ka lazao ireo fa baiko avy amiko ny hanaovana ity olona ity an-tranomaizina ary ny hamahanana azy mofo kely sy rano kely fotsiny mandra-piveriko soa aman-tsara.
Tamin’izay dia nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO hiteny aminao?
«Satria ny TOMPO efa nametraka anao ho mpisorona hisolo an’i Jôiadà, dia ianao no mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO ka tokony hanara-maso izay rehetra misary adala milaza azy ho mpaminany sy hampamatotra azy amin’ny gadra vy na rojo vy.
fa vao mainka aza nomeny baiko i Jerahimèla, andriana zanakalahin’ny mpanjaka, sy i Seraià zanakalahin’i Hazriela sy i Selemià zanakalahin’i Habdèla mba hisambotra an’i Baròka mpanoratra sy i Jeremià mpaminany; saingy ny TOMPO efa nanafina azy roa lahy.
Dia nanome baiko i Tsedekià mpanjaka mba hapetraka eo an-kianjan’ny trano fiambenana i Jeremià sady homena mofo boribory iray isan’andro avy ao amin’ny lalankelin’ny Mpanao mofo mandra-pahalanin’ny mofo rehetra ao an-tanàna. Toy izany no nijanonan’i Jeremià tao an-kianjan’ny trano fiambenana.
Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.
Hitako ravehivavy fa boboky ny ran’ireo vahoakan’Andriamanitra, boboky ny ran’ireo vavolombelona nanambara an’i Jesoa ka novonoina ho faty noho izany. Gaga dia gaga tokoa aho nahita an-dravehivavy;
Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.