Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 25:7 - Baiboly Katolika

7 Tsy nihaino ahy anefa ianareo, - teny marin’i Iaveh - ho fampahatezerana Ahy tamin’ny asan-tananareo, ary ho loza ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tananareo ianareo dia nahita loza.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; fa vao mainka aza nampahatezitra Ahy tamin’ny fanaovana sampy mba hahatonga loza aminareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; fa vao mainka aza nampahatezitra Ahy tamin’ny fanaovana sampy mba hahatonga loza aminareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Nefa tsy nihaino Ahy hianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin’ny asan’ny tànanareo hahitanareo loza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy Jehovah, mba hampahatezeranareo Ahy tamin'ny asan'ny tananareo hahitanareo loza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo, hoy NY TOMPO, ka nampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tananareo ianareo dia nahita loza.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 25:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.


satria nanao izay ratsy eo imasoko izy, ka nampahatezitra Ahy, hatramin’ny andro nivoahan’ny razany tany Ejipta ka mandrak’ankehitriny.»


Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo i Iaveh hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny.


«Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy.


Fa izay maneso ahy mandratra ny fanahiny izay rehetra mankahala ahy, mila faty.»


«Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro hataoko mihatra amin’ity tanàna ity, sy amin’ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko.»


Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola niadana nefa hoy ianao: Tsy hihaino aho! Fanaonao hatry ny fony mbola tanora izany: tsy nihaino ny feoko ianao!


Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Noho ianareo tsy nihaino ny teniko,


satria izy ireo tsy nihaino ny teniko, - teny marin’i Iaveh, - nefa naniraka ny mpaminany mpanompoko tamin’izy ireo Aho, naniraka azy hatramin’ny vao maraina, nefa tsy nohenoinareo, - teny marin’i Iaveh. -


Koa ankehitriny dia izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitry ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Nahoana ianareo no nampidi-doza mafy toy izao aminareo, dia izay haharingana anareo ao amin’i Jodà, na ny lehilahy na ny vehivavy aminareo, na ny zaza na ny vao minono aminareo, tsy hisy izay sisa havela akory;


dia izay hampahatezitra Ahy amin’ny asan-tananareo, amin’ny anateranareo emboka manitra amin’izay andriamani-kafa, eo amin’ny tany Ejipta, izay nidiranareo hitoerana, mba haharingana anareo, sy hahatonga anareo ho fanozona sy fandatsa amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany?


Aza manaraka ny razanareo, izay nitorian’ny mpaminany taloha hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Miverena ianareo, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, sy amin’ny asa ratsinareo! nefa tsy nihaino sy tsy nasiany raharaha akory Aho, - teny marin’i Iaveh. -


Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra