Andriamanitra dia Avo Indrindra sady Mahery, mendrika ny dera rehetra. Eo anatrehany dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary tsy hisy mpikomy afa-miala tsy voasazy. Tsy azo hozongozonina ny anaran’ny Mandrakizay; manana hery tsy manam-paharoa Izy.
Koa ahitsio izay tsy mety ao anatinao. Raha misy faharatsiana ao am-ponao, mangataha famelan-keloka amin’Andriamanitra, fa Izy dia marina sy be famindram-po. Aza manohitra ny teniny sy ny sitrapony, fa tsy hambinina amin’ny tany ianao raha manao mifanohitra amin’izany.
Androany no andro hihavananao Aminy, hanokafanao ny fonao sy hanetrenao tena eo anatrehany, satria ny fo torotoro sy manetry tena tsy mba ariany. Ekeo Izy amin'ny alehanao rehetra, ary aza mihevi-tena ho hendry; fa matokia an'Andriamanitra, ary aza mirehareha na inona na inona; fa raha tsy izany dia ho simba ny fanahinao ary hikomy amin'Ilay nahary anao sy nanome anao aina ianao.
Tsy misy tomika ny lalan’Andriamanitra ary mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay, fa ny lalan’olombelona kosa dia feno faharatsiana ary mitondra any amin’ny fahafatesana.
Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, dia ho faty ianao satria fiodinana amin’i Iaveh no notorìnao.»
Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy, Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.
Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy. Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, sy nanafaka anao tany amin’ny trano fanandevozana, no efa notorìny mba hampivily anao amin’ny lalana nasain’i Iaveh Andriamanitrao alehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.
«Efa hakambana amin’ny razany i Aarôna, fa tsy hiditra any amin’ny tany omeko ny zanak’i Israely izy, satria nandà ny teniko ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà.
Raha matahotra an’i Iaveh ianareo, raha manompo Azy, sy mankatò ny teniny, raha tsy mandika ny tenin’i Iaveh ary raha samy manaraka an’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka manjaka aminareo... Fa raha tsy mankatò ny tenin’i Iaveh kosa ianareo ary mandika ny didin’i Iaveh dia hamely anareo ny tanan’i Iaveh toy ny efa namelezany ny razanareo.
Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.
Fa aza miodina amin’i Iaveh kosa ianareo, ary aza matahotra ny olona amin’izany tany izany, fa ho fihinana ho antsika izy ireo; ny fialofan’izy ireo efa niala taminy, ary isika omban’i Iaveh, ka aza matahotra azy ireo.»
Tsarovy ka aza hadinoinao, fa nanao ahoana moa no nampahatezeranao an’i Iaveh Andriamanitrao tany an’efitra. Hatramin’ny andro nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, ka hatramin’ny nahatongavanao teto amin’ity fitoerana ity, dia niodina tamin’i Iaveh ihany ianareo.
Fa eo am-bavany, tsy mba misy fahatsorana; ny fony tsy misy afa-tsy faharatsiana; ny tendany, fasana misokatra; ataony malefadefaka ny lelany.
Izy ireo kosa anefa niodina sy nampalahelo ny Fanahiny Masina; ka dia tonga fahavalon’izy ireo Izy tamin’izay, ary ny Tenany no niady tamin’ireny.
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -
dia tsy hanahaka ny razany izay taranaka maditra sy miodina, taranaka manana fo mivadibadika, sy fanahy tsy miraikitra amin’Andriamanitra.
Tena marina i Iaveh, satria efa nandà ny didiny aho. Endrey! ry firenena rehetra ô, mba mihainoa ianareo, ary mijere ny alaheloko: ny virjiniko sy ny zatovoko lasan-ko babo.
Hoatra ny mpiandry saha izy ireo manodidina an’i Jerosalema, satria niodina tamiko izy, - teny marin’i Iaveh. -
fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.
