Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:13 - Baiboly Katolika

13 Noho ny hatezeran’i Israely, tsy honenana intsony izy, fa ho tonga tany lao; izay rehetra handalo eo akaikin’i Babela ho talanjona sy hisitrìsitra avokoa mahita ny feriny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Noho ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy honenana i Babilona fa ho tonga tany lao avokoa; izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Ny fahaviniran’ny TOMPO no nahatonga an’i Babilôna tsy honenana intsony fa hampahonena tanteraka. Ho gaga izay rehetra mandalo azy, ka hivarahontsana noho ny voina rehetra nanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny fahaviniran’ny TOMPO no nahatonga an’i Babilôna tsy honenana intsony fa hampahonena tanteraka. Ho gaga izay rehetra mandalo azy, ka hivarahontsana noho ny voina rehetra nanjo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Noho ny fahatezeran’i Jehovah Dia tsy honenana Babylona, Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga Ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Noho ny fahatezeran'i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Noho ny fahatezeran’NY TOMPO dia tsy honenana i Babilona fa ho tonga tany lao avokoa; izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:13
18 Rohy Ifampitohizana  

itehafan’ny olona izy, avy eo an-trano nitoerany, dia anakorana azy.


Mba hahatonga ny taniny ho lao, sy ho zavatra fandatsa mandrakizay; dia hitanàka izay rehetra handalo ao, ary hikifi-doha.


Ary ity tanàna ity dia hataoko zavatra figagàna sy fihomehezana; ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga, sady hihomehy noho ny fahamangànana rehetra mahazo azy.


Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.


Indro manome didy Aho, - teny marin’i Iaveh - hampiverina azy hamely ity tanàna ity indray, dia hiady aminy izy ka hahafaka azy sy handoro azy, ary hataoko zary efitra tsy misy mponina ny tanànan’i Jodà


Ho zary fitalanjonana i Edôma: Ho talanjona avokoa ny mpandalo, sady hisitrìsitra, mahita ny feriny rehetra.


Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy, ka hataony lao ny taniny, fa tsy hisy olo-monina intsony; nitsoaka nandositra, na ny olona na ny biby, dia lasa, - teny marin’i Iaveh. -


Tsy hakana vato fehizoro ianao na vato fanorenana; fa ho zava-drava mandrakizay, - teny marin’i Iaveh. -


Mihorohoro ny tany, mihefikefika izy, fa mandroso ho tanteraka ny hevitr’i Iaveh hamely an’i Babela, mba hanova ny tanin’i Babela ho tany mampatahotra, tsy misy mponina.


Ary i Babela dia ho korontam-bato, ho fieren’amboadia, ho fampitahorana sy fanesoana, tsy hisy mponina.


I Iaveh no nilaza ny amin’ity fitoerana ity fa horavana izy, ka tsy hisy honina eto intsony, na olona na biby, fa ho tany maty mandrakizay izy!


Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa misitrîsitra aminao. Zary zava-mahatsiravina ianao; ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!


Io no ilay tanàna niravoravo, nipetraka amin-toky nanao anakampo hoe: Izaho, ary tsy misy afa-tsy izaho! Ahoana no nanjariany ho efitra, sy fonenan’ny biby! Na iza na iza handia azy, dia hisitrìsitra sy hanifikifi-tanana.


Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany.


dia ny solifara sy ny sira, fanakilana an’izany tany rehetra izany, izay tsy hofafazana, tsy hanome vokatra avy aminy, tsy haniriana ahitra akory, toy ny tamin’ny fikorontanan’i Sôdôma sy i Gômôra, i Adamà sy i Sebôima, izay nakorontan’i Iaveh tamin’ny fahatezerany amam-pahavinirany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra