Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 45:19 - Baiboly Katolika

19 Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho, tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe: Aoka hitady foana anie ianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako, na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho! Izaho TOMPO no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Tsy tao amin’ny mangingina, Dia tao amin’ny fitoera-maizina amin’ny tany, no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina Sy manambara ny mahitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak'i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 45:19
45 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankehitriny, eto imason’i Israely rehetra, fiangonan’i Iaveh, sy eto anatrehan’ny Andriamanitsika, izay mandre antsika, dia araho sy tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan’ny fara mandimby anareo mandrakizay.


ka nandeha nitsena an’i Asà izy, sy nilaza taminy hoe: «Mihainoa ahy, ry Asà, mbaminareo Jodà sy Benjamina rehetra. Momba anareo i Iaveh raha momba azy ianareo; raha mitady Azy ianareo, dia hety ho hitanareo Izy, fa raha mahafoy Azy kosa ianareo, dia mba hahafoy anareo koa Izy.


raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.


Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.»


Noho ny fahorian’ny ory, amam-pisentoan’ny mahantra, dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy i Iaveh, dia hitondra aminy ny famonjena izay iriny.


Toy izany ny taranak’izay mitady Azy, dia ireo mitady ny Tavan’ny Andriamanitr’i Jakôba. - Selà


Izay mipetraka eo am-bavahady, miresaka ahy; ary ny mpisotro fisotro mahery, manao an-kira ahy.


Fa hankasitrahin’i Iaveh mihoatra noho ny ombalahy izany, mihoatra noho ny vantotr’ombalahy manan-tandroka sy kitro.


Nony nasiany tamin’ny fahafatesana izy ireo vao nitady Azy, niverina izy ka dodona hahita an’Andriamanitra indray;


I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna, fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana.


Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo am-bavahady sy eny an-tanàna manao hoe:


Ny soron’ny ratsy fanahy dia ankahalain’i Iaveh; fa ny vavaky ny olo-mahitsy kosa, ankasitrahiny.


Voazaha toetra tamin’ny afo avokoa ny tenin’Andriamanitra; ampinga ho an’izay mialoka aminy izy.


Mihainoa, fa manan-java-tsoa holazaina aho, ary misokatra hampianatra ny mahitsy ny molotro.


Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.


Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh.


Aza taitra na matahotra foana ianareo! Tsy efa nampahalala anao, hatry ny ela va Aho, sy efa nilaza izany taminao? - Ianareo no vavolombeloko!- Moa misy Andriamanitra afa-tsy izaho va? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahita izany aho.»


Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana; Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko.


Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’i Iaveh avokoa, ny taranak’i Israely rehetra.


Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»


Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.


Hamoaka taranaka avy amin’i Jakôba Aho, sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin’i Jodà, ka ny voafidiko no hahazo azy, ary ny mpanompoko no honina eo.


Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?


Taranaka ahoana re ianao izany e! Diniho ny tenin’i Iaveh: Moa tany efitra ho an’i Israely va Aho, moa tany maizim-pito va? Nahoana ny vahoakako no manao hoe: ‹Efa afaka izahay, ka tsy hiverina aminao intsony?›


Fa izao lazain’i Iaveh, amin’ny taranak’i Israely: Tadiavo Aho, dia velomy ianareo.


ka hoy i Jesoa namaly azy: «Niteny ampahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagoga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;


Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy?


Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: «Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo.


Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.


mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filàn-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra