Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.
Toy ny amatoran’ny olona ny fehikibo amin’ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy.»
«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »
ka milazà hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga loza amin’ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin’izay rehetra mandre izany.
TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.
Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.
Naripaky ny Tompo tsy nisy indrafo avokoa ny fonenan’ireo taranak’i Jakôba. Noravany tam-pahavinirana ny tanànamimandan’i Joda. Nazerany amin’ny tany sy nalany baràka ny fanjakana sy ny mpitondrany.