Hodioviko izy ho afaka amin’ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin’ny helony rehetra izay nanevatevany Ahy, izay niodinany tamiko.
Fa fantatro ny ditran’ny fonao sy ny hamafy hatokao; amin’izao aho mbola velona eo aminareo izao aza, efa niodina tamin’i Iaveh ianareo, ka mainka izany fa rehefa maty aho.»
Aza mety hofitahin’olona velively, fa tsy maintsy hitranga aloha ny fivadiham-be, sy hiseho ny olom-pahotana, dia ilay zanaky ny fahaverezana.
Ny helokareo no nanakorontana izany filaminana izany; ny fahotanareo no nanala izany soa izany taminareo.»
Satria niodina tamin’ny teny ton’Andriamanitra izy sy naniratsira ny fananaran’ny Avo Indrindra.
Koa izay manohitra ny fahefana, dia manohitra ny fandaharan’Andriamanitra; ary izay manohitra, dia mihatsy fanamelohana ny tenany.
Mieke anefa ny hadisoanao, satria niodina tamin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka nandehandeha foana tany amin’ny tany hafa, teny ambany hazo maitsonao teny, fa tsy nihaino ny feoko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.
dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!...
Tsy mitady afa-tsy fikomiana ny ratsy fanahy, fa handefasana iraka masiaka hamely azy kosa izy.
Nivadika tamiko anefa ny taranak’i Israely, tany an’efitra, tsy nanaraka ny lalàko izy, sady nanary ny didiko, izay ahaveloman’ny olona manaraka azy, ary nametaveta izaitsizy ny sabatako. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo tany an’efitra Aho, mba handringana azy.
Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
Nanafaka azy ireo matetika Izy; nefa niodina nanaraka ny fisainany izy ireo; ka ny helony no nahaverezany ny tenany.
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.
Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin’ny vahoaka niodina, mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,
«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.
Tsy nety niakatra anefa ianareo, fa nandà ny tenin’i Iaveh Andriamanitrareo. Nimonomonona tany an-dainareo ianareo, nanao hoe: Ny fankahalan’i Iaveh antsika no nitondrany antsika nivoaka tany amin’ny tany Ejipta mba hanolorany antsika ho eo an-tanan’ny Amôreana, sy handringanany antsika.
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
«Tsy nihaino anao izahay amin’ny teny nolazainao taminay, amin’ny Anaran’i Iaveh. Fa ny teny rehetra naloakan’ny vavany, dia tsy maintsy tanterahinay tokoa tokoa, amin’ny fanaterana emboka manitra amin’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra, amin’ny fandraràhana fanatitra araraka ho azy, araka ny efa nataonay, dia izahay sy ny razanay ary ny mpanjakany ama-mpifehy anay tany amin’ny tanin’i Jodà sy teny an-dalamben’i Jerosalema. Tamin’izay, izahay voky hanina, niadana ary tsy nahita loza.
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Ahoana no ifandaharanareo amiko? Nefa efa niodina tamiko avokoa ianareo, - teny marin’i Iaveh.-
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana, ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany? Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.»
Rehefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy mihoatra noho ny razany indray aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.
Dia ho any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, fa tsy hiakatra Aho eo afovoanao, satria vahoaka mafy hatoka ianao, ka sao dia haringako eny an-dalana eny.»
Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta, sokafy ny vavanao dia hofenoiko. Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nakatò Ahy i Israely.
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka ny saim-pantany, nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny; nihemotra izy fa tsy nandroso.
Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an’i Iaveh Andriamaniny. Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.
Tsy mbola nandre izany ianao, tsy nahalala izany ianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.
Loza ho an’ireny, fa nandositra lavitra Ahy izy! Hanjò azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko! Raha Izaho, dia mba te hamonjy azy ireo Aho, fa izy kosa milaza lainga hamelezana Ahy.
Niodina tamiko koa anefa ireo zanany, fa ny didiko tsy narahiny, tsy notandremany tamin’ny fanatanterahana azy. Ny fitsipiko izay mahavelona ny olona manaraka azy, ary ny sabatako novetavetainy. Nihevitra ny handatsaka ny hatezerako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany an’efitra.
Raha misy mamily ny sofiny tsy hihaino ny lalàna, na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.
Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»
Satria fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba marina tokoa ianareo, dia hivily hiala amin’ny lalana nasaiko nalehanareo ianareo, ka ho tratry ny loza, any amin’ny andro aoriana any, noho ianareo nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh sy nampahatezitra azy tamin’ny asan-tananareo.»
Fa ny mpikomy ama-mpanota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an’i Iaveh, dia ho faty.
Nirahin’i Iaveh taminareo avokoa, ny mpaminany mpanompony, sady nirahiny hatramin’ny maraina; kanefa tsy nihaino ianareo, na nanongilan-tsofina hihaino akory, Hoy izy: Samia ianareo miverina miala amin’ny lalan-dratsinareo sy amin’ny haratsian’ny asanareo avy, dia honina amin’ny tany nomen’i Iaveh anareo sy ny razanareo, amin’ny taona mifandimby ianareo.
Impiry akory moa izy ireo no niodina taminy tany an’efitra, nampahatezitra Azy tany amin’ny tany mangingina!
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianao nanadino Ahy, sy nanifika Ahy ho any ivohonao: dia aoka ianao koa mba hizaka ny sazin’ny fahalotoanao, amam-pijangajanganao!
Fa nizotra izy ireo araka ny ditran’ny fony, sy nanaraka an’i Baala, izay natoron’ny razany azy.» Noho izany, izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Indro ity firenena ity hofahanako zava-mangidy, hampisotroiko rano misy poizina.
Ny razanay tany Ejipta tsy nihevitra ny fahagagana nataonao, tsy nahatsiaro ny hamaroan’ny fahasoavanao; niodina teo amoron-dranomasina, dia ny Ranomasina Mena.
Satria izy dia firenem-pikomiana zanaka miodina, zanaka mandà, tsy mihaino ny lalàn’i Iaveh.
Hatramin’ny andron’ny razanareo, no efa nihatahanareo tamin’ny fitsipiko sy efa tsy nitandremanareo azy. Miverena Amiko, dia hiverina aminareo Aho, hoy i Iavehn’ny tafika. - Fa hoy ianareo: Ny amin’inona no hiverenanay? -
Efa nakifikao Aho, - teny marin’i Iaveh, - ka lasa nihemotra any ianao; ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao, fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.
Ny adala manao anakam-po hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Efa simba izy ireo; asa mahamenatra no ataony; Tsy misy manao ny tsara na dia iray aza.
Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.
Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo, noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina, noho ianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra, ary tsy tianareo akory ny fananarako: dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana, hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo,
Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,
Ny lamosiny no natodiny Ahy, fa tsy ny tavany; ary nony mba nampianatra azy Aho, nampianatra azy hatramin’ny vao maraina, dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana.
Tsy nety nihaino anefa izy ireo, fa nampiodina ny sorony sy nanamafy ny sofiny tsy hahare. Nataony tonga toy ny diamondra ny fony tsy hihaino ny lalàna sy ny teny nampitondrain’i Iavehn’ny tafika azy ireo, nolazain’ny Fanahiny tamin’ny alalan’ny mpaminany fahiny. Koa nisy fahatezerana mafy avy amin’i Iavehn’ny tafika.
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.» Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa.
fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,
Ianareo indray nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza; ka indro fa samy manaraka ny haratsian’ny fo ratsinareo ianareo, mba tsy hihaino Ahy.
Ary tsy hety hihaino anao ny taranak’i Israely, satria tsy mety mihaino Ahy izy, fa henjan-kandrina sy tsy vaky afero avokoa, ny taranak’i Israely.
Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany! Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany, sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.
Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.
araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin’ny fahasosorana.
Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany, toy izany koa aho hifidy ny fampahoriana azy sy hampianjera amin’izy ireo ny zavatra atahorany, satria miantso Aho, fa tsy nisy namaly; niteny Aho, fa tsy nohenoin’izy ireo; izay ratsy eo imasoko no nataony; ary izay tsy sitrako no nofidiny.
Izay manamavo Ahy ilazany hoe: Izao no voalazan’i Iaveh: Hiadana ianareo, ary izay rehetra manaraka ny haratsian’ny fony, ataony hoe: Tsy hisy loza hanjò anareo.
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
ka niteny mafy tamin-dralehilahy avy any Jodà izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandà ny tenin’i Iaveh, ka tsy nitandrina ny didy nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao, ary noho ianao niverina, ka nihina-mofo sy nisotro rano tamin’ny toerana nandraran’i Iaveh anao hoe: Aza mihina-mofo any, na misotro rano any, dia tsy hiditra am-pasan-drazana ny fatinao.»
Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.
Ireo mpanjakan’ny tany mitsimbohitra, ary ny andriana koa miara-mioko, hanohitra an’i Iaveh sy ny Voahosony: Tapaho ny famatorany, hoy ireny, ary ario lavitra antsika ny gadrany!
Voatolon’ny mponina aminy, ny tany, satria izy ireo nandika ny lalàna, nivadika tamin’ny didy, nandrava ny fanekena mandrakizay.
Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko ianao!
Lazao aminy hoe: «Velona Aho, - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy ny fahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany, ka ho velona izy. Miverena! miverena! avy amin’ny lalan-dratsinareo! Fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’i Israely?»
Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Jôiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan’ny vahoaka nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin’i Iaveh, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho ianareo nahafoy an’i Iaveh, dia mba hafoiny koa.»
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Hoy koa i Môizy: «Ho hitanareo izany amin’ny hanomezan’i Iaveh anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina, satria ren’i Iaveh ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay, izahay moa no inona? Tsy izahay no iharan’ny fimonomononanareo fa i Iaveh ihany.»
Ary ankehitriny rehefa nanatanteraka izany rehetra izany ianareo, - teny marin’i Iaveh, - ary rehefa niteny taminareo Aho, fa niteny taminareo hatry ny vao maraina Aho, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
Misy zavatra lozan-tany amin’ny lotonao: satria tsy mety madio ianao, rehefa nodioviko dia tsy ho voadio amin’ny lotonao na oviana na oviana ianao, raha tsy efa nataoko mipetraka aminao ny hatezerako.
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...
Koa noho izany nataoko madio nify ianareo teny an-tanànanareo rehetra teny sy mosaren-kanina eny amin’ny fonenanareo rehetra; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. - Koa ny orana nahantoko tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa vao ho fararano; tamin’ny tanàna iray nataoko avy ny orana; fa tamin’ny tanàna iray hafa kosa, tsy nalatsako ny orana; ny faritany iray tondrahan’ny orana; fa ny faritany iray hafa kosa, izay tsy nilatsahan’ny orana, dia nihamaina. Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa, mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.
«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»
Ny hendry dia efa mahazo henatra, miraviravy tanana, ary voasambotra; indro fa nanary ny tenin’i Iaveh izy ireo! Ka inona intsony no ho fahendreny eo...?
Tsy nihaino ahy anefa ianareo, - teny marin’i Iaveh - ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.
Fa raha tsy manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao kosa ianao, mba hitandremanao ny didiny rehetra sy ny lalàna rehetra andidiako anao anio, dia izao ny ozona rehetra ho tonga sy hihatra aminao:
Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo.
Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany, nefa tsy hohenoiny; hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany, araka ny haratsiana nanaovany ny asany.
Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Jodà, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanary ny lalàn’i Iaveh izy, sady tsy nitandrina ny didiny, ka nety havilivilin’ny sampin-daingany, dia ireo izay narahin’ny razany,