Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 22:28 - Baiboly Katolika

28 «Aza miteny ratsy an’Andriamanitra, na manozona ny filohany amin’ny firenena».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 «Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 «Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin’ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Aza atao ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao; ny matoa amin'ny zanakao-lahy dia omeo Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Aza miandry ela vao manatitra ny santatry ny vokatrao sy ny fisotronao. Omeo Ahy ny matoa amin’ny zanakao lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 22:28
28 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga tao Bahorima ny mpanjaka, indro nisy lehilahy anankiray, atao hoe Semeià zanak’i Gerà, iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola, nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,


Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka: «Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko? Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!»


Fa efa niaiky ny fahotany ity ny mpanomponao, ary indro fa izaho no tonga voalohany indrindra, amin’ny taranak’i Josefa rehetra androany midina hitsena ny mpanjaka tompoko.»


ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany, hiampanga azy toy izao: Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy! Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.»


Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra.


Ka aoka hivavaka aminao ny olona tia vavaka rehetra, amin’ny fotoana mety. Marina, fa amin’ny fahatondrahan’ny rano be, dia tsy hahatratra azy izany.


dia hatokanao ho an’i Iaveh ny lahy matoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an’i Iaveh ny lahy.


«Atokàny ho Ahy ny lahy matoa rehetra, izay lahy matoa rehetra amin’ny zanak’i Israely, na olona na biby fa Ahy izany.»


Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohin-ko faty».


Hotandremanao ny fetin’ny fijinjana, fetin’ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin’ny fanangonam-bokatra amin’ny faran’ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha;


«Haterinao ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrao ny santatry ny voaloham-bokatry ny taninao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.»


Aza manozona ny mpanjaka, na ao an-tsainao aza; aza manozona ny manam-pahefana, na eo an’efitrano fandrianao aza; fa ny voromanidina hitondra ny feonao; ary ny biby manana elatra hanely ny teninao.


Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;


Ary hiteny amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony;


ary izay manevateva ny Anaran’i Iaveh, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rehefa manevateva ny Anarana masina, dia ho faty.


ka hoy i Paoly: «Hokapohin’Andriamanitra tokoa ianao, ry rindrina voalalotra fotsy, fa mipetraka eto hitsara ahy araka ny Lalàna ianao, nefa mampamely tehamaina ahy tsy ara-dalàna.»


Ary namaly i Paoly ka nanao hoe: «Tsy fantatro ho mpisorona lehibe izy, ry rahalahy, fa voasoratra hoe: Aza manevateva ny lehiben’ny vahoaka.»


Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.


indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory,


Ireo olona ireo koa, milentika amin’ny redirediny, ka mandoto ny nofony toy izany, manamavo ny fahandrianana, ary manevateva ireo Voninahitra.


Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: «Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: ‹Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?›


Nitepotepo mafy ny fon’i Davida taorian’izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola.


Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï: «Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh, ka afa-maina tsy ho voasazy?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra