Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 3:8 - Baiboly Katolika

8 Fotoana hitiavana, ary fotoana hankahalana; fotoana hiadiana, ary fotoana hihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 ao ny andro itiavana ary ao ny andro ankahalana; ao ny andro iadiana ary ao ny andro ihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana; misy fotoana iadiana ary misy fotoana ihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana; misy fotoana iadiana ary misy fotoana ihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 ao ny andro itiavana ary ao ny andro ankahalana; ao ny andro iadiana ary ao ny andro ihavanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 3:8
19 Rohy Ifampitohizana  

fa izy no nanapaka ny tany rehetra an-dafin’ny ony, hatrany Tafsà ka hatrany Gazà, dia tamin’ny mpanjaka rehetra an-dafin’ny ony, ary nandry fahalemana izy tamin’izay rehetra nanoa azy hatraiza hatraiza.


Raha nahita an’i Jehò i Jôrama, dia nanao taminy hoe: «Fihavanana va izao, ry Jehò?» Fa namaly kosa i Jehò: «Inona no ho fihavanana eo raha mbola maharitra koa ny fijangajangan’i Jezabela reninao sy ny vorika betsaka ataony?»


dia nitsena azy i Jehò, mpahita, zanak’i Hananì, ka hoy izy tamin’i Jôsafata mpanjaka: «Tokony hampiana va ny ratsy fanahy? Ary ny mankahala an’i Iaveh va no tianao? Noho izany dia ao aminao ny fahatezerana avy amin’i Iaveh.


Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.


Novany ny fon’ireo, ka tonga nankahala ny vahoakany, sy nanao famadihana an’ireo mpanompony.


Ry Iaveh ô, tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala Anao, sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra Anao?


Ny marina mankahala ny teny mamitaka; ny ratsy fanahy kosa mampahazo henatra sy fahafaham-baraka.


Nandalo teo akaikinao Aho ka nahita anao; dia efa tonga ny fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana; ka novelariko taminao ny ila lambako, nanaronako ny fitanjahanao ary nianiana taminao Aho, ka nanao fihavanana taminao, - teny marin’ny Tompo Iaveh, - ka dia Ahy ianao.


«Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro.


sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.


Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan’i Kristy ny Eglizy, sy nahafoizany Tena ho azy,


mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany,


Azon’i Jôsoe avokoa ny tany rehetra, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy, ka nomen’i Jôsoe ho lovan’i Israely, natokony araka ny fokony avy. Dia natsahatra tamin’ny ady ny tany.


Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra