Ry namako, vatosoa sarobidy eo an-tànan'Andriamanitra ianao. Mahereza, mazotoa, ary tena mpiady mahery. Tian'Andriamanitra ianao ary efa namorona anao Izy miaraka amin'ny tanjona tsara tarehy. Isan'andro, atolory Azy ny tsara indrindra avy aminao ary kolokoloy toetra manome voninahitra Azy mandrakariva.
Fantatro fa misy fitsapana sy toe-javatra sarotra atrehinao, saingy tsarovy fa Andriamanitra no hanafaka anao amin'izany rehetra izany. Isan'andro, ialao ny ady amin'ny lohalika miondrika eo anatrehan'Andriamanitra, ary Izy no hitarika sy hanome anao ny fandresena.
Mifantoha bebe kokoa amin'ny hatsaran-tarehy anaty, fa tsy ny ivelany. Ny hatsaran-tarehy anaty, ny fanahy malemy fanahy sy tsy mety lo eo anatrehan'Andriamanitra no tena zava-dehibe aminy.
Mitenena amim-pahendrena avy amin'Andriamanitra mandrakariva, ary mampianara am-pitiavana. Aoka ho vehivavy hendry ianao amin'ny fanorenana ny tokantranonao, fa aza tahaka ny vehivavy adala izay mandrava ny azy amin'ny tànany.
Mandrosoa isan'andro, Andriamanitra no momba anao, aza misalasala mihitsy. Amin'ny fanampian'ny Rainao any an-danitra, dia ho afaka ny ho vehivavy fakan-tahaka hatrany ianao na aiza na aiza alehanao. Katsaho hatrany ny Mpanao anao ary saintsaino isan'andro ny hatsaram-pony.
Mamitaka ny hatsaran-tarehy ivelany ary mihelina ihany koa, fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah kosa no mendrika hoderaina. (Ohabolana 31:30)
Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra.
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.
Ianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny. Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan’andro kosa ny tenanay anatiny.
Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa, ny vehivavy tsara tarehy tsy ampy saina.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo.
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao! Masom-boromahailala, ny masonao.
Eny, tsara tarehy ianao, ry malalako; eny tsara tarehy ianao. Masom-boromahailala ny masonao saronan’ny voalinao; ny volonao toy ny andian’osivavy, miantsampitsampy eny ankisolosolon’ny tendrombohitr’i Galaada.
Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao, sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.
Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: «Fantatro fa noho ianao vehivavy tsara tarehy,
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanaka vavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
Maro ny zaza vavy miseho ho tsara fanahy, fa ianao kosa anefa dia tafahoatra azy rehetra.
Fa ankasitrahin’i Iaveh ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin’ny famonjeny azy Izy.
Nabala no anaran-dralehilahy io, ary Abigaila no anaran’ny vadiny; ravehivavy dia hendry tokoa sy tsara tarehy, fa ralehilahy kosa sady henjana no ratsy fiaina; taranak’i Kaleba izy io.
Ny lohanao mipetraka eo amboninao tahaka an’i Karmela, ny volon-dohanao tahaka ny jaky mena; voasinton’ny fiolikoliny ny mpanjaka.
Fatratra ny hatsaran-tarehin-drazazavavy, sady virjiny izy, fa tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy. Nidina nankeo amin’ny loharano izy, nameno rano ny sininy dia niakatra.
Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.
Iza moa ity vehivavy, miposaka toy ny mazava atsinanana tsara tahaka ny volana, madio toy ny masoandro, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila?
mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra, avia ry rivotra avy any atsimo! Mitsofa eo an-tanimboliko, hitetevan’ny hazo mahavokatra dity manitra. Aoka hiditra ao an-tanimboliny ny malalako, ka hihinana amin’ireo voankazony tsara tarehy!
