Manokana tokoa ny fanambadiana, andro iray feno fifaliana sy hafaliana maro. Andro ifanomezanao amin’ilay olona tianao, ho nofo iray ianareo. Amim-pitiavana sy fanantenana no hankalazanao io fotoana mahafinaritra io, feno fisaorana an’Andriamanitra noho ny nametrahany azy eo anilanao.
Zava-dehibe eo imason’Andriamanitra ny fanambadianareo, satria tsy tsara ny mijangajanga na manitsakitsa-bady. Maro ny andininy ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny andraikitry ny mpivady, ary koa ny amin’ny tokony ho endriky ny fitiavana izay ifampizarànareo mandritra ny androm-piainanareo.
Aoka samy hanaja ny fanambadiana sy ny fahadiovam-pitondrantena isika rehetra, satria Andriamanitra hitsara ny mpijangajanga sy izay rehetra manao fahalotoam-pitondrantena. (Hebreo 13:4) Tadidio fa ny fitiavana dia tokony ho matanjaka, mba hahazakany ny fotoan-tsarotra rehetra. Ambonin’izany rehetra izany, aoka Andriamanitra ho ao aminareo mandrakariva mba hanampy sy hanome anareo ny fandresena amin’ny toe-javatra rehetra. Ny fitiavana tsy mitady ny azy, tsy mirehareha, tsy mitsahatra mandrakizay.
Mifandefera ianareo, noho ny fanajana an’i Kristy. Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny amin’ny Tompo. (Efesiana 5:21-22)
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy, mba hanamasina azy rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny rano sy ny teny izy,
«Ny lehilahy vao nampaka-bady dia tsy handeha hiantafika ary tsy hampanaovina raharaha momba ny fitondram-bahoaka, fa ho afaka hikarakara ny tokantranony herintaona izy ary hampifaly ny vady vao nampakariny.
Ary raha misy maharesy ny irery, ho voatohitry ny roa ihany kosa; ary ny kofehy telo olana tsy mora tapahina.
Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.
Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin’ny Tompo. Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy.
Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.
Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin’ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao ka tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; fa ny lehilahy izay manam-bady kosa, miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona. Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady. Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy. Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon’izay tsy mampanambady azy. Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra. Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie ianareo. Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo, satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany, isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny. Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin’ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.
Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken’ny Eglizy an’i Kristy no tsy maintsy aneken’ny vehivavy ny vadiny koa amin’ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy, mba hanamasina azy rehefa nodioviny tamin’ny fanasana amin’ny rano sy ny teny izy, ka hanolotra azy ho an’ny Tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy itiavan’ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Ny olona tsy misy mankahala ny nofony, fa mamelona sy miahy azy, toy ny ataon’i Kristy amin’ny Eglizy, Araka ny manendrika ny olomasina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rehefa mety ho fahalotoana amam-pilàn-dratsin’ny nofo, satria rantsam-batany, avy amin’ny nofo aman-taolany, isika. Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roroa. Misy zava-miafina lehibe amin’io, dia mankamin’Izy Kristy sy ny Eglizy no lazaiko. Fa izao: samia ianareo lehilahy tia ny vadiny tahaka ny tenany; ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.
Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy,
fa ny lahy no lohan’ny vavy, tahaka an’i Kristy lohan’ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy.
Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato.
Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.
Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.
Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao. Aza mifanditra foana aman’olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana hombàny kely akory; satria halan’i Iaveh ny olon-dratsy fanahy fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena. Anjaran’ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany. Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina ianao, eo imason’Andriamanitra sy ny olombelona.
Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza, Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo. Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa ianareo? Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory. I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy. Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy. Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana. dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano. Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, dia Ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery. Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra. Fa toy izany no firavaky ny vehivavy masina fahiny izay nanantena an’Andriamanitra sy nanaiky ny vadiny; tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy nanao azy ho tompony; ary zanany ianareo, raha manao soa tsy aman-tahotra na inona na inona fampitahorana anareo. Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany.
Ary toy izao izany fitiavana izany: tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»
Miadàna amin’izao fiainanao izao miaraka amin’ny vady tianao, mandritra ny andro tsinontsinona rehetra iainanao izay nomen’Andriamanitra anao atỳ ambany masoandro, dia mandritra ny andro foana rehetra izay anao, fa izany no anjaranao amin’ity fiainana ity, sy amin’ny asa ataonao atỳ ambany masoandro.
Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika.
mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe. Aza mijangajanga Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh. Ny ranobe tsy mahay mamono ny fitiavana, ny ony koa tsy mahasafotra azy. Raha misy olona hividy fitiavana na amin’ny fananana rehetra ao an-tranony aza dia tsy hahazo afa-tsy henatra foana.
