Levitikosy 18:24 - Baiboly Katolika24 Aza mandoto tena amin’ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin’ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany akory fa ny Jentilisa izay efa horoahiko eo anoloanareo no nandoto ny tenany tamin’ireo rehetra ireo. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA24 «Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin’ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 «Aza misy andotoanareo tena ireo zavatra ireo; fa tamin’ireo no nandoto tena ny hafa firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 Aza mandoto ny tenanareo amin’izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Aza mandoto ny tenanareo amin'izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan'ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo. Jereo ny toko |
Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;