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Mifankatiava toy ny ifankatiavan’ny mpiray tam-po, mifaninàna hifanaja. Raha ny amin’ny fahazotoana, dia aza mitaredretra, fa mbà mafana fo; ny Tompo anie no tompoinareo e! Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana; manampia ny olo-masina araka izay ilaina, ary mazotoa mampiantrano vahiny. Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. Miaraha mifaly amin’izay mifaly, ary miaraha mitomany amin’izay mitomany. Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry. Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo. Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Ny vehivavy hendry, manorina ny tranony; ny vehivavy adala kosa, mandrava azy amin’ny tanany.
Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.
Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, mandehana manaraka ny biby fiompinao, dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.
Miverena, miverena ry Solamita. Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Ahoana ianareo no mijery ny Solamita tahaka ny dihy any Makanaima.
Manoloana Azy ny famirapiratana amam-pahalehibeazana; ao amin’ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana.
fa raha vehivavy kosa no lava volo dia voninahitra ho azy izany, satria ny volo no natao ho saron-dohany.
Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Mitondra fanatitra ny zanaka vavin’i Tira mbamin’ny manan-karena amin’ny vahoaka, hitady fitia aminao. Feno famirapiratana ny zanaka vavin’ny mpanjaka ao anatin’ny trano: volamena voatenona no itafiany.
Toy izany koa ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, ka raha misy ny sasany tsy mino ny Evanjely, dia mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vadiny, na dia tsy amin’ny fitorian-teny aza, Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, aoka hiala amin’ny ratsy izy ka hanao soa, ary hitady fihavanana sy hanaraka azy. Fa eo amin’ny olo-marina ny mason’ny Tompo, ary ho amin’ny fitarainany ny sofiny; fa eo amin’ny mpanao ratsy kosa ny Tavan’ny Tompo. Ary iza no hahavita ratsy aminareo, raha mikely aina hanao soa ianareo? Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory. I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo. Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin’izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an’ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin’i Kristy. Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy. Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana.
Ny vehivavy tsara fanahy, satroboninahitry ny lahy; fa ny vehivavy afa-baraka toy ny homamiadana ao amin’ny taolany.
Efa lasanao ny foko, ry havako, ry fofom-badiko, efa lasanao ny foko tamin’ny masonao indray mijery monja, tamin’ny singam-boahangy eo amin’ny fehivozonao!
Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao».
Ataovy vita tombokase eo ambonin’ny fonao aho, sy vita tombon-kase eo an-tsandrinao; fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy azo ifonana toy ny Seoly ny fahasaro-piaro, mirehitra toy ny afo ny firehetany, dia lelafon’i Iaveh.
Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko! Iaveh Andriamanitro ô, lehibe tsy manam-petra Ianao! Mitafy fiandrianana amam-pamirapiratana Ianao! Mandefa loharano amin’ny lohasaha Izy dia mandeha eny anelanelan’ny tendrombohitra ireny; hisotroan’ny biby any an-tsaha ireny, ary hankanesan’ny ampondra dia hanala ny hetahetany. Mitoetra eny amorony eny ny voromanidina; sady mampanakoako ny feony, eny amin’ny ravin-kazo izy ireo. Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany, mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy, mbamin’ny zava-maniry ho an’ny olombelona; mamoaka hanina avy amin’ny kibon’ny tany Izy, mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony. Feno ranony ny hazon’i Iaveh, mbamin’ny sederan’i Libàna izay namboleny. Manao ny akaniny eo ny vorona, mbamin’ny vano izay mitoetra ao amin’ny sipresy; ny tendrombohitra avo, ho an’ny osy dia, ary ny haram-bato ialofan’ny jeriboazy. Ny volana nataony famantarana andro; ary ny masoandro mahalala ny ora filentehany. Mihodidina amin’ny fahazavana toy ny amin’ny lamba izy, mamelatra ny lanitra toy ny lay.
Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao; ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.
Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida. Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko, tsy mba niandranàndrana ny fijeriko, tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho, na izay avo mihoatra noho izaho. Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin’ny fiononana sy fanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.
Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»
Toy ny ifanahafan’ny tarehy sy ny tandindony ao anaty rano, no ifanahafan’ny fon’ny olona sy ny an’ny olon-kafa koa.
Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo, fa na dia i Salômôna tao amin’ny voninahiny rehetra aza, dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny.
Amin’ny soavaly vaviko mitarika ny kalesin’i Faraôna no ampitahàko anao, ry malalako.
Tahaka ny tilikambon’i Davida ny vozonao, izay nataony trano fitahirizam-piadiana, ka ihantonan’ampinga arivo, dia ny ampingan’ny mahery rehetra.
Izay mahita vehivavy mahita ny fahasambarana, tombon-tsoa azony tamin’i Iaveh izany.
Mifoha mbola alina izy, dia manome hanina ny ankohonany, sy lahasa ho an’ny ankizy vaviny.
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Efa voaisanao izay ny dia nirenireneko tamin’ny andro niainako, efa voaangonao an-tsininao hoditra ny ranomasoko; moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokinao ireny?
Toy izany koa ny vehivavy: izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Miangavy anareo aho, ry zanaka vavin’i Jerosalema, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony.
Miankohofa eo anatrehan’i Iaveh amin’ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany ianareo monina amin’ny tany rehetra!
Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Ary napetrany teo an-tanan’i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary i Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy.
Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: «Arahaba.» Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony, sy niankohoka teo anatrehany.
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Mamy dia mamy ny vavany, ary mahatehotia avokoa ny tenany. Toy izany ny malalako, toy izany ny olon-tiako, ry zanaka vavin’i Jerosalema.
efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamòny efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.»
Amiko ny malalako, dia sipra iray sampaho, any an-tanimboalobok’i Engadi!
Tahaka ny zanaky ny gazela ny nononao roa, tahaka ny kambana roa zanaky ny gazela iray, izay mihinana eny amin’ny lisy.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
Fa Ianao no vatolampy sy trano mimandako; ary noho ny Anaranao dia hitondra sy hitarika ahy Ianao.
Aleo olona ambany toetra, ampy amin’izay ilainy; toy izay be voninahitra tsy manan-kohanina.
Avilio tsy hijery ahy ny masonao fa mampitebiteby ny foko. Ny volonao tahaka ny andian’osy miantsampitsampy eny ankisolosolon-tendrombohitr’i Galaada.
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.
Ianareo lehilahy kosa, mahaiza mitondra ny vadinareo amim-pahendrena, toy ny fanao amin’ny fanaka malemy; ento amim-panajana izy, fa mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana ianareo, mba tsy hisy hanampontsampona ny fivavahanareo.
Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.
Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin’ny ahi-maitso, toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany. Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina, amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.
Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin’ny tany, ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.
Matoky azy, ny fon’ny lahy, ary tsy mba handao azy ny tombony miditra Soa ny ataony aminy, fa tsy mba ratsy; amin’ny andro rehetra iainany.
Avia, hiaraka amiko, avy any Libàna, ry fofom-badiko, avia hiaraka amiko, avy any Libàna! Topazo maso avy eny an-tampon’i Amàna, avy eny an-tampon’i Sanira sy i Hermôna, avy any amin’ny lavaky ny liona, sy ny tendrombohitry ny leoparda.
Koa mifandraisa ianareo, tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Endrey izany hatsaran’ny tongotrao misy kapa, ry zanaka vavin’andriandahy! Ny filefitry ny valahanao tahaka ny rado, asan-tanan’ny mpahay zavatra.
Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh, mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
Endrey izany hamamin’ny fitiavanao, ry havako voafofo, endrey izany hatsaran’ny fitiavanao mihoatra noho ny divay; ary mihoatra noho ny zava-manitra rehetra, ny fofon’ny hanitrao!
Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
Ka raha toy izany no fanàfin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha, izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso, tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo, ry kely finoana?
Hanafaka azy aho, fa niraiki-po tamiko izy; hiaro azy aho, fa mahalala ny Anarako izy. Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.
