Andriamanitra ô, amin'ny fahendreny tsy manam-petra, dia mampiharihary amintsika ao amin'ny Soratra Masina fa ny ozona dia vokatry ny fahotana sy ny fialana amin'ny sitrapony masina. Hatramin'ny niandohan'ny olombelona, fony i Adama sy i Eva tsy nankatò an'Andriamanitra tao amin'ny Saha Edena, dia niditra teto an-tany ny ozona.
Taratry ny fitsaran'Andriamanitra marina ny ozona, izay miseho ho toy ny voka-dratsin'ny fialantsika amin'Andriamanitra sy ny fanarahantsika ny lalantsika manokana. Ao amin'ny Genesisy, rehefa avy nanota ny olombelona, dia hoy Andriamanitra: "Voaozona ny tany noho ny nataonao; hihinana amin'ny tany ianao amin'ny fahatsembohan'ny tavanao amin'ny andro rehetra hiainanao" (Genesisy 3:17). Tsy i Adama sy i Eva ihany no niharan'izany ozona izany, fa ny olombelona rehetra koa. Nanomboka teo dia nisy ny fijaliana, ny fahoriana ary ny zava-tsarotra teo amin'ny fiainan'ny olombelona.
Na dia teo aza anefa ny ozona niditra teto an-tany, dia manolotra vahaolana amintsika Andriamanitra, amin'ny fitiavany sy ny famindram-pony lehibe. Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, izay nitondra ny ozon'ny fahotana teo amin'ny hazo fijaliana, no ahafahantsika afaka amin'izany enta-mavesatra izany, araka ny voalaza ao amin'ny Galatiana hoe: "Kristy nanavotra antsika tamin'ny ozon'ny lalàna, satria natao ozona Izy hamonjy antsika" (Galatiana 3:13). I Jesoa no tonga ozona hisolo antsika, nitondra ny sazy tokony ho nihatra tamintsika.
Noho izany, rehefa mijery an'i Jesoa Kristy isika ka mandray Azy ho Mpamonjy antsika, dia afaka miaina ny fanafahana amin'ny ozona ary miditra amin'ny fiainam-baovao ao amin'ny fiombonana amin'Andriamanitra. Ny Baiboly dia mampianatra antsika fa ao amin'i Kristy isika dia zava-baovao: "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia zava-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indro, efa tonga vaovao ireo" (2 Korintiana 5:17).
Nanafaka antsika tamin’ny ozon’ny Lalàna anefa i Kristy, fa tonga voaozona hisolo antsika satria voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo,
Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny teny ratsy, fa ny teny soa mampandroso amin’ny tsara, araka izay ilaina, mba hahazoan’izay mihaino fahasoavana.
Fa raha tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao kosa ianao, mba hitandremanao ny didiny rehetra sy ny lalàna rehetra andidiako anao anio, dia izao ny ozona rehetra ho tonga sy hihatra aminao:
Fa ankehitriny kosa, ario koa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
Ao an-tanàna ianao hozonina; any an-tsaha ianao hozonina. Hozonina ny sobika amam-bata fitahiriza-mofonao. Hozonina ny aloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny teraky ny biby fiompinao lehibe sy madinika. Miditra ianao hozonina, mivoaka ianao hozonina.
«Tsy hanonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, fa tsy avelan’i Iaveh tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.»
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
Fa feno fijangajangana ny tany; noho ny fanozonana dia misaona ny tany; maina ny kijana any an’efitra. Ny idodododoan’ireo dia ny ratsy; ny heriny dia ny tsy rariny.
Indro aho nametraka tso-drano sy ozona eo anoloanareo anio; tso-drano, raha mankatò ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio, ianareo; ozona, raha tsy manaiky ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo, fa mivily hiala amin’ny lalana izay andidiako anareo anio, ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
koa iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Tsy mety anefa ny toy izany, ry kristianina havako.
Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!
Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!
Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo, ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, raha manamavo ny lalàko ianareo ka boboky ny fitsipiko ny fanahinareo, ka tsy hankatoavinareo ny didiko rehetra sy hivadihanareo ny fanekena amiko, dia izao no hataoko aminareo: hanirahako tebiteby sy areti-mihinana ary tazo ianareo, izay hahalali-maso anareo, sy handreraka aina anareo; hafafinareo foana ny voa afafinareo, fa ny fahavalonareo no hihinana azy.
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mamery lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ka hosory sokay, Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mamono an-takona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny ra tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen. Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Dia hoy izy tamin-dralehilahy: «Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao, ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra? Hataoko ahoana no fitezitra raha tsy mitezitra i Iaveh?
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Ny ozon’i Iaveh dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy; fa ny fonenan’ny marina kosa omeny tso-drano.
Dia hoy izy tamiko: «Io no ozona mivoaka ho eo ambonin’ny tany rehetra; fa araka ny voasoratra ao, izay rehetra mangalatra, hosorohina hiala eto; ary araka ny voasoratra ao, izay rehetra mianiana hosorohina hiala eto. Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»
Lavaka lalina ny vavan’ny vehivavy an’olon-kafa; izay mahatezitra an’i Iaveh ho latsaka ao.
Toy ny fitsoatsoaky ny fody, sy fanidintsidin’ny sidintsidina, no tsy fihàtran’ny ozonozom-poana.
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Raha tsy henoinareo sy tsy rototra ianareo ny hanome voninahitra ny Anarako, hoy i Iavehn’ny tafika, dia handefa ozona hamely anareo Aho, ary hozoniko ny tso-drano ataonareo; - fa efa nozoniko sahady aza izany, satria tsy rototra ianareo! -
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: «Ho voaozona ny olona tsy mihaino ny tenin’ity fanekena ity,
Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Ozona, horohoro ary fampitahorana no hatsindrin’i Iaveh anao amin’izay raharaha hataonao rehetra mandra-paharingana sy levona faingana anao, noho ny haratsian’ny asa nataonao, izay nahafoizanao ahy. Hopetahan’i Iaveh areti-mandringana ny tenanao, mandra-pahalevona anao tsy ho eo amin’ny tany vao hidiranao hanananao azy. I Iaveh hikapoka anao amin’ny areti-mampitsimozimozy, tazo, fanaintainana, hafanana mahamay, andro mihantona, aretim-bary sy niela, ka hoenjehin’ireo ianao, mandra-pahalevona anao.
fa hàlany sy efa hozoniny kosa raha maniry tsilo sy hery, ka ny hodoran’ny olona no hiafarany.
Tia ozona izy, ka ianjerany, naneso tso-drano izy, ka halaviriny. Ny ozona no notafiny toy ny lamba; miditra ao anatiny toy ny rano, ary maninteraka ny taolany, toy ny diloilo.
«Raha misy olona manao heloka mahafaty, ka novonoina sy nahantona amin’ny hazo, dia tsy hiloaka alina eo ambony hazo ny fatiny, fa tsy maintsy alevinao mihitsy androtr’iny ihany, satria hiharan’ny fanozonan’Andriamanitra ny faty mihantona, ka aza lotoina ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lova.»
Tsy ho voan’ny tsy fahampiana izay manome ny mahantra, fa hianjeran’ozona kosa, izay mihirim-belona.
Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.
Ka izany no nanonganako an’ireo loholon’ny fitoerana masina, nanolorako an’i Jakôba ho anatema sy i Israely ho fandatsa.
Dia hoy izy tamin-dralehilahy: «Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao, ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao. Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao. Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao. Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»
Izay milaza amin’ny ratsy hoe: «Marina ianao,» dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.
Tsy hanaiky hamela heloka izany olona izany i Iaveh, fa hirehitra amin’izany olona izany ny fahatezeran’i Iaveh sy ny fahasarotam-piarony ka hianjera aminy avokoa ny ozona rehetra voasoratra amin’ity boky ity, ary hovonoin’i Iaveh tsy ho eto ambanin’ny lanitra ny anarany. dia ny fizahan-toetra lehibe, ireo famantarana amam-pahagagana lehibe efa hitan’ny masonao. Hosarahin’i Iaveh amin’ny fokon’i Israely rehetra izy, ka hatolony amin’ny loza, araka ny fanozonana momba ny fanekena voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.
