Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 42:16 - Baiboly Katolika

16 Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Ny jamba hampandehaniko amin’ny lalana tsy mbola fantany; sakeli-dalana tsy mbola hainy no hitarihako azy ireo. Hovako ho mazava ny haizina eo anatrehany ary ho mahitsy ny lala-miolakolaka. Hotanterahiko ireo fikasàko ireo fa tsy hisy havelako velively.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ny jamba hampandehaniko amin’ny lalana tsy mbola fantany; sakeli-dalana tsy mbola hainy no hitarihako azy ireo. Hovako ho mazava ny haizina eo anatrehany ary ho mahitsy ny lala-miolakolaka. Hotanterahiko ireo fikasàko ireo fa tsy hisy havelako velively.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Hitarika ny jamba amin’izay làlana tsy fantany Aho; Ary amin’ny làlana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, Ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy Ka tsy hamelako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Hitarika ny jamba amin'izay lalana tsy fantany Aho; ary amin'ny lalana tsy fantany no hitondrako azy; Ny maizina dia hataoko mazava eo anoloany, ary ny mikitoantoana halamako tsara; Izany zavatra izany no hataoko aminy ka tsy hamelako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Hitarika ny jamba amin’izay lalana tsy fantany Aho; amin’ny lalana tsy fantany no hitondrako azy. Hataoko mazava eo anoloany ny maizina, ary hataoko tany marina tsara ny mikitoantoana; izany zavatra izany dia hataoko aminy ka tsy hilaozako izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:16
40 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy hanary ny vahoakany i Iaveh, tsy hahafoy ny lovany Izy;


Ny meloka, tsy mety mihamahitsy indray, ary ny tsy eo, tsy azo isaina.


Jereo ange ny asan’Andriamanitra: Zovy moa no hahahitsy izay nomelohiny?


Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina; mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.


Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.


Izany no iandrasan’i Iaveh vao hamindra fo aminareo izy, dia hitsangana, ka hiantra anareo; satria Andriamanitra marina i Iaveh. Sambatra izay rehetra manantena Azy!


Ary handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: - Ity no lalana, ka ombao io! - dia raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia.


Ny mason’ny mahiratra tsy hohajambaina intsony, ny sofin’ny malady, hihaino tsara,


Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina.


Hisy arabe, hisy lalana, izay atao hoe ny lalana masina; ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo; fa ho azy ireo ihany izy io; izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.


Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.


Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan’ny hetaheta ny lelany, dia Izaho Iaveh no hihaino azy, Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.


Enjehiny ireo, ka mizotra soa aman-tsara Izy; eo amin’ny lalana mbola tsy nodiavin’ny tongony.


«Izaho handeha eo alohanao, handravona ny lalana mikitoantoana, hanorotoro ny vavahady varahina, ary hanapatapaka ny hidy vy.


Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.


Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.


Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»


Ho mpianatr’i Iaveh avokoa ny zanakao rehetra, ary ho be fiadanana ny zanakao.


raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao:


Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,› ‹Ny navotan’i Iaveh›; ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›, ‹Tanàna tsy foy› ».


Hampionona anareo izy ireo, rehefa mahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo, ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


Horavako ny voalobony aman’aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen’ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy.


Tsy hamindra fo amin’izay zanany Aho, fa zanaky ny fijangajangana ireny;


Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.


ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,


mba hampahiratra ny mason’izy ireo, hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, sy avy amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, ka hahazoany famelan-keloka sy lova miaraka amin’ny olo-masina noho ny finoana Ahy.


Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.


Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;


Asio elanelany sahabo ho arivo hakiho anefa aminareo sy izy, mba hahitanareo ny lalana hombanareo, fa lalana mbola tsy nalehanareo na oviana na oviana izany.»


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra