefitra mihoatra noho izay intsony i Iaveh, noho ny haratsian’ny nataonareo, sy noho ny fahavetavetana notanterahinareo, ka dia zary efitra lao, voaozona, ary tsy misy mponina ny taninareo, araka izao hita anio izao.
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe: Raha misy lehilahy maka vadin’olona, ka mandry amin’ny vadin’ny namany, dia hatao maty izy ireo ho valin’izany, na ralehilahy naka vadin’olona na ravehivavy nalainy. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drainy, ka manokatra ny fitanjahan-drainy dia hoheloin-ko faty izy roaroa, ka dia amin’izy ireo ny rany. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vinanto vaviny, dia hohelohin-ko faty izy roaroa, fa nanao zava-mahamenatra; ka dia amin’izy ireo ny rany. Raha misy lehilahy mandry amin-dehilahy toy ny fandry amim-behivavy, dia nanao zava-betaveta izy roaroa, ka dia hohelohin-ko faty; ka dia amin’izy ireo ny rany. Raha misy lehilahy mampirafy vehivavy mianaka, dia heloka be vava izany, ka samy hodorana amin’ny afo izy sy iretsy vehivavy, mba tsy hisian’izany heloka izany eo aminareo. Raha misy lehilahy miray amin’ny biby, izy hohelohin-ko faty ary ilay biby koa hovonoinareo. Raha misy vehivavy manota hijangajanga amin’ny biby, dia hovonoina na ravehivavy na ilay biby, dia hatao maty izy ireo, ka dia amin’izy ireo ny rany. Raha misy lehilahy maka ny anabaviny zanaka vavin-drainy, na zanaka vavin-dreniny ka izy nahita ny fitanjahany, ravehivavy koa nahita ny fitanjahany, dia haratsiana lozan-tany izany, ka hofongorana eo imason’ny taranaky ny fireneny izy, fa nanokatra ny fitanjahan’ny anabaviny, ka hilonjy ny helony. Raha misy lehilahy mandry amim-behivavy mararin’ny fadim-bolana ka manokatra ny fitanjahany, dia nanokatra ny fandehanan’ny rany izy, ary hofongorana amin’ny fireneny izy roaroa. Aza manokatra ny fitanjahan’ny rahavavin-dreninao, na ny anabavin-drainao, fa manokatra ny fitanjahan’ny tenany izay manao izany, ka hilonjy ny helony izy ireo. Izao no lazao amin’ny zanak’i Israely: Na zovy na zovy amin’ny zanak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely, manolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, dia hoheloin-ko faty, ka hotorahin’ny vahoaka tompon-tany vato. Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drahalahin-drainy, dia nanokatra ny fitanjahan-drahalahin-drainy izy, ka hilonjy ny helony izy roaroa. Raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany, fa manokatra ny fitanjahan-drahalahiny izy, ka ho momba izy roaroa. Tandremo avokoa ny lalàna amam-pitsipiko, ka araho izany, mba tsy haloan’ny tany hitondrako anareo honenanareo ianareo. Aza manaraka ny fanaon’ny firenena izay horoahiko eo anoloanareo, fa nanao izany rehetra izany izy, ka maharikoriko Ahy izy. Efa voalazako taminareo fa ianareo no handova ny tanin’ireny; homeko anareo hanananareo azy, ary tany tondra-dronono aman-tantely izany. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo Izay nanavaka anareo tamin’ny firenena hafa. Hanavaka ny biby madio amin’izay maloto ianareo, sy ny vorona madio amin’izay maloto, ka tsy hametaveta ny tenanareo amin’izay biby, na vorona, na izay zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, nasaiko navahanareo ho zava-maloto. «Ho masina ho Ahy ianareo, fa Izaho Iaveh dia masina sy efa nanavaka anareo tamin’ny firenen-kafa mba ho Ahy. Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.» Ary hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy, fa nanolotra ny iray amin’ny zanany ho an’i Môlôka, handoto ny fitoerako masina, sy hanavetaveta ny Anarako. Na mody tsy mahita izany olona izany aza ny vahoaka, amin’ny anolorany ny zanany ho an’i Môlôka, ka tsy mamono azy, dia hanandrina izany olona izany mbamin’ny fianakaviany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy mbamin’izay rehetra mivadika amiko toa azy ka mitolo-tena hanompo an’i Môlôka.
satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an’ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan’i Jodà; sady efa nameno ran’ny tsy manan-tsiny, an’ity tanana ìty. Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy, handoroany ny zanany amin’ny afo ho sorona dorana ho an’i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively.
Ka hoy izy tamiko: «Efa hitanao va, ry zanak’olona? Mbola tsy ampy ihany va ho an’ny taranak’i Jodà ny manao izao fahavetavetana ataony eto izao, no mbola fenoiny fampahoriana koa ny tany; ka niverenany hatao lalandava izay hampahatezitra Ahy? Indro izy ireo manainga ny rantsan-kazo ho eo amin’ny orony.
Fa Ianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra Aminao.
Hàlako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamiko akory ny fiangonanareo. Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively. Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo! Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranondriaka tsy mety ritra ny fahamarinana!
Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen! Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.
Ny olon-dratsy, fahavetavetana ho an’ny marina; ny mahitsy lalana kosa, fahavetavetana ho an’ny ratsy fanahy.
Aza mivavaka amin’ny andriamaniny na manompo azy: aza mianatra ny fombany, fa azerao sy montsàny ny tsangam-baton-tsampiny.
Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin’ny nandehanany amin’ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreana, izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.
Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.
dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Rehefa tafiditra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao, dia aza mianatra maka tahaka ny fahavetavetan’ireo firenena ireo.
Fa nanao izay ratsy imasoko ny taranak’i Jodà, - teny marin’i Iaveh, - nametraka ny fahavetavetany eo amin’ny trano fiantsoana ny Anarako mba handotoany azy;
Nony nandre izany teny izany, dia ny faminanian’i Obeda mpaminany, i Asà, dia nihenjana, ka nesoriny avokoa ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tanin’i Jodà sy i Benjamina ary ny tanàna azony tany amin’ny tendrombohitr’i Efraima, sady nohavaoziny ny ôtelin’i Iaveh teo anoloan’ny alo-baravaran’i Iaveh.
Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andron’ny fahatanoranao, sy nampahatezeranao Ahy tamin’izany ratsy rehetra izany, dia indro hatsingeriko eo an-dohanao ny fitondran-tenanao; - teny marin’ny Tompo Iaveh; - fa tsy hanao ny fahalotoanao mbamin’ny fahavetavetanao rehetra intsony ianao.
Tsy honina eo amin’ny taninao ireny, fandrao mampanota anao amiko, sao dia hanompo ny andriamaniny ianao ka ho tonga fandrika ho anao izany.»
Izay mamily ny mahitsy fo, ho amin’ny lalan-dratsy, dia mandatsaka ny tenany amin’ny lavaka nohadiny, fa ny tsy misy tsiny dia handova ny fahasambarana.
Aza mandoto tena amin’ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin’ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo.
Volafotsy farany, hoy ny olona: satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo.
Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà, noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh, mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany. Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.
Ary ianao, ry zanak’olona, moa hitsara va ianao; moa hitsara ny tanàna mpandatsa-dra va ianao? Ampahafantaro azy avokoa ny fahavetavetany;