Misàka manjaka ao am-poko izao fa misy iraka lehibe ho antsika mino, dia ny fitoriana ny Filazantsara amin’ny olona rehetra, manerana izao tontolo izao. Araka ny voasoratra hoe: “Ary hoy izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka torio ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.” (Marka 16:15).
Koa miomàna tsara àry ianao hanatanteraka ity iraka soa nomen’Andriamanitra antsika ity. Resaho amin’izay mbola tsy mahalala Azy ny momba an’Andriamanitra. Tiavo ny mamaky ny Teniny, dia ho fantatrao ny fomba hiresahana amin’ireo olona apetrany eo amin’ny lalanao.
Sahia, ary aza misalasala mitondra ity hafatra mahafinaritra momba ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay izay efa nomen’Andriamanitra anao ity. Matokia fa Izy no hampiofana sy hanome hery anao isan’andro amin’ny alalan’ny Teniny. “Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.” (Romana 5:8)
Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ary ampianaro, fa Andriamanitry ny famonjeko Ianao; Ianao no antenaiko mandritra ny andro.
Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.
Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.
Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn’ny fahamarinanao.
Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.
fa rehefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo.
fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy.
Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny. Lavorary ny lalàn’i Iaveh, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teny vavolombelon’i Iaveh, ka mahahendry ny kely saina.
Dia hoy i Pilaty taminy: «Koa mpanjaka izany Ianao?» Ary novalian’i Jesoa hoe: «Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tatỳ an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.»
Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny mandre fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa.
Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny, izay manaraka ny rariny, ka milaza ny marina ao am-pony.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina; ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.»
Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany, hanaraka ny fitiavana marina ny havana iray finoana, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa;
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.
Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Iraho ny fahazavanao amam-pahamarinanao, dia hitarika ahy anie izany, ka hitondra ahy ho any amin’ny tabernakla aman-tendrombohitrao masina.
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.
Fa ny marina no ambaran’ny vavako, ary ny tsy marina dia fahavetavetana ho an’ny molotro.
Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan’ny olona;
sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian’ny olon-drehetra eo anatrehan’Andriamanitra izahay.
Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.
Mahita sitraka amin’ny mpanjaka, ny molotra marina; ary tiany izay miteny amim-pahatsoram-po.
Eo akaikin’izay rehetra miantso Azy I Iaveh, dia izay rehetra miantso Azy amin’ny fony tokoa.
Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatỳ amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Fa i Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin’ny razan’izy ireo;
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety, tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po, fa amin’ny mofo tsy misy lalivay, dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.
Ny fahatsoran’ny olo-mahitsy fo mitari-dalana azy, fa ny fiolikoliky ny mpamadika kosa, mandringana azy.
nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen!
Fa tsy mahavita na inona na inona hanohitra ny marina izahay, fa ny hampandroso ny marina ihany.
Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra, ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay; izany no ahafantarantsika izay fanahin’ny fahamarinana, sy izay fanahin’ny hadisoan-kevitra.
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana ao amin’i Jesoa,
Taminao irery ihany no nanotako; nanao izay ratsy eo imasonao aho, mba ho hitan’ny olona fa marina Ianao amin’ny teny fitsaranao.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho, tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe: Aoka hitady foana anie ianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.»
Hataon’ny zatovo ahoana no fahatonga ny lalany ho madio? Ny fitandremany tena araka ny teninao.
Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany. Aza mahafoy azy fa harovany ianao; tiavo izy fa hitahiry anao. Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ilay naniraka azy no marina, ary tsy misy fitaka ao aminy.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy, marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaia manontolo izany.
Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.
Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.
Efa niely amin’ny olona rehetra ny lazan’ny fanekenareo izao, ka faly aminareo tokoa aho; fa hany iriko dia izao: mba ho hendry ianareo raha ny amin’ny tsara, fa tsy hahalala kosa raha ny amin’ny ratsy.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
Hahita famonjena ny mandeha amin’ny fahamarinana tanteraka, fa ho lavo tsy afa-miarina intsony, ny manaraka lala-miolikolika.
I Iaveh no mahamafy ny dian’ny olo-marina; ary mankasitraka ny lalany. Raha lavo izy tsy mba miampatra amin’ny tany; fa i Iaveh mitantana azy.
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.
dia ny Fanahin’ny fahamarinana, izay tsy azon’izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany ka tsy fantany, fa ianareo no hahafantatra Azy, satria hitoetra ao aminareo sy ao anatinareo Izy.
Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.
Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka, fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika noho ny voninahiny sy ny fahatsaràny;.
Famindram-po amam-pahamarinana avokoa ny lalan’i Iaveh amin’izay mitandrina ny fanekeny sy ny didiny.
Fa ny amin’ny didy nomeko azy ireo, dia izao no nolazaiko taminy: Mihainoa ny feoko; ary Izaho no Andriamanitrareo, ary ianareo no vahoakako; mizora amin’ny lalana rehetra handidiako anareo, mba ho sambatra ianareo.»
Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy, dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.
Mitadiava an’i Iaveh, dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina. Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
maniria fatratra ny rononom-panahy tsy misy famahony, toy ny zaza vao teraka, mba hampitomboany anareo amin’ny famonjena,
Anaka, raha mandray ny teniko ianao, ary mitana ny didiko ao aminao, Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana, dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana, mba hanafaka anao amin’ny lalan’ny ratsy fanahy, amin’ny olona manao resaka ratsy, amin’izay miala amin’ny lala-mahitsy, ka mizotra amin’ny lalana maizina; ary ny manao ratsy no ifaliany sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany; sakeli-dalana miolikolika no alehany ary lalana miolakolaka no ombany; hanafaka anao amin’ny vehivavy efa an’ny hafa, amin’ny vehivavy efa an’olon-kafa izay manao teny mandrobo, izay mandao ny naman’ny fahatanorany, sy manadino ny fanekeny amin’ny Andriamaniny; fa efa miraika ho amin’ny fahafatesana izy sy ny tranony, ary mankany amin’ny afobe ny lalany; tsy misy miverina izay rehetra mandeha aminy, tsy misy mahita ny lalan’ny fiainana intsony na dia iray aza. mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena ianao, ka mampiròna ny fonao ho amin’ny fahalalana; Dia handeha amin’ny lalan’ny olona tsara fanahy ianao, ary hifikitra amin’ny lalan’ny marina. Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin’ny tany, ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo. Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana hiala eo. eny, raha miantso ny fahamalinana ianao, ka manandra-peo amin’ny fahafantarana, raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra; dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an’i Iaveh, ary ho hitanao amin’izany ny fahalalana an’Andriamanitra.
mba homen’ny Rain’ny voninahitra, Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo, ny fanahy fahendrena amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana, ary mahareta amin’ny fivavahana;
Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina, ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho; tariho amin’ny lalana marina aho; noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
Izay mandeha tsy manan-tsiny no mandeha matoky; fa izay maniasia lalana, ho fantatra eny ihany.
Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
Koa niara-nalevina taminy tamin’ny Batemy ho amin’ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona, tamin’ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Fa i Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin’ny Vavany no ivoahan’ny fahaizana amam-pahamalinana. Mitahiry ny fahasambarana ho an’ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an’izay mandeha amin’ny fahalavorariana. Miaro ny sakeli-dalan’ny fahamarinana izy, miambina ny lalan’izay miraiki-po aminy.
Fa Ianao kosa, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be indrafo amam-pahamarinana.
Fa ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora toroana, be indrafo amana vokatsoa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin’ny maizina sy amin’ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin’ny làlam-piadanana.»
Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,
ka hitafy ny olom-baovao izay noarîna araka an’Andriamanitra amin’ny fahamarinana amam-pahamasinana tena izy tokoa.
Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.
Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, fahalemem-panahy, hatsaram-po, finoana, tsy fivadihana, fahalalana onona, fahadiovana: tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin’ny tenanay; Andriamanitra ihany no iavian’ny fahampiana.
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo.
Raha tsy misy finoana, dia tsy misy ahazoana sitraka amin’Andriamanitra koa: satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy hino fa misy Izy, sady mamaly soa izay mitady Azy.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro. Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy, eo amin’ny lala-mahitsy.
satria tsy ho amin’ny fahalotoana, fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin’ny Soratra Masina.
Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo, Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ao amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon’ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan’ny olona ho amin’ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin’ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin’ny zavatra rehetra, amin’ny firaisana amin’ny Loha, dia i Kristy. Izy no iankinan’ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin’ny fitiavana. Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony, ka lany henatra dia navarin’ny filàn-dratsiny tamin’ny fijejojejoana amam-pahalotoana rehetra. amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany? Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy;
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Mifalia sy miravoravoa amin’i Iaveh ianareo olo-marina, Manaova hobin-kafaliana ianareo mahitsy fo rehetra!
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Dia hoy i Jesoa taminy: «Kely foana sisa hitoeran’ny mazava eto aminareo, ka mandehana dieny mbola eo aminareo ny mazava, fandrao tratry ny haizina ianareo, satria izay mandeha amin’ny haizina dia tsy mahalala izay alehany akory.
I Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an’izay rehetra manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana izay ao anatinareo.
Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.
Diniho ny tenanareo na mitoetra amin’ny finoana ianareo, na tsia; tsapao ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va, fa ao amin’ny tenanareo i Jesoa Kristy, afa-tsy raha olona tsy voazaha toetra ianareo?
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Izay fatra-panaraka ny fahamarinana amam-pamindram-po, hahazo ny fiainana amam-pahamarinana ary ny voninahitra.
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.