Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nandre an’i Jeremia nanonona izany faminaniana izany i Fasora mpisorona zanak’i Amera, izay mpitandrina ambony ny tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary Pasora, zanak’i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’i Jehovah, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Pasora, zanak'i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary i Pasora, zanak’Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon’NY TOMPO, raha nandre an’i Jeremia naminany izany zavatra izany,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nosamborin’ny filohan’ny mpiambina i Seraià mpisorombe sy i Tsefanià lefiny ary ireo mpisorona telo lahy mpiandry varavarana.


ny faha-15, azon’i Bilgà; ny faha-16, azon’i Imera;


i Seraià, zanakalahin’i Hilkià sy zafin’i Mesolama sy zafiafin’i Tsadôka sy zafin-dohalik’i Meraiôta ary zafin-kitrokelin’i Ahitoba mpanapaka ny tempoly;


Ny mpandraharahan’i Jôsià koa dia nanome biby ho an’ny vahoaka sy ho an’ny mpisorona ary ho an’ny levita. I Hilkià sy i Zakarià ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon’Andriamanitra, dia nanome ondry aman’osy 2 600 ary omby roa arivo ho an’ny mpisorona mba hatao soron’ny Paska.


Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia hobaboina. Ary rehefa tonga any Babilôna ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin’ny namanao rehetra izay naminanianao lainga.


«Satria ny TOMPO efa nametraka anao ho mpisorona hisolo an’i Jôiadà, dia ianao no mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO ka tokony hanara-maso izay rehetra misary adala milaza azy ho mpaminany sy hampamatotra azy amin’ny gadra vy na rojo vy.


Tezitra tamin’i Jeremià kosa ireto ka nikapoka azy sady nanagadra azy tao an-tranon’i Jônatàna mpitantsora-panjakana.


Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina.


Raha nandre izany teny izany ity lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ny lohandoha-mpisorona, dia very hevitra ny amin’ireo apôstôly sy ny hiafaran’izao toe-javatra izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra