Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy.
Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino.
I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»
Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona, no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, - teny marin’i Iaveh, - mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra, nefa tsy nihaino Ahy izy.»
Ataovy hoe: Mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, mpanjakan’i Jodà sy mponina ao Jerosalema. Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hoentiko ho amin’ity fitoerana ity ny loza hampangintsingintsina ny sofin’izay mandre azy:
Hafotitro hamely azy mbamin’ny taranany sy ny mpanompony rehetra, ny helony; ary hataoko mihatra aminy, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, ary amin’ny olona amin’i Jodà, ny loza rehetra nolazaiko taminy, fa tsy nohenoiny Aho.»
Ry Iaveh ô, tsy ny fo mahatoky va no tadiavin’ny masonao? Nikapoka azy Ianao, fa tsy nalahelo izy; nandripaka azy Ianao, fa tsy nety nino anatra izy; nohamafisiny mihoatra noho ny vatolampy ny tavany, tsy nety nibebaka izy.
Mihainoa, ry tany: Indro fa misy loza entiko hamely ity vahoaka ity, dia ny vokatry ny hevi-dratsiny; satria tsy nihaino ny teniko izy ireo; sady nandà ny lalàko.