Fa efa mamon-dra teny amin’ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edôma, ho any amin’ny firenena nataoko anatema hitsarana azy.
Ny fanahy izay manota dia io no ho faty; ny zanaka tsy hitondra ny heloky ny rainy; ary ny ray tsy hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan’ny marina ho aminy ihany; ary ny haratsian’ny ratsy dia ho aminy ihany.
Saingy tsy nihaino an’i Balaama i Iaveh Andriamanitrao, fa nampody ny fanozonana ho tso-drano ho anao i Iaveh Andriamanitrao, noho ny fitiavan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.
Ozòny i Mezôra, hoy ny Anjelin’i Iaveh, Ozòny dia ozòny ny mponina ao! Fa tsy mba tonga hanampy an’i Iaveh ireny, fa tsy nanampy an’i Iaveh ireny niaraka tamin’ny mahery.
ka hoy izy: «Ho voaozona anie i Kanaana. Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»
Ary hazeran’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fahavalonao, izay nankahala sy nanenjika anao, ireny fanozonana rehetra ireny.
Mandrahona ny mpiavonavona Ianao, dia ireo olom-boaozona, izay mania lavitra ny didinao.
Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Koa mampahafantatra anareo aho, fa tsy misy olona ampitenenin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hanao hoe: «Anatema i Jesoa» ary tsy misy afa-milaza hoe: «I Jesoa no Tompo,» raha tsy amin’ny Fanahy Masina.
Hianjera aminao avokoa ireo ozona rehetra ireo, ary hanenjika sy hahatratra anao tokoa, mandra-paharinganao mihitsy, noho ianao tsy nanaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, hitandremanao ny didy aman-dalàny nandidiany anao.
Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.
Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.» Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.
ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko; ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.
Raha tsy tandremanao tsara ny fanarahana ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, izay voasoratra amin’ity boky ity, ka tsy atahoranao ity Anarana be voninahitra sy mahatahotra ity hoe Iaveh Andriamanitrao, dia hataon’i Iaveh mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sady tsy azo sitranina.
Efa nanala voninahitra Ahy teo amin’ny oloko ianareo, hahazoanareo ny eran-tanan’ila, ary hahazoanareo sombi-mofo, ka dia mamono ny fanahy tsy tokony ho faty; sy mamelona ny fanahy tsy tokony ho velomina; dia mamitaka amin’izany ny oloko izay mihaino ny lainga.
Hohasoavina ny olona mitoky amin’i Iaveh, sy manantena an’i Iaveh ho tokiny! Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
Izy ireo manozona fa Ianao kosa hitso-drano, izy ireo hitsanga-menatra, fa ny mpanomponao kosa hiravoravo.
dia niherika nijery an’ireo izy, ka nanozona azy tamin’ny Anaran’i Iaveh. Ary nisy orsa roa nivoaka avy tao anaty ala, ka namiravira ny 42 tamin’ireo ankizy ireo.
Raha misy tsy tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia aoka ho voaozona izy! Maran-Atha (Tamy ny Tompontsika).