Ny malalako mampidi-tanana amin’ny loaky ny hidim-baravarana, ka nangoraka azy ny foko.
Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. Nony nahita azy ny lehibe ao amin’i Faraôna dia nataony laza masaka tamin’i Faraôna izy: ary nalaina ho ao an-dapan’i Faraôna ravehivavy.
mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
Fa tsy mba ny fihinana amam-pisotro no fanjakan’Andriamanitra, fa ny fahamarinana amam-piadanana, mbamin’ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina.
Manana an’iza indray moa aho, any an-danitra? Tapi-java-nirina aho manana Anao eto an-tany. Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao, ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfa vavy. Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin’ny makarakara.
Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka ny takolakao, alokalofan’ny voalinao.
Anaka, henoy ny fampianaran-drainao, ary aza arianao ny fanoroan-dreninao, fa fehiloha tsara tarehy amin’ny lohanao izany, ary ravaka ho an’ny vozonao.
Teo am-pandriako aho, nony alina, nitady ilay malalan’ny fanahiko; nitady azy aho, fa tsy nahita...
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana,
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Ny sakaiza dia ny tia amin’ny fotoana rehetra; amin’ny fahoriana, mitsangan-ko rahalahy izy.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitiena. Salamon’ny zanak’i Kôre. Ianao izay ampinganay, ry Andriamanitra, mba jereo, ka tsinjovy ny tavan’ilay Voahosotrao! Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy. Fa masoandro aman’ampinga, i Iaveh Andriamanitra; manome fahasoavana amam-boninahitra i Iaveh, tsy misy zava-tsoa tsy omeny an’izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny. Ry Iavehn’ny tafika, sambatra izay olona mitoky aminao! Mahatehotia loatra ny fonenanao, Ry Iavehn’ny tafika!
Ny anabaviko voafofo dia tanimboly voahidy, loharano voahidy, fantsakana voaisy tombokase.
Aza manendrikendrika mpanompo amin’ny tompony, fandrao hozoniny ianao, ka hitondra faisana amin’izany.
ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Ny vozonao tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao tahaka ny kamorin’i Hesebona, anilan’ny vavahadin’ity tanàna be mponina. Ny oronao tahaka ny tilikambo any Libàna, izay manatrika ny ilan’i Damasa.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Fahazavana no miposaka ao amin’ny haizina ho an’ny olo-mahitsy, ho an’izay mamindra fo sy miantra ary marina.
Koa raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray. Noho izany, ry malalako, efa nanaiky mandrakariva koa ianareo, ka miasà amin-tahotra sy hovitra hanapitra ny famonjenareo tena, tsy tahaka ny fony aho tany aminareo fotsiny, fa mihoatra noho izany aza amin’izao aho tsy any aminareo izao, fa Andriamanitra no manao ao aminareo ny mikasa sy ny manao, sy hanatanteraka ny hevi-pitiavany ny aminareo. Ataovy tsy amim-pimonjomonjoana sy tsy amim-pisalasalana ny zavatra rehetra, mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao, mitana ny tenin’ny fiainana; dia hisy ho reharehako amin’ny andron’i Kristy, fa tsy ho nihazakazaka foana aho, na ho nisasatra foana. Ary faly aho na dia ny tenako aza no haidina hampombaina ny fanolorana amam-pisoronan’ny finoanareo, ka miara-mifaly aminareo rehetra. Mifalia amin’izany koa ianareo, ary miaraha mifaly amiko. Manantena ao amin’i Jesoa Tompo aho fa haniraka an’i Timote faingana aty aminareo, mba hifaliako koa rehefa reko ny toetranareo; dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; mpampiery azy ao an-dainao Ianao, mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy.
izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin’ny faniriana amam-pilàn-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Lasa nidina any an-tanimboliny ny malalako, dia any an-kisahasahan-kazo mitete dity manitra, hiandry ondry any an-tanimboliny, sy hioty lisy any.
Tsara fo amin’ny olona rehetra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zava-boaariny rehetra ny famindram-pony.