Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 27:25 - Baiboly Katolika

25 Dia namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Aoka ho aminay sy amin’ny zanakay ny Rany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary hoy ny olona rehetra hoe: Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny rany ho aminay mbamin’ny zanakay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary ny olona rehetra dia namaly ka nanao hoe: Aoka ny ràny ho aminay mbamin'ny zanakay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary hoy ny olona rehetra hoe: Aoka ny rany ho aminay sy ny zanakay.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:25
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida taminy: «Aoka ny ranao ho eo an-dohanao, satria vavanao ihany no niampanga anao, fony ianao nanao hoe: ‹Izaho no namono ny voahosotr’i Iaveh.› »


Hatsingerin’i Iaveh eo an-dohany ihany ny rany, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasainy sy novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany, dia i Abnera zanak’i Nera, filohan’ny tafik’i Israely, sy i Amasà, zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Jodà.


Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,


Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.


Izay ho lavo amin’ny ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran’ity vato ity dia ho mongomongo.


Ary noho izy notoherin’ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin’ireo: «Aoka ho eo amin’ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin’izao dia any amin’ny Jentily no halehako.»


«Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany, kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo, ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny ran’iny Lehilahy iny.»


Zovy moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’izay nilaza rahateo ny hahatongavan’ilay Marina aza; ary ankehitriny indray ianareo dia namadika sy namono Azy.


mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.


Aza miantra azy ny masonao fa esory amin’i Israely ny ra tsy manan-tsiny, dia hiadana ianao.


Ary izay mivoaka ny varavaran’ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tanana ny anankiray amin’izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra