Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 13:8 - Baiboly Katolika

8 i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 13:8
19 Rohy Ifampitohizana  

Namboly tamarisa tao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.


Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo,


Talohan’ny namoronanao ny tendrombohitra, sy niterahanao ny tany sy izao rehetra izao: dia efa nisy mandrakizay ka ho mandrakizay Ianao, ry Andriamanitra!


Fa eo imasonao, ny arivo taona, dia tahaka ny andro omaly, raha mandalo izy, ary tahaka ny fiambenana iray amin’ny alina.


Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»


Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin’ny voalohany, Izaho Iaveh, Izay voalohany, sady ho eo amin’ny farany koa!»


Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Noho Izaho Iaveh tsy miova, no tsy nahafongotra anareo, ry taranak’i Jakôba.


Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa, izay notorinay sy i Silvano ary i Timote taminareo, tsy nisy «eny» sy «tsia,» fa «eny» ihany no tao aminy.


Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra, dia tao amin’i Jesoa ihany ny «eny», ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana «Amen», mba ho voninahitr’Andriamanitra.


ary havalonao toy ny lamba, ka hovana avokoa; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra.


Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.


dia ho an’Andriamanitra tokana Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika, ny voninahitra sy ny fiamboniana, ary ny hery sy ny fanjakana, hatrizay hatrizay, sy ankehitriny ary mandrakizay doria. Amen.


nanao hoe: «Soraty amin’ny boky izay hitanao, ka ampitondray any amin’ny Eglizy fito any Azia, dia any Efezy, Smirna, Pergama, Tiatira, Sarda, Filadelfia, ary Laodisea.»


Mamangy ny Eglizy fito any Azia aho, Joany: ho ao aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin’ny Fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianany;


Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra