Indro ry zareo noheverin’izao tontolo izao ho tsinontsinona sy ambany indrindra no nofidin’Andriamanitra, dia izay atao hoe tsinontsinona, mba hahafoana izay misy, mba tsy hisy olona hirehareha eo anatrehany. Tsarovy isan’andro eo amin’ny fiainanao fa mila an’Andriamanitra ianao ary miankina amin’ny fitiavany mahatoky, satria izay mirehareha amin’ny tenany dia mihevitra fa mahavita ny zavatra rehetra irery, matoky ny fahaizany sy ny heriny.
Tian’Andriamanitra hiaina tsy misy fireharehana ny zanany satria ny mpiavonavona dia jereny lavitra, fa ny mahafantatra fa tsy mahavita miaina raha tsy eo anatrehany kosa no omeny fahasoavana. Rehefa te-hanandra-tena ianao dia tsarovy izay maha-ianao taloha, fony ianao mbola tsy nanana an’Andriamanitra, jereo ny hatsaram-panahiny taminao, ary omeo an’i Jehovah ny voninahitra sy ny fiderana rehetra, satria haizina ianao taloha, fa ankehitriny kosa dia efa mazava tsara ny fiainanao, koa aza mirehareha na amin’inona na amin’inona, satria ny zavatra rehetra anananao sy maha-ianao anao dia vokatry ny fahasoavana be dia be izay naidiny taminao. (1 Korintiana 1.28-29)
Aza dia fatra-piteny avonavona na mamoaka vava midaondaom-poana. Fa Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra i Iaveh, ary velon-ko tsinontsinona ny asan’ny olombelona.
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso; fa tsy fantatrao izay havoakan’ny andro manaraka.
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany.
Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,
Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin’ny lalàna inona? Tamin’ny lalàn’ny asa va? Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;
Ary na mba nirehareha ny aminareo eo anatrehan’i Tito koa aza aho, dia tsy nahamenatra ahy izany, satria noho izahay samy nilaza ny marina taminareo mandrakariva, dia marina ny reharehako ny aminareo tamin’i Tito.
ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo, dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidin’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.
Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.
Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao.
Tsy mirehareha ivelan’ny ohatra izahay, ka hirehareha amin’izay nisasaran’ny sasany; fa izao no antenainay: rehefa mitombo ny finoanareo, dia hitombo ao aminareo hatrany hatrany izahay, araka ny voafaritra ho anjaranay;
Mirehareha amin’ny fitsiriritany ny ratsy fanahy; manamavo an’i Iaveh ny mpandroba mandoza.
Fa toy ny rahona aman-drivotra tsy misy orana kosa, ny olona mirehaka amin’ny fanatitra hosoka.
mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna,
Fa ny hamaroan-draharaha, miteraka nofy; ary ny hamaroan-teny, mampisy rediredin’adala.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. -
Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
fa izao no navaliny ahy: «Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no iamparan’ny heriko.» Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.
mpanendrikendrika, halan’Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny,
Raha noho ny asa no nanamarinana an’i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan’Andriamanitra.
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
Samia mandinika ny asany avy, mba samy ho ny amin’ny tenany ihany no ho reharehany, fa tsy ho ny amin’ny an’olon-kafa,
Fa izao kosa no navalin’ny mpanjakan’i Israely nataony hoe: «Lazao aminy hoe: Aoka izay mbola mitafy ny fiadiany, tsy hirehareha toy ny efa nametraka ny azy.»
mihozongozona ny tany mbamin’ny mponina rehetra eo aminy; izaho kosa dia mampiorina ny andriny. - Selà
Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Fahavetavetana amin’i Iaveh ny miavona am-po rehetra; azo itompoana tokoa fa tsy ho afa-maina izy.
Toy izany koa ny lela: rantsam-batana kely foana izy, nefa zava-dehibe no mety ho vitany, jereo izay afo kely foana: dia ala lehibe manao ahoana no doroany! Ny lela koa dia afo; fototry ny haratsiana maro izy. Eo amin’ny rantsam-batantsika, dia izy no mandoto ny tenantsika manontolo; arehitry ny gehen’afo izy, ka mandrehitra ny fandehan’ny andro iainantsika.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny Seoly, fa handray ahy ho any aminy Izy. - Selà Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.
Ny vavan’ny adala, misy tsora-kazom-piavonavonana; ny molotry ny hendry kosa miaro ny tenany.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Izahay tsy mba sahy mampitovy na mampitaha ny tenanay amin-dry zareo sasany midera tena; satria hadalana mihitsy ny azy manohatra ny tenany amin’ny tenany, sy mampitaha ny tenany amin’ny tenany.
Misandratra ny fon’ny olona alohan’ny faharavàny, fa ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra.
maro ny fikasana mihetsiketsika ao am-pon’ny olona, fa ny hevitr’i Iaveh ihany no tanteraka.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
Isika izay matanjaka dia tokony handefitra ny fahalemen’izay osa, fa tsy hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.
Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po, tsy ho tohako.
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.
Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray ianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny?
Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao; fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.
fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka,
Nataon’i Davida. Aza tezitra noho ny amin’ny mpanao ratsy, na mitsiriritra ny toetr’izay mpanao heloka. Raha afaka kelikely foana dia tsy ho eo intsony ny ratsy fanahy; mijery ny fitoerany ianao, fa efa nanjavona izy. Ny malemy fanahy no hanana ny tany; ka ho finaritra mankafỳ fiadanana lehibe. Ny ratsy fanahy namoron-tsain-dratsy, hamelezana ny marina, sady manidy vazana aminy. Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny. Ny ratsy fanahy manatsoaka ny sabany, manenjana ny tsipìkany handavo ny ory sy ny malahelo, hamono izay mahitsy lalana. Ny sabany hiditra amin’ny fony ihany; ary ny tsipìkany ho tapatapaka! Aleo ny kely ananan’ny olo-marina, toy izay ny be ananan’ny olon-dratsy maro; fa ny sandrin’ny mpanao ratsy, ho tapatapaka; ary ny olo-marina kosa hotohanan’i Iaveh. Fantatr’i Iaveh ny andron’ny marina; ary ny lovany haharitra mandrakizay. Tsy mba menatra izy amin’ny andron’ny fahoriany; ary ho voky amin’ny taona mosarena. Fa hojinjaina faingana tahaka ny ahitra ireny, ka halazo tahaka ny ahi-maitso.
Raha dia efa adala loatra ianao, ka mila hoentin’avonavona, raha manan-kevitra izany ianao, dia tampeno tanana ny vavanao;
Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Raha tonga ny fiavonavonana, ho tonga koa ny fahafaham-baraka; fa ny fahendrena kosa miaraka amin’ny manetry tena.
Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
(Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Iaveh); ny rehareha aman’avonavona, ny lalan’ny haratsiana, ary ny lela fandainga, dia izany no halako.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erỳ! Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana dia mampibonaka ny vongan-dafarìna manontolo?
Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana.
dia olona mpieboebo foana izany, sy tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ady hevitra aman’ady teny, izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao; ary aza miravoravo fo amin’ny faharavàny, fandrao hitan’i Iaveh izany, ka ratsy eo imasony, dia haviliny tsy ho any aminy, ny hatezerany.
fa izy akory tsy tsara noho ny hevitra ao am-pony; Mihinàna, misotroa, hoy izy aminao, kanjo ny fony tsy momba anao akory.
Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.
Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo; na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy? Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy! Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona, na voan’aviavy amin’ny hery? Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Amin’ny fanampian’Andriamanitra no iderako ny fahatanterahan’ny teniny. Andriamanitra no itokiako, ka tsy matahotra na inona na inona aho: Inona no ho efan’ny olona foana amiko?
ka manao hoe: «Tsy mijery akory i Iaveh, tsy asian’ny Andriamanitr’i Jakôba raharaha akory izany!» Mba fantaro kely, ry zana-bahoaka adala! Rahoviana no mba hanana fahalalana ianareo, ry adala?
ary hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: ‹Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?› Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.» Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Raha milaza antsika ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny marina.
Aleo miara-mietry tena amin’ny madinika, toy izay mira-mizara babo amin’ny mpiavonavona.
Ary zovy moa ianao no mitsara ny mpanompon’ny hafa? Na mijoro na lavo izy, dia asan’izy tompony izany. Sady hijoro koa izy, satria mahay mampijoro azy ny Tompo.
Ny tranon’ny mpiavonavona, ravàn’i Iaveh; fa ny baorina mamaritra ny an’ny mpitondra tena kosa aoriny mafy.
Olom-boafidin’Andriamanitra àry ianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana. Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Misy mpiavonavona, mamoron-dainga hamelezena ahy; izaho kosa, mitandrina ny didinao amin’ny foko rehetra.
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, fa ny raharahan’i Kristy no saika nahafaty azy; ary ny fanefana ny fanompoana ahy tsy efanareo no nanaovany ny ainy tsy ho zavatra samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an’ny namany koa.
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
Araka ny fantatrareo rahateo, ry havako malala, dia aoka ny olona rehetra hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny, sy tsy halaky tezitra.
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa. Koa dieny mbola manana andro isika, manaova soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny havana rehetra iray finoana. Jereo ity sora-baventy manaraka, nosoratan’ny tanako ho aminareo. Izay rehetra mila sitraka araka ny nofo, dia ireny no manery anareo hoforàna; nefa noho izao ihany: fandrao enjehina noho ny Hazofijalian’i Kristy izy. Fa na dia ny tenan’izy voafora ireny aza, tsy mitandrina ny Lalàna akory; ka hany itadiavany anareo hoforàna, dia ny mba hireharehany amin’ny nofonareo. Raha ny amiko, dia sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa taminy no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana izao tontolo izao ho ahy, ary izaho ho an’izao tontolo izao. Tsy mampaninona na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny ho olom-baovao no tena zavatra. Ho an’izay rehetra hanaraka ity fitsipika ity anie, sy ho an’i Israelin’Andriamanitra koa ny fiadanana amam-pamindram-po! Amin’izao sisa izao, aza misy manahirana ahy intsony, fa mitondra ny marik’i Jesoa amin’ny vatako aho. Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen. Mifampitondrà ny mavesatra ianareo, dia ho tanterakareo amin’izany ny lalàn’i Kristy;
Aza manao endrika miavonavona eo anatrehan’ny mpanjaka, ary aza mipetraka eo amin’ny fitoeran’ny lehibe; Fa aleo ny olona no hilaza aminao hoe: Miakara atỳ; toy izay ianao no haetry eo imason’ny andriana, izay efa hitanao maso.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro! Jereo raha eo amin’ny lalan-dratsy aho, dia tariho eo amin’ny lalana mandrakizay.
Ny manan-karena manao ny tenany ho hendry; fa ny mahantra manan-tsaina kosa, mahalala azy ihany.
mirehareha ho manan-dalàna, nefa manala baràka an’Andriamanitra amin’ny fandikana ny Lalàna, satria noho ianareo ihany no itenenan-dratsy ny Anaran’Andriamanitra any amin’ny Jentily, araka ny lazain’ny Soratra Masina.
Ny mba ho hitan’ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an’ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin’ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin’ny sinagoga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin’ny olona hoe Raby.
Ho an’ny mpampianatra hira. Hira nataon’i Davida, Fa izaho kosa dia toy ny ôliva maitso ao an-tranon’Andriamanitra, ny hatsaram-pon’Andriamanitra no itokiako mandrakizay doria. Hidera Anao lalandava aho, fa nanao izany Ianao; ary hanantena ny Anaranao aho, fa tsara Izy, eo anatrehan’ny miraiki-po aminao. fony i Dôega, Edômita, tonga nilaza tamin’i Saola hoe: Nankany an-tranon’i Akimeleka i Davida. Ahoana no mirehareha amin’ny haratsianao, ry ilay mahery! - Maharitra mandrakizay ny hatsaram-pon’Andriamanitra!
Ny adala miseho ho tezitra miaraka amin’izay; fa ny olona malina kosa mahay mody tsy mahita ny fanesoana azy.
fa mifamporisiha isan’andro, dieny mbola misy izay atao hoe «anio,» mba tsy hisy hihamafy fo aminareo, noho ny famitahan’ny fahotana.
Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao, nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao? Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Avelao hoesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao, nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao, ary raha efa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.
Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra,
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Hoy ny ratsy fanahy, amin’ny fianjonanjonany: Tsy mamay izy! Tsy misy Andriamanitra. Izany no totalin-keviny.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara. Mifohaza marina, ary aza manota: fa ny sasany izany dia tsy mahalala an’Andriamanitra akory e; hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Aza asianao raharaha loatra izao teny lazaina rehetra izao; fandrao dia renao manozona anao ny mpanomponao. Satria fantatry ny fieritreretanao fa matetika dia efa nanozona ny sasany koa ianao.
Midera Anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boaary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin’ny fanahiko ny miaiky izany.