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota. Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio. Mialà amin’ny lalana, ivilio ny lalana, esory eo imasonay ilay Masin’i Israely!» Noho izany, izao no lazain’Ilay Masin’i Israely: Noho ianareo manamavo izany teny izany, sy mitoky amin’ny fanaovana an-keriny amam-pitaka, sady manao izany ho fiankinanareo, noho izany, io heloka io ho anareo, dia ho toy ny mivava efa mila hampianjera sy efa mandomba eo amin’ny rindrina avo, izay mirodana tampoka, indray mihelina monja. Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo. Fa izao no nolazain’i Iaveh Tompo, ilay Masin’i Israely: «Ny fibebahana sy ny fiandrasana amim-piadanana no hahavoavonjy anareo; ao amin’ny fitsaharana amam-pahatokiana no herinareo.» Nefa tsy nety ianareo, fa hoy ianareo: «Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay.» - Eny hoe, handositra ianareo. - «Himaona mitaingina ny soavaly faingan-tongotra izahay.» Eny iky, fa ho faingana kokoa izay hanenjika anareo. Raha iray no handrahona, dia arivo no handositra; ary raha dimy no handrahona, handositra avokoa ianareo. Mandra-pahatonganareo ho kely sisa, tahaka ny tsato-kazo eny an-tampon’ny tendrombohitra, na ny faneva famantarana eny an-kavoana. Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy! Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao. Dia midina eny amin’ny lalana mankany Ejipta izy ireo nefa tsy manontany ny vavako, mba hialoka eo ambany fiarovan’i Faraôna sy hialokaloka eo amin’ny alokalok’i Ejipta. Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana; ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao. Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia. Hataonareo zava-maloto, ny volafotsy mipetraka amin’ny sampinareo; mbamin’ny volamena mipetraka amin’ny sariolonareo: ka harianareo hoatra ny zava-maloto: «Mialà eto», hoy ianareo aminy. Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa nafafinao amin’ny tany, ary ny tany hahavokatra mofo, tsara tokoa sady betsaka, amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka: ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany, hihinam-bilom-bary matsiro, voakororòka tamin’ny lapela aman-tsahafa. Eny an-tendrombohitra avo rehetra, eny an-kavoana avo rehetra hisy sakeli-drano aman-dranovelona, amin’ny andro famonoam-be, dia hianjeran’ny tilikambo. Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavàn’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, ho tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamelezan’i Iaveh ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy. Indro avy any lavitra any ny Anaran’i Iaveh; mahamay ny hatezerany, ka tsy tanty ny fahamainy; mivoaka fisafoahana ny molony; ary tahaka ny afo mandevona ny lelany. Tahaka ny riaka manafotra ny fofon’ainy; manafotra havozona, hanasivanany ny firenena amin’ny sivana fandravana, sy hanisiany lamboridy mampivily lalana eo amin’ny valanoranon’ny olona. Amin’izany ianareo hiventy hira, tahaka ny amin’ny alina ankalazana ny fety, ary ny fonareo hiravoravo tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina, ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh hanatona ny vatolampin’i Israely. Hody henatra ho anareo, ny fiarovan’i Faraôna; ary ho fanalam-baraka ho anareo, ny fialokalofana eo amin’ny alokalok’i Ejipta.
Ka ny Tavako, hanandrina izany olona izany; izy holevoniko hataoko famantarana aman’ohabolana, hofongarako eo amin’ny vahoakako; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
ozona, raha tsy manaiky ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo, fa mivily hiala amin’ny lalana izay andidiako anareo anio, ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
Efa nahita ny adala namàka nisandrahaka aho, kanjo vetivety foana dia nanozona ny fonenany.
Ho toy ny nifalian’i Iaveh tamin’ny nanasoavany sy nampitomboany anao ihany no hifalian’i Iaveh koa amin’ny handringanany sy handravàny anao kosa, ka hofongorana ianareo amin’ny tany hidiranao hanananao azy. Haelin’i Iaveh any amin’ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany ianao, ary any dia hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo tsy fantatrao na fantatry ny razanao akory.
Mila loza izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriana ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa, tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany. «Mitsangàna ianareo, ka mandehana: fa tsy toerana fitsaharana eto,» noho ny loto hampijaly anareo, sy noho ny fampijaliana mampangirifiry. Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity. Hamory anao manontolo Aho, ry Jakôba ô, hangoniko izay sisa amin’i Israely; hovoriko hikambana toy ny ondry amin’ny vala izy; toy ny ondry andiany eo afovoam-bàlany no ho fisasasasan’ny olona ankabetsahany. Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy. Tsiriritiny ny saha ka alainy, ny trano koa ka lasany; anaovany an-keriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany. Ka izao no lazain’i Iaveh: Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana ity taranaka ity, ka tsy ho azonareo anafahana ny vozonareo: ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.
Ny lanitrao eo ambony lohanao ho varahina, ary ny tany eo ambany tongotrao ho vy. Ny vovoka amam-pasika no ranonorana halatsak’i Iaveh amin’ny taninao, ka hidina avy any an-danitra hankaminao, mandra-pahalany ritra anao.
