Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Korintiana 13:6 - Baiboly Katolika

6 tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona, fa mifaly noho ny fahamarinany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 tsy mifaly amin’ny tsy rariny ataon’ny olona, fa mifaly amin’ny marina ataon’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 tsy mifaly amin’ny tsy rariny ataon’ny olona, fa mifaly amin’ny marina ataon’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 13:6
27 Rohy Ifampitohizana  

Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy; manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.


Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman’ny olona ny lalànao.


Ka faly i Jetrô noho ny soa rehetra nataon’i Iaveh tamin’i Israely sy ny nanafahany azy tamin’ny tanan’ny Ejiptianina.


Ny adala mihomehy ny ota; fa ao amin’ny olo-mahitsy fo no misy fanehoam-pitiavana.


Raha tsy mihaino izany ianareo, dia hitomany mangingina ny fanahiko noho ny fiavonavonanareo; hamarin-dranomaso mangidy ny masoko, hanao ranomaso havozona aho, satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.


Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.


Iza no mba hampahita ahy, fialofan’ny mpandeha any an’efitra, handaozako ny fireneko, hihatahako amin’izy ireo, satria izy ireo mpijangajanga avokoa, fiangonan’olona mpivadika.


Mivoky amin’ny fahotan’ny vahoakako izy ireo; ary tsy maniry afa-tsy ny faharatsiany.


Ny mpanjaka, falifaliany amin’ny haratsiany; ary ny mpifehy amin’ny laingany.


Aza mifaly noho ny amiko, ry ikala fahavaloko, fa na lavo aza aho, mbola hiarina; na mitoetra amin’ny maizina aza aho, i Iaveh no fahazavako.


Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.


Dia faly izy ireo ka nanaiky hanome vola azy.


Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.


Aza asiana fihatsarambelatsihy ny fitiava-namana; mankahalà ny ratsy, ary miraiketa amin’ny tsara.


Nefa mampaninona moa izany e? Rehefa i Kristy no torina, na amim-pihatsarambelatsihy izany, na amin-kitsim-po, dia mahafaly ahy izany, ary mbola hahafaly ahy koa aza.


ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra,


Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.


mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.


Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra