Jeremia 50:12 - Baiboly Katolika12 Safo-kenatra ny reninareo; mivoaramenan’ny henatra ilay niteraka anareo. Indro izy, fa faraidiny amin’ny firenena, efitra, tany foana, tany karankaina! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; indro, izy no farany amin’ny firenena, tany efitra sy tany karankaina ary tany ngazana! Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA12 Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo: tafalatsaka lalina anaty henatra, tototry ny fahafaham-baràka. Indro izy nanjary farany amin’ny firenena, lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo: tafalatsaka lalina anaty henatra, tototry ny fahafaham-baràka. Indro izy nanjary farany amin’ny firenena, lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Dia ho menatra indrindra ny reninareo, Hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran’ny firenena,– Efitra sy tany karankaina ary tani-hay! Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Dia ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran'ny firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay! Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; indro, izy no farany amin’ny firenena, tany efitra sy tany karankaina ary tany ngazana! Jereo ny toko |