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy, ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo? mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy, ny tombany. Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; Fa ianareo kosa, dia tsy mba ny ho toy izany no nianaranareo hahalala an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa, hiala amin’ny fitondran-tenanareo taloha, ka hamela ny olon-tranainareo efa simban’ny fitaky ny filàn-dratsy, mba hohavaozina ao amin’ny saina amam-panahinareo ianareo, ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa. Ario àry ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy, fa mifampirantsam-batana avokoa isika rehetra. Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony. Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony, fa aleo miasa tanana, manao zavatra tsara, dia hanan-komena ny tsy manana aza. Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana. mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny. Koa samia àry mipetraka amin’izay toetra niantsoan’Andriamanitra azy avy. Mpanompo va ianao no nantsoina? Aoka tsy hampaninona anao izany; fa na mahazo miavo-tena aza ianao, aleo ihany manararaotra ny toetra niantsoana anao; Satria ny mpanompo voaantso ao amin’ny Tompo dia olona afaky ny Tompo; ny olona afaka voaantso indray mpanompon’i Kristy ihany koa. Efa voavidy sarotra ianareo, ka aza mety ho andevon’olona. Samia àry, ry kristianina, mipetraka eo anatrehan’Andriamanitra amin’izay toetra niantsoana azy avy. Ny amin’ny virjiny, dia tsy nahazo didy avy amin’ny Tompo aho, fa manoro hevitra toy ny olona nahazo fahasoavana tamin’ny Tompo mba ho azo itokiana. Koa ataoko fa tsara izany noho ny fahasahiranana mahazo; eny, tsara amin’ny olona ny mitoetra toy izao ihany. Manam-bady va ianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manana va ianao? Aza mitady vady. Tsy manota anefa ianao na dia hanam-bady aza; tsy manota koa ny virjiny na dia hanam-bady aza, saingy ho zoim-pahoriana amin’ny nofo kosa izy ireny, ka iriko tsy ho voan’izany ianareo. Izao no hevitro, ry kristianina havana: fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana; Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin’ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao ka tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; fa ny lehilahy izay manam-bady kosa, miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona. Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady. Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy. Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon’izay tsy mampanambady azy. Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin’izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, fa tsy manana olona miray fo amiko sy mazoto miahy anareo toy izany aho. Ny rehetra dia samy miahy ny azy avy, fa tsy ny an’i Jesoa Kristy; izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra tokoa; niara-niasa tamiko tamin’ny Evanjely izy, toy ny zanaka miaraka amin-drainy. Koa dia manantena ny haniraka azy ho atỳ aminareo aho, raha vao hitako izay ho toetrako. Ary na dia ny tenako aza, araka ny tokiko ao amin’ny Tompo, dia mbola ho avy faingana koa. Nihevitra anefa aho fa i Epafrôdita rahalahiko, sady mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, ary irakareo hanompo ahy amin’ny zavatra ilaiko, dia tokony hampandehaniko hankatỳ aminareo aloha; fa efa manina anareo rehetra izy, sady nalahelo noho ny nandrenesanareo azy hoe narary. Narary saika maty tokoa izy, fa Andriamanitra namindra fo taminy; ary tsy taminy ihany fa tamiko koa, mba tsy hananako alahelo mitongoa alahelo. Koa dia ny nandefa azy no nahazoto ahy kokoa, mba hifalianareo amin’ny fahitana azy indray, sy hahamaivamaivana kokoa ny alaheloko. Raiso an-kafaliana ao amin’ny Tompo àry izy; ary hajao ny olona toy izany; tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Efa voaantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry kristianina havana; kanefa aoka tsy hoentinareo manaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa samia milatsa-tenany amim-pitiavana ho mpanompon’ny namany avy.
Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokantranony; ary tsy hanome basy hamelezan’ny fahavalo vava ratsy.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Aoka ny lehilahy hanefa ny adidiny amin’ny vavy, ary aoka ny vavy hanao toraka izany koa. ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao ka tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; fa ny lehilahy izay manam-bady kosa, miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona. Raha misy mihevitra fa adidiny ny mampanam-bady ny zanany vavy, satria mety hahafa-baraka azy ny mamela azy hihoatra ny taom-panambadiana, dia aoka izy hanao izay tiany, fa tsy manota izy raha mamela azy hanambady. Fa raha misy kosa tsy voatery, fa mahazo manaraka malalaka ny safidiny, ka nikasa mafy tao am-pony sy nanapa-kevitra hitana ny zanany vavy virjiny, dia manao tsara izy. Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon’izay tsy mampanambady azy. Voafehy ny vavy raha mbola velona ny lahy; fa afa-manambady izay tiany izy rehefa maty ny lahy, nefa ao amin’ny Tompo ihany. Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy. Sambatra kokoa anefa izy raha mipetraka amin’izao. Izany no hevitro: ary ataoko fa izaho koa dia manana ny Fanahin’Andriamanitra. Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
Dia hoy Izy namaly azy ireo: «Tsy novakinareo va fa Izay nahary ny olona tamin’ny voalohany, dia nanao azy lahy sy vavy ary nilaza hoe: Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny, ka hikambana amin’ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa? Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.»
Izao kosa no andidiako an’izay manambady, tsy izaho anefa fa ny Tompo: Aoka tsy hiala amin’ny lahy ny vavy; ary raha misy efa niala, dia aoka hitoetra tsy manam-bady izy, na hody amin’ny lahy; toy izany koa ny lahy: aoka tsy handroaka ny vavy izy.
Ary koa efa voalaza hoe: Na iza na iza hisaotra ny vadiny, dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mampijangajanga azy; ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.
fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny, ary hitoetra amin’ny tanintsika indray ny voninahitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
ary ny vavanao ho toy ny divay voafantina...! Izay mitsororoka moramora ho an’ny malalako, mitsoriaka eo amin’ny molotry ny matory.
Maro ny olona midera ny hatsaram-pony avy; fa izay olona mahatoky kosa, dia iza no hahita azy?
Trano sy herana no lova amin’ny ray; fa ny vady manan-tsaina, famonjena avy amin’i Iaveh.
Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja, tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.