Ry rahalahy sy ranavavy malala, tena mampidi-doza ity fankahalana ity ka mila mitandrina isika. Ny tenin'Andriamanitra aza efa mampitandrina antsika momba ny voka-dratsiny.
Ao amin'ny toriteny teny an-tendrombohitra dia hoy izao no nolazain'ny Tompo momba ny fankahalana: "Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia meloka eo anatrehan'ny fitsarana; ary izay manao amin'ny rahalahiny hoe: Adala ianao, dia meloka eo anatrehan'ny Synedriona; ary izay manao aminy hoe: Foka ianao, dia meloka ho amin'ny afobe mirehitra" (Matio 5:22).
Arakaraka ny anatonantsika ny Tompo sy ny fifambonantsika Aminy no mahatonga antsika hahatsapa kokoa ny fahotana, na ao anatintsika na eo amin'ny fiainantsika andavanandro. Tsy maintsy miala amin'ny fihatsarambelatsihy sy ny lolompo isika, satria mety misy fankahalana miafina ao am-pontsika nefa mody miseho ho tsara fanahy amin'ny hafa.
Mila miala amin'izany toe-tsaina izany isika ka mangataka famelan-kelaka amin'Andriamanitra, ary miala amin'izany amin'ny anaran'i Jesosy, satria ity fankahalana ity dia tsy vitan'ny hoe manimba ny fontsika fotsiny, fa manimba ny saintsika sy ny vatantsika koa.
Aza mankahala ny rahalahinao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
Izay milaza azy ho ao amin’ny fahazavana, nefa mankahala ny namany, dia mbola ao amin’ny haizina ihany.
Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Izay rehetra mankahala ny namany dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana ny fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny.
Fa izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Hampanalavirin’i Iaveh anao ny aretina rehetra, ary tsy hisy halefany aminao akory ny areti-mandoza nanjò an’i Ejipta izay fantatrao; fa izay rehetra mankahala anao no hampahoriny amin’ireny.
Rehefa hanasa ny sabatro manelatrelatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
Ny didinao dia ahatongavako ho manan-tsaina; noho izany dia mankahala ny lalan’ny fitaka aho.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.
Fa Ianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra Aminao.
Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.
hàlako ny fivorian’izay manao ratsy, tsy mipetraka hitsara miaraka amin’ny ratsy fanahy aho.
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
Andriamanitra ô, tafatoetra mandrakizay ny seza fiandriananao; tehim-pahamarinana, ny tehim-panjakanao.
ny faharatsiana no ao anatiny; tsy mandao ny kianjany ny famoretana amam-pitaka. Fa tsy mba hoe fahavalo akory no manaratsy ahy; raha izany dia zakako ihany; tsy mba rafilahy no mitsangan-kamely ahy; raha izany, hiery azy aho. Fa ianao izay nataoko toy ny tenako; mpanolo-tsaina tsy anafenana aman-tsakaizako.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana. Fa aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy.
Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.
Mankahalà ny ratsy, ianareo izay tia an’i Iaveh; miaro ny fanahin’ny mpino Azy Izy, dia manafaka azy amin’ny tanan’ny ratsy fanahy.
Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.
hodidininy teny fankahalana aho, ary iadiany tsy ahoan-tsy ahoana izao. Hidera an’i Iaveh amin’ny feo avo ny molotro; hankalaza azy eo afovoan’ny vahoaka be aho. Fa nitsangana eo ankavanan’ny mahantra Izy hamonjy azy amin’izay manameloka azy. Izy miady amiko ho valin’ny fitiavako, izaho kosa tsy manao afa-tsy ny mivavaka. Valiany ratsy ny soa nataoko, valiany fankahalana ny fitiavako.
Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy, ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga, ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
Ny olona antra namana, manao soa amin’ny fanahiny; fa ny olona loza be, mampahory ny nofony.
Halan’i Iaveh ny olona ratsy fo, fa izay tsy manan-tsiny amin’ny lalany dia ankasitrahiny.
Mihatsaravelatsihy amin’ny vavany ny mpankahala, kanjo manafim-pitaka ao anatiny; koa aza matoky azy raha manao feo malefaka izy, fa fahavetavetana fito no ao am-pony. Azony afenina ihany amin’ny fihatsarambelatsihiny ny fankahalany, nefa mbola hiharihary eo amin’ny fivoriana ny faharatsiany.
Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho.
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo izay mangovitra amin’ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe: «Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo!» Kanefa izy ireo no ho menatra.
Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako, nanandra-peo manerona ahy izy, ka tonga halako.
Efa naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra taminareo Aho, sady naniraka azy hatramin’ny vao maraina, hilaza aminareo hoe: «Aza dia manao izany fahavetavetana hàlako izany ianareo.»
Any Galgalà ny faharatsiany rehetra; fa tany no vao nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny ataony, horoahiko hiala ao an-tranoko izy; tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo; ary tsy tia mainty an’izay miteny amim-pahamarinana.
Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!
dia ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy, manendaka ny hoditra amin’ny vatana, sy ny nofo amin’ny taolana?
aza misaintsaina ao am-ponareo ny lozan’ny namanareo, ary aza tia ny fianianan-tsy to; fa halako avokoa izany rehetra izany,» - teny marin’i Iaveh. -
«Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako; ka ny tendrombohiny nataoko lao; ary ny lovany natolotro ny amboadia any an’efitra.
Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo;
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.»
mba hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika sy amin’ny tanan’izay rehetra mankahala antsika.
Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’olona.
Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.
Ny devoly no ray niavinareo, ka izay tian’ny rainareo no tianareo hatao. Ary izy dia mpamono olona hatramin’ny voalohany sy tsy naharitra tamin’ny marina, satria tsy misy marina ao aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy izany, satria mpandainga sy rain’ny lainga izy;
Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao satria azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao dia halan’izao tontolo izao ianareo.
Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa. Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’ny olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny teny voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: Nankahala Ahy foana izy ireo.
Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.
mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra izy; sady tsy hainy aza izany.
Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa. Raha azonareo atao, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. aza mamaly ratsy, ry malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hanao izany, araka ny voasoratra hoe: Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo;
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Tezera, fa aza manota, ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza omena fidirana ny demony.
Esory aminareo rehefa mety ho lolom-po, fahatezerana, fahavinirana, fitabatabana, fitenenan-dratsy, ary hasomparana.
Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny,
Marina fa noho ny fialonana sy fifandirana no itorian’ny sasany an’i Kristy, nefa ao koa ny manao an-katsaram-po tokoa,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
Fa ankehitriny kosa, ario koa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo;
Tandremo fandrao misy mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza, fa ny soa ho an’ny namana sy ny olon-drehetra no katsaho mandrakariva.
Satria, moa tsy izao va no rariny amin’Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an’izay mampahory anareo, sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahorina, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan’ny afo miredareda, i Jesoa Tompo mbamin’ny Anjelin’ny heriny, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin’i Jesoa Tompontsika?
tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy,
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Tia ny fahamarinana Ianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra.
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro.
Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra. Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, Fa ny fahatezeran’ny olona tsy mba fanatanterahana ny fahamarinan’Andriamanitra.
Avy aiza ny ady amam-pifandirana ao aminareo? Moa tsy amin’ny filàn-dratsinareo izay miady ao anatin’ny nofonareo va? Manetre tena eo anatrehan’Andriamanitra, dia hanandratra anareo izy. Aza mifanaratsy, ry kristianina havana. Izay manaratsy ny havana iray finoana aminy, na mitsara an’ireny, dia manaratsy ny Lalàna, sy mitsara ny Lalàna. Ary izay manaratsy ny Lalàna dia tsy mba mpankatò ny Lalàna, fa mihambo ho mpitsara azy. Iray monja no Mpanao lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahay mamonjy na mamery. Ary ianao kosa mba iza, no mitsara ny namana? Ary inty ny aminareo izay manao hoe: «Hankany ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra» kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo; fa inona moa ny ainareo? - Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: «Raha sitrapon’Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay.» Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka. Mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo; mamono sy mialona ianareo, nefa tsy mety manana; mifanditra sy miady ianareo; ary ianareo no tsy mahazo, dia satria tsy mangataka ianareo;
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Aza mamaly ratsy ny ratsy, na mamaly ompa ny ompa, fa aleo aza misaotra; satria ho amin’izany no niantsoana anareo, mba hahatonga anareo ho mpandova ny fitahiana.
Ry malala, aoka hifankatia isika, fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, ary izay rehetra tia dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra. Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany? Sady izao no didiny efa azontsika: izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny namany koa.
Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana.
Fa ry zareo ireo kosa, sady manevateva ny zavatra tsy fantany fotsiny izao toy ny biby tsy manan-tsaina.
Fa ianareo kosa, ry malala, dia tsarovy ny teny voalazan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny, izay nanambara taminareo fa amin’ny andro farany dia hisy olona mpamitaka, handeha araka ny filàn-dratsiny mahamenatra, hitarika fitokotokoana, dia olona ara-batana, fa tsy mba manana ny Fanahy.
Misy anananao sitraka ihany anefa, dia izao: mankahala ny asan’ny Nikôlaita izay halako koa ianao.
Toy izany koa, ao aminao dia misy olona manaraka fampianarana manahaka ny an’ny Nikôlaita.
Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.
Tezitra tamin-dRavehivavy ny Dragona, ka any amin’ny zanany sisa mitandrina ny didin’Andriamanitra sy maharitra amin’ny fanambaràn’i Jesoa, no nifotrohany niadiana.
Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.
Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.