- teny marin’ny Tompo Iaveh: - dia hanao Aho araka ny hatezeranao sy ny fialonanao, izay nasehonao noho ny fankahalanao azy ireo, ary hampahafantariko eo aminy ny Tenako, rehefa hitsara anao Aho. Ary ho fantatrao fa Izaho Iaveh dia nandre ny fanaratsianao rehetra, izay notononinao tamin’ny tendrombohitr’i Israely, nanao hoe: «Efa rava ireny, ka natolotra anay, ho remby hohaninay!» Nihaika Ahy ianareo tamin’ny lahateninareo; sady nanamaro ny teninareo, namely Ahy. Izaho kosa efa nandre izany! Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Amin’ny hifalian’ny tany rehetra, ianao kosa hataoko lao. Toy ny nifalianao, ny amin’ny lovan’ny taranak’i Israely tamin’ny faharavàny, toy izany no hataoko aminao: ho rava ianao, ry tendrombohitra Seira, mbamin’i Idomea manontolo; dia ho fantatry ny olona fa Iaveh Aho.
Fa moa i Israely tsy fihomehezana taminao va? Moa nisy nahatratra azy ho naman’ny mpangalatra va? no dia nihifikifi-doha ianao, isaky ny miteny ny aminy?
Hiteraka zazalahy aman-jazavavy ianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo. Ho lanin’ny bibikely ny hazonao rehetra sy ny vokatry ny taninao.
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy, fa ho tonga tany lao; izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.
Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny. Toy ny nanakaran’ny tanako an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny, toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny, moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sary sampiny?» Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana. Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo. Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!» Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano. Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny. Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana; hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany. Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy. Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony! Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy. Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba, ho amin’ny Andriamanitra mahery. Satria na dia hoatra ny fasika amin’ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia izay sisa eo ihany no hiverina; ka efa raikitra ny fandringanana hampisafoaka ny fahamarinana, fa ny fandringanana efa naraikiny, dia hotanterahin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, amin’ny tany rehetra. Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha. Fa rehefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako. Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta. Ka izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin’ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga. Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an’i Magrôna, mametraka ny entany ao Makmasy. Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola. Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony; aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy, satria ny Anarako no eo aminy.
Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,
Koa hotsaraiko araka ny lalanareo avy ianareo, ry taranak’i Israely, - teny marin’ny Tompo Iaveh. - Miverena ka mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra ka tsy handoza anareo ny tsy fahamarinana.
dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?
Be no voan-javatra hoentinao any an-tsahanao fa kely no hakarinao, satria ho lanin’ny valala ireny. Hamboly voaloboka ianao, sy hanolikoly azy koa, fa tsy hisotro ary tsy hioty na inona na inona akory, satria hohanin’ny fositra ireny.
Hitsangan-kamely ireny aho, - teny ton’i Iavehn’ny tafika - ary hofoanako amin’i Babilôna avokoa ny anarana sy izay sisa eo, ny taranaka aman-tsolofo, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. - Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -
Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany, ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo! Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady; aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta; ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony, hanompo Azy,
Ny aminao kosa, izao no voadidin’i Iaveh: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; hofoanako ao an-tranon’ny Andriamanitrao ny sarin-javatra voapaika sy ny anidina; manomam-pasana ho anao Aho satria latsa-danja ianao.
Nanompo ny sampin’ireny, izay tonga fandrika ho azy. Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona. Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany, ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.
ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.
Izany no mahazo anao, moa tsy dia noho ianao nahafoy an’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana?
noho izany dia indro Aho haninji-tanana aminao: hanolotra anao ho babon’ny firenena, hamongotra anao, eo amin’ny vahoaka, hanesotra anao tsy ho isan’ny tany; handringana anao Aho, ka ho fantatrao fa Iaveh Aho.
Fahatezerana sy fahavinirana amam-pisafoahana lehibe no nanatsoahan’i Iaveh azy hiala amin’ny taniny, sy nanilihany azy ho any an-tany hafa, tahaka izao ankehitriny izao.
«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh». Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.