Biblia Todo Logo
Andininy ao amin’ny Baiboly
- dokam-barotra -


208 Andininy ao amin'ny Baiboly momba an'i Santeria sy ny Ody

208 Andininy ao amin'ny Baiboly momba an'i Santeria sy ny Ody


Deoteronomia 12:3

Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:36

Nanompo ny sampin’ireny, izay tonga fandrika ho azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 46:5-7

Hampitahainareo amin’iza Aho, ary ataonareo sahala amin’iza? Hampitahafinareo amin’iza Aho ka hitovy izahay? Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony, mandanja volafotsy amin’ny mizàna, ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin’izany, dia miankohoka sy mivavaka. Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 4:8

Teo aloha, fony tsy mbola nahalala an’Andriamanitra ianareo, dia nanompo andriamanitra tsy izy tokoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 11:16

Mitandrema tena fandrao voasodoka ny fonareo, ka mivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehan’ireny ianareo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 23:13

«Tandremo avokoa ny zavatra rehetra nandidiako anao; aza manonona anaran’andriamani-kafa: aoka tsy hisy re aloaky ny vavanao akory izany.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:22-23

Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:14

Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:20-21

Tsia, fa ny zavatra aterin’ny Jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin’ny kalisin’ny Tompo no hisotro amin’ny kalisin’ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin’ny latabatry ny Tompo no hihinana amin’ny latabatry ny demony koa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 115:4-7

Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manana orona fa tsy manimbolo, manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 11:14-15

Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa; ka tsy mahagaga na maka ny endriky ny mpandraharahan’ny fahamarinana aza ny mpandraharahany. Fa ny hiafarany no ho araka ny asany ihany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 20:3-5

Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao. Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao ianao na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro, ka amin’izay mankahala Ahy, mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:23-24

Mitandrema tena ianareo, mba tsy hanadino ny fanekena nataon’i Iaveh Andriamanitrareo taminareo, sy tsy hanao sarin-javatra voasikotra ho anareo, dia ny sarin-javatra na inona na inona, nandraran’i Iaveh Andriamanitrareo anareo. Fa i Iaveh Andriamanitrareo anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 97:7

Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 42:8

Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 135:15-18

Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany. Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 115:8

Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 51:17-18

Ketrina, tsy manan-tsaina avokoa ny olombelona; menatra noho ny amin’ny sampiny avokoa ny mpanefy ireny, satria fitaka foana ny sampiny fa tsy misy fofon’aina akory amin’izy ireny. Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 45:20

Mivoria ianareo, ka avia, miaraha manatona, ry sisan’ny firenena izay afaka. Tsy mahalala na inona na inona izay mitondra ny sampy hazony, sy miantso izay andriamanitra tsy mba mamonjy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 10:3-5

Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka, ka ravahana amin’ny volafotsy sy volamena. Homboana amin’ny fantsika, velezina amin’ny tantanana izany, mba tsy hihetsiketsika, Sahala amin’ny andry voavaofy tamin’ny milina fandrafetana ireny andriamanitra ireny ka entin’olona, fa tsy afa-mandeha. Aza matahotra an’ireny, fa tsy mahay manisy ratsy izy; ary indrindra koa tsy mahay manisy soa.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Habakoka 2:18

Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika, no mipaika azy ny mpamorona azy, na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga, no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy, amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 19:26

Aza mihinan-javatra miharo ra. Aza manao sikidy na fankatoavana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tantara 10:13-14

Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty. Tsy nila hevitra tamin’i Iaveh izy, ka dia novonoin’i Iaveh, ary nafindrany amin’i Davida zanak’i Isaia ny fanjakana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 21:6

Nampamakiany ny afo ny zanany, narahiny ny fanandroana sy ny sikidy, natsangany ny mpiantso ny maty sy ny mpanao ody, ka nandroso nandroso ihany izy nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh hampahatezerany azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Mika 5:12

Ny sampy aman-tsangam-batonao hofoanako eo aminao, ka tsy hivavaka amin’ny asan-tananao intsony ianao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 22:18

«Aza velomina izay zazavavy mpanao ody.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 18:10-12

Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody, mila hevitra amin’ny mpamoha angatra sy amin’ny mpamosavy ary manontany ny maty; fa halan’i Iaveh ny olona rehetra manao izany zavatra izany, ary noho izany fahavetavetana izany no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao ireo firenena ireo eo anoloanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:12-14

Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao, sy amin’ireo odinao marobe, izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao. Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao; sao mba mety hampahatahotra, ianao! Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaky ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao. Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 20:27

Hatao maty avokoa izay lehilahy na vehivavy mamoha angatra na manao hatsaràna, hotoraham-bato izy, ka dia amin’izy ireo ny rany.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 20:6

Raha misy olona manatona izay mpamoha angatra na mpisikidy, ka mivadika amiko hanaraka ireny, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Tantara 33:6

Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:19-21

Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 21:8

Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 22:15

Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 27:9

Ary ianareo, aza mihaino ireo mpaminaninareo, na mpimasinareo, na ny nofinareo, na ny fambarànareo, na ny mpanao fankatoavanareo, izay milaza aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 16:16-18

Indray andro raha nandeha hivavaka izahay, dia nifanena tamin’ny ankizivavin’olona anankiray izay notsindriam-panahy maminany, ka nampahazo harena be ny tompony tamin’ny faminaniana nataony; Rafitra nanaraka anay sy i Paoly izy io, sady niantso hoe: «Ireto lehilahy ireto no mpanompon’Andriamanitra Avo indrindra, izay hanoro anareo ny lalam-pamonjena.» Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin’ny fanahy nanao hoe: «Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy.» Dia nivoaka niaraka tamin’izay izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Levitikosy 19:31

Aza manatona an’izay mpamoha angatra na mpisikidy, aza maka hevitra aminy, mba tsy ho voalotony ianareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Genesisy 41:8

Nitebiteby ny fanahin’i Faraôna nony maraina ka nampiantso ny mpanoratra sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta izy. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny; nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamin’i Faraôna.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 28:7-9

Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôra misy vehivavy mpamoha angatra». Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa i Saola, ka niainga narahin’olona roa lahy. Alina no tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo ka hoy i Saola taminy: «Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin’ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankatỳ amiko izay hotononiko aminao». Fa namaly azy ravehivavy: «Indro fa fantatrao ihany ny nataon’i Saola, dia ny nandroahany hiala amin’ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana ianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko?»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:43-45

Rehefa nivoaka avy amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha eny amin’ny tanety maina hitady fialan-tsasatra; fa tsy mahita izy, ka hoy izy: «Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy ka hitany fa foana sy voadio ary voaravaka ny trano. dia mandeha izy maka fanahy fito hafa ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra izy ireo ka monina ao, ary ny faran’izany olona izany aza no ratsy noho ny voalohany. Dia ho tahaka izany koa no hanjò ity taranaka ratsy ity.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 4:12

Ny tapa-kazony no ilàn’ny vahoakako saina, ary ny tehiny no manoro azy ny ho avy, fa misy saim-pijangajangana nampania, ny vahoakako, ary lasa nijangajanga nanalavitra ny Andriamaniny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 19:18-19

Ary betsaka tamin’izay nino no tonga niaiky sy nilaza ny nataony. Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Nomery 23:23

Noho ny tsy fisian’ny fanandroana eo amin’i Jakôba, Sy ny tsy fisian’ny sikidy eo amin’i Israely, Dia holazaina amin’i Jakôba sy i Israely amin’ny fotoana mety Izay tian’Andriamanitra hotanterahina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 44:25

Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 18:23

Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Apokalipsy 9:20-21

Tsy nibebaka hiala amin’ny asan-tanany anefa ny olona sisa tsy matin’ireo loza ireo, mba tsy hivavahany amin’ny demony sy ny sampy volamena sy volafotsy sy varahina ary vato aman-kazo, izay tsy mahajery na mahare na afa-mamindra akory; tsy nisy nibebahany koa na ny vonoana olona, na ny ody mahery, na ny fijangajangana, na ny halatra nataon’izy ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 2:6

Fa efa nandao ny vahoakanao Ianao, ny taranak’i Jakôba, satria efa feno tafahoatra hatry ny ela ny helony; manaraka ny fankatoavana toy ny Filistinina izy, ary mifandray tanana amin’ny zanaky ny hafa firenena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Zakaria 10:2

Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 14:14

Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 17:17

Nampandehaniny hamaky ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy. Nataony daholo na sikidy na fankatoavana. Ary nikezaka hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh izy, ka nampahatezitra azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 22:28

Ny mpaminany manarontsarona izany heloka rehetra izany, mahita fahitana zava-poana amam-paminaniana lainga, milaza hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh, nefa i Iaveh tsy niteny tsinona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 21:21

Hodin-kavanana! Hodin-kavia! Atrika, atsỳ, arỳ!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 13:6-9

Fahitana tsy misy fotony ny azy, ary faminaniana mamitaka no an’ireo manao hoe: «Teny marin’i Iaveh»; nefa izy ireo tsy nirahin’i Iaveh, ary tsy mahazo manantena ny hahatanteraka ny teniny. Tsy fahitana foana va no hitanareo, tsy faminaniana lainga va no lazainareo, raha hoy ianareo: «Teny marin’i Iaveh!» nefa Aho tsy nilaza tsinona? Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho ianareo milaza zava-poana, sady fahitana lainga, ny anareo, dia indro Aho ho tonga atỳ aminareo - Teny marin’i Iaveh. - Ny tanako hamely an’ireo mpaminany mahazo fahitana tsy misy fotony, sy faminaniana lainga: tsy ho eo amin’ny mpanolo-tsaina ny vahoakako izy; na ho voasoratra amin’ny bokin’ny taranak’i Israely; ary tsy hiditra ao amin’ny tanin’i Israely; - dia ho fantatrareo fa Iaveh Tompo Aho, -

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 15:23

Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 28:7

Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôra misy vehivavy mpamoha angatra».

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:19

fandrao raha miandrandra ny lanitra ianao, ka mahita ny masoandro amam-bolana sy ny kintana, dia ny zavatra rehetra milahatra eny an-danitra, dia ho voatarika hiankohoka eo anatrehan’ireny sy hanao fombam-pivavahana aminy; nefa ireny, dia nomen’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, ho anjarany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 23:24

Nofoanan’i Josiasa koa ny mpiantso ny maty sy mpanao ody, mbamin’ny terafima, ny sampy, ny fahavetavetana rehetra hita tany amin’ny tanin’i Jodà sy tao Jerosalema mba hanatanterahana ny tenin’ny lalàna, voasoratra ao amin’ilay boky hitan’i Helkiasa mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 44:6

Izao no lazain’i Iaveh, mpanjakan’i Israely sy mpanavotra azy, dia i Iavehn’ny tafika: «Izaho no voalohany, ary Izaho no farany, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 96:5

fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena. Fa i Iaveh no nanao ny lanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 32:17

Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tantara 10:13

Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Amosa 5:26

Ny lain’ny mpanjakanareo no nolanjainareo, mbamin’i Kijoma, ny sampinareo, aman-kintan’ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 3:2-3

ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin’ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany ama-mpimasy, ny loholona, ny fehiloha, fehitongotra amam-pehikibo, ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana, ny peratra aman-kavin’orona ny akanjo fitondra amin’ny fety sy ny akanjo vity malalaka, ny kapaoty amam-pôketra; ny fitaratra aman’akanjo moselinina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana. Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehikibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasàka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin’ny afo. Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an’ady. Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna, ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.» ny kapiteny aman’olom-boalohandohany, mbamin’ny mpanolo-tsaina, ny mpanao taozavatra kinga amin’ny raharahany ama-mpanao fankatoavana famantsy lahy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:28

Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hosea 4:6

Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 17:2-5

Raha eo afovoanao, amin’ny iray amin’ny tanànanao izay omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, no misy lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fivadihana ny fanekeny, mba tsy hisandratan’ny fony ambonin’ny rahalahiny, ary tsy hiviliany ny didy na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho lava andro ao amin’ny fanjakany izy sy ny taranany eo afovoan’i Israely. ka lasa mankamin’andriamani-kafa, hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, dia eo anatrehan’ny masoandro na ny volana na ny zava-drehetra milahatra eny an-danitra, izay tsy nasaiko hatao; rehefa misy milaza izany aminao ka efa renao izany, dia fotory tsara, ka raha marina izany ary voaporofo tokoa izany, ka tanteraka tokoa teo imason’i Israely izany fahavetavetana izany, dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Samoela 28:3

Efa maty i Samoela ka nitomanian’i Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin’ny tanànany. Ary efa noroahin’i Saola hiala amin’ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 29:8

Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 8:19-20

Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona? Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia. Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:9

Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao, tampoka, indray andro monja, dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoantena, ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany, na dia eo aza ny hamaroan’ny odinao, na dia eo aza ny herin’ny fankatoavanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 7:11-12

Fa mba nantsoin’i Faraôna kosa ny olon-kendriny sy ny mpimasiny ary ny mpanao ody any Ejipta, dia mba nahavita torak’izany koa, tamin’ny fankatoavany. Samy nanipy ny tehiny avy izy, dia mba samy nanjary bibilava koa. Saingy natelin’ny tehin’i Aarôna avokoa ny tehin’izy ireo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 18:14

Fa ireo firenena horoahinao no mihaino ny mpanandro sy ny mpisikidy, fa ianao kosa tsy avelan’i Iaveh Andriamanitrao hanao izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 19:19

Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 2:22

Koa atsaharo ny fitoky amin’olombelona, izay tsy misy afa-tsy fofon’aina kely foana eo am-bavorony; ka hatao inona izy?

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Mpanjaka 23:5

Noroahiny ny mpisoron-tsampy notendren’ny mpanjakan’i Jodà handoro zava-manitra amin’ny fitoerana avo, tany amin’ny tanànan’i Jodà sy tamin’ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ireo nanatitra zava-manitra ho an’i Baala, ho an’ny masoandro amam-bolana, ho an’ny famantarana 12, ary ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 13:1-5

Raha misy mpaminany na mpanonofy mitranga eo aminao, milaza famantarana na zava-mahatalanjona aminao, Tonafy vato izy mandra-pahafaty azy, fa efa nitady hampiala anao amin’i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana. Ary handre izany i Israely rehetra, dia ho raiki-tahotra ka tsy hanao izany heloka bevava izany eo aminao intsony. Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe: Nisy tena ratsy fanahy nivoaka avy tany aminao, ka nitaona ny mponina eo an-tanànany, nanao hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa, andriamanitra tsy fantatrareo, dia manaova famotorana sy anontanio tsara. Fa raha marina izany ary voaporofo izany zavatra izany, raha tanteraka teo afovoanao izany fahavetavetana izany, dia tsy maintsy hovonoina amin’ny lelan-tsabatra ny mponina ao amin’io tanàna io, hatao anatema ny tanàna mbamin’izay rehetra ao anatiny, ary ny biby fiompiny dia hovonoinao amin’ny sabatra. Angony eo afovoan’ny kianja ny babo rehetra avy ao, dia dory amin’ny afo tsy hisy miangana ny tanàna mbamin’ny babo rehetra avy ao, ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ho kila hotohoto mandrakizay ny sisan’ny tanàna; tsy haorina intsony. Rehefa mety ho zavatra natao anatema, dia aoka tsy hisy hofihinin’ny tananao, mba hiononan’i Iaveh amin’ny firehetan’ny fahatezerany, sy hanaovany fiantrana amam-pamindram-po aminao, dia hohamaroiny ianao, araka ny efa nianianany tamin’ny razanao, raha manaiky ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fitandremana ny didiny rehetra izay andidiako anao anio, amin’ny fanaovana izay mahitsy eo imason’i Iaveh Andriamanitrao. sady tanteraka tokoa ny famantarana na ny zava-mahatalanjona nolazainy, nataony hoe: Andeha hanatona andriamani-kafa sy hanompo azy, nefa andriamanitra tsy fantatrao izany, dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany akory, fa mizaha toetra anareo i Iaveh Andriamanitrareo, hahalalany raha tia an’i Iaveh Andriamanitrareo amin’ny fonareo rehetra sy amin’ny fanahinareo rehetra ianareo. I Iaveh Andriamanitrareo no araho, Izy no atahory; tandremo ny didiny, ekeo ny feony; manompoa Azy, ary mifikira aminy. Fa izany mpaminany na mpanonofy izany kosa dia ataovy maty, satria fikomiana amin’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nampivoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, sy nanafaka anao tany amin’ny trano fanandevozana, no efa notorìny mba hampivily anao amin’ny lalana nasain’i Iaveh Andriamanitrao alehanao. Dia izany no hamongoranao ny ratsy eo aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:37-38

Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 6:16

Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 13:20

Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro halàko ny ondanareo, izay nataonareo fandrika hihazàna fanahy, ka hataoko lasa manidina ireny; hotriariko ireo ondana ireo, hiala eo amin’ny sandrinareo, ary hanafaka ny fanahy nohazainareo tamin’ny fandrika Aho, mba ho afa-manidina ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 7:25-26

Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasikotra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izany. Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa ianao; aoka ho zavatra hàlanao indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 57:13

Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 14:6

Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 10:14

Noho izany, ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:21

Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:5

Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an’ny etỳ an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filàn-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:7-8

Ary hoy Aho tamin’izy ireo: Samia ianareo manary ny sampin-doza tsy ho eo anatrehany; aza mandoto tena amin’ny fahavetavetan’i Ejipta: Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. Niodina tamiko anefa izy ireo, fa tsy nety nihaino Ahy. Izy ireo tsy mba samy nanary ny sampiny tsy ho eo anatrehany, na niala tamin’ny fahavetavetan’i Ejipta. Nihevitra ny handatsaka ny fahavinirako tamin’izy ireo Aho, sy hanarana ny hatezerako taminy, tany amin’ny tany Ejipta.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 20:31

Mandoto tena amin’ny sampin-dozanareo rehetra mandrak’androany ianareo, amin’ny anateranareo ny fanatitrareo sy ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo; ka Izaho ve dia hety hanontanianareo ihany, ry taranak’i Israely? Velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh: - tsy hety hanontanianareo Aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:21-23

fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 4:1

Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demony,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 4:1

Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 101:3

Eo anoloan’ny masoko aho, tsy hanisy asa ratsy na inona na inona; halako ny fitondran-tena ratsy; tsy hipetraka amiko izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 3:5-6

Matokia an’i Iaveh amin’ny fonao rehetra fa aza miankina amin’izay sainao ihany. Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 4:7

Koa maneke an’Andriamanitra ianareo, ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 7:15

Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 2:8

Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany, amin’izany hoe fahaizan-dalina, izay famitahana foana, avy amin’ny hevitr’olombelona sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 16:17-18

Mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, mba hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy fanafintohinana, fa tsy manaraka ny fampianarana efa noraisinareo; halaviro ireny. Fa tsy mba i Kristy no tompoin’ny olona toy ireny, fa ny kibony, ary teny malefaka sy manodòka no entiny mamitaka ny tsy ampy saina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 5:8-9

Mahalalà onony, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mihaodihaody manodidina anareo mova tsy ny liona mierona mitady izay harapany. Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 19:7

Any amin’ny ila faravodilanitra Izy no miala; ary any amin’ny ila faravodilanitra vao tapitra ny diany; tsy misy tsy takatry ny hafanàny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 11:14

Rava ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa ny hamaroan’ny mpanolo-tsaina foto-pamonjena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 14:9

Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:27

Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara, dia mitoera mandrakizay ao am-ponenanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 5:20

fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana,

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Tesaloniana 5:22

fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Asan’ny Apostoly 13:6-8

Ary rehefa nitety ny nosy manontolo izy ireo ka tonga tany Pafôsy, dia nahita Jody anankiray atao hoe Barjesoa mpamoha angatra sy mpaminany sandoka, izay nitoetra tao amin’ny governora Serjio Paoly lehilahy hendry. Nampanalain’ity governora i Barnabe sy i Paoly, fa naniry handre ny tenin’Andriamanitra izy. Nefa nanohitra azy roa lahy i Elimasy ilay mpamoha angatra (fa izany no dikan’ny anarany), ka nitady hisakana ny governora tsy hanaiky ny finoana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 47:1-3

Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana. Fa nitoky tamin’ny hafetsenao ratsy ianao, nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy!» Ny fahendrena amam-pahaizanao, dia izany no nanodòka anao raha ianao nanao anakampo hoe: «Izaho ity, dia izaho irery ihany!» Indro, ho tonga aminao ny loza, tsy azonao sakanana; hianjera aminao ny antambo, tsy azonao ahodivitra, ary hanjò anao ny faharavana tampoka, tsy nampoizinao velively akory. Aoka àry ianao haharitra amin’ny fankatoavanao, sy amin’ireo odinao marobe, izay nanarananao fo hatramin’ny fahatanoranao. Soa mba mety hahita soa amin’izany ianao; sao mba mety hampahatahotra, ianao! Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaky ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao. Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany! Ho toy izany aminao ireo nanasaranao tena, ireo nifampiraharahanao, hatramin’ny hatanoranao: samy mipariaka amin’izay alehany avy izy, fa tsy misy hamonjy anao! Alao ny vato fikosoham-bary, ka totoy ny lafarina. Esory ny voalinao; akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, fa hita ny ony. Aoka hiharihary ny fitanjahanao, aoka ho hita ny fahamenaranao! Fa hamaly faty Aho, ka tsy misy olona hananako antra. -

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 81:12-13

Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nakatò Ahy i Israely. Ka navelako izy hanaraka ny ditran’ny fony dia nanaraka izay saim-pantany izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 29:18

Aoka tsy hisy amin’izay mandre ny tenin’ity fianianana ity, hihambo anakampony manao hoe: Hiadana ihany aho, na dia mandeha manaraka ny ditran’ny foko aza; ka dia ho voatariky ny efa leony izay mangetaheta.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 2:8

Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?› ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:31

Inona àry no holazaintsika ny amin’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 4:10

Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 13:8

i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:16-17

Aza diso hevitra, ry havako malala. Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 3:1

Ry Galata adala! iza no dia nandrebireby anareo, nefa he fa voapetaka tsara teo imasonareo i Jesoa mifantsika!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:24-27

Fa nony nandre izany ny Farisianina dia nanao hoe: «Tsy misy androahan’Ilay iny ny demony afa-tsy i Belzeboba lehiben’ny demony.» Fantatr’i Jesoa anefa ny heviny ka hoy Izy: «Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano. Raha i Satana no mandroaka an’i Satana, dia miady an-trano izy, ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? Ary raha i Belzeboba no androahako ny demony, iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa amin’izany, izy ireo ihany no hitsara anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Lioka 10:19

Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 5:14-16

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao: tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra, ary tsy misy olona mampirehitra jiro, ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano. Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa soa ataonareo, ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:105

Ny teninao dia fanilo mialoha ny diako, fahazavana eny an-dalako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:2

Ary aza manaraka an’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozan’ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:8

Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:9

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 5:17

Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 12:21

Aza mety ho resin’ny ratsy, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Kolosiana 3:2

ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 6:11-12

Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, dia tsy hiraika amin’izay fanangolen’ny devoly akory ianareo. Fa tsy amin’ny nofo aman-dra no iadiantsika, fa amin’ny fanapahana, amin’ny fahefana, amin’ny andrian’izao tontolo maizina izao, amin’ny fanahy ratsy eny ambony eny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Korintiana 6:14-17

Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’i Kristy sy i Beliala? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny Tempolin’Andriamanitra sy ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny lazain’Izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy Aho, ary handeha eo aminy; dia Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy ho vahoakako. Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy ianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto;

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Jaona 5:19

Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 26:3

Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 16:7

Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Korintiana 6:19-20

Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo? Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 6:7-8

Aza diso hevitra ianareo, Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 3:13

fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 118:6

I Iaveh no miandany amiko ka tsy matahotra na inona na inona aho; hahefa inona amiko izay olombelona?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 121:1-2

Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin’ny tendrombohitra aho; Avy aiza no hiavian’ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy dia avy amin’i Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 146:3-5

Aza mametraka ny fitokianareo amin’ny mpanapaka, na amin’ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy; fa miala ny fofon’ainy, dia miverina amin’ny vovony izy, ary amin’izay andro izay ihany, dia levona ny hevitra kasainy Sambatra izay manana ny Andriamanitr’i Jakôba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh Andriamaniny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 103:1-5

Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy. Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’i Iaveh an’izay matahotra Azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon’i Iaveh ho an’izay matahotra Azy, sy ny fahamarinany amin’ny taranaky ny zanak’izy ireo, dia amin’izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra i Iaveh, ary mihatra amin’ny zavatra rehetra ny fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa rehetra avy aminy. Misaora an’i Iaveh ianareo Anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankatò ny didiny, amin’ny fanekena ny feon’ny teniny. Misaora an’i Iaveh ianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Misaora an’i Iaveh ianareo asany rehetra, amin’ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko. Fa Izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-po anao. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin’ny voromahery.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 30:19-20

Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ianao sy ny taranakao, araka izao andidiako anao anio izao, amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 41:10

Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 15:11

Iza moa no toa Anao amin’ireo andriamanitra, ry Iaveh ô! Iza moa no toa Anao izay mendrika indrindra noho ny fahamasinana, Izay atahorana, na eo am-piderana Anao aza, mpanao fahagagana?

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 2:10-15

Rehefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin’ny fanahinao ny fahaizana, dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana, mba hanafaka anao amin’ny lalan’ny ratsy fanahy, amin’ny olona manao resaka ratsy, amin’izay miala amin’ny lala-mahitsy, ka mizotra amin’ny lalana maizina; ary ny manao ratsy no ifaliany sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany; sakeli-dalana miolikolika no alehany ary lalana miolakolaka no ombany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 8:38-39

Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Filipiana 4:13

Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 46:1-3

Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana. Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 23:1-3

Salamon’i Davida. I Iaveh no mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy eo amin’ny vilona maitso Izy, mitondra ahy ho eo amoron-drano mampangatsiatsiaka; mamelombelona ny fanahiko. Mitarika ahy amin’ny lala-mahitsy; noho ny Anarany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 40:4-5

Nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, hira fiderana ny Andriamanitsika; maro no mahita izany ka manaja an’i Iaveh, sy matoky Azy. Sambatra ny olona mametraka ny fitokiany amin’i Iaveh, ka tsy mivadika hankamin’ny mpiavonavona sy amin’izay maniasia entin’ny lainga.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 6:33

Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Petera 2:11

Ry malala, mamporisika anareo hifady ny fanirian’ny nofo izay manohitra ny fanahy aho, noho ny maha-vahiny sy mpivahiny anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 31:1-3

Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa tra-pahoriana aho: simban’alahelo ny masoko, mbamin’ny fanahiko sy ny kiboko. Ny aiko lanin’alahelo; ny taonako difotry ny sento; ny heriko levona noho ny fahotako; ary ny taolako fohatra. Nataon’ny fahavaloko rehetra izay hahatonga ahy ho fanalam-baràka, ho enta-mavesatra ho an’ny mifanolo-bodirindrina amiko, ary ho tahotra ho an’ny sakaizako. Izay mahita ahy any ivelany mandositra ahy, zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon’ny olona; mova tsy ny kapoaka vaky iny aho. Reko avokoa ny vava ratsin’ny be sy ny maro, ny fangorohoroana mahazo ny manodidina, raha ilay miara-mioko hamely ahy iny izy ireo, fa miray tetika hamono ny aiko. Nefa matoky Anao aho, ry Iaveh, hoy aho hoe: Andriamanitro Ianao. Eo an-tananao ny anjarako, afaho amin’ny tanan’ny fahavaloko ama-mpanenjika ahy aho! Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao; vonjeo amin’ny fahasoavanao aho! Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao; fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly. Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana. Iaveh ô, Ianao no nataoko fialofako; aoka tsy ho menatra aho na oviana na oviana! vonjeo amin’ny fahamarinanao aho. Akory ny haben’ny hatsaram-ponao, izay tahirizinao ho an’ireo matahotra Anao, izay asehonao amin’ireo manao Anao ho fialofany, eo imason’ny zanak’olombelona! Alofanao eo amin’ny aloky ny Tavanao izy; mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; mpampiery azy ao an-dainao Ianao, mba tsy ho azon’ny lela mamely azy izy. Hisaorana anie i Iaveh! fa nasehony miharihary ny famindram-pony tamiko, tamin’ny nametrahany ahy tao an-tanàna mimanda. Hoy aho tamin’ny fahatairako: «Nariana lavitra ny fijerinao aho!» Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako Ianao, nony nitaraina taminao aho. Tiava an’i Iaveh ianareo rehetra mazoto mivavaka aminy; Miaro ny olona miraikitra aminy i Iaveh, fa faiziny mafy kosa ny mpiavonavona. Matokia ary mahereza fo, ianareo rehetra manantena an’i Iaveh! Atongilano amiko ny sofinao; faingàna hamonjy ahy. Aoka ho vatolampy fiarovana ahy Ianao, ho trano mimanda hahitako famonjena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 34:17-19

Ny Tavan’i Iaveh manandrina ny mpanao ratsy, mba hamongorany ny fahatsiarovana azy eo amin’ny tany. Fa mitaraina kosa ny marina, dia mihaino azy i Iaveh, ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra. Eo akaikin’izay torotoro fo i Iaveh, ary mamonjy izay rera-panahy Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 112:1-3

Aleloia! Sambatra ny olona matahotra an’i Iaveh, izay mametraka ny hafaliany rehetra, amin’ny fitandremana ny didiny. Mahita izany ny ratsy fanahy ka lotika, mihidy vazana ary hanin’ny fialonana: ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy. Hahery ambonin’ny tany ny taranany; hambinina ny taranaky ny marina. Fiadanana sy harena no ao an-tranony; ary maharitra mandrakizay ny fahamarinany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 54:17

Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 5:3-5

Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 37:5-6

Ankino amin’i Iaveh ny anjaranao, dia matokia Azy, fa dia hanao Izy; hataony mamirapiratra toy ny mazava ny fahamarinanao; ary tahaka ny andro mitatao vovonana ny fanananao ny rariny.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 27:14

Manantenà an’i Iaveh! Matokia ka herezo ny fonao! Manantenà an’i Iaveh!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 4:23

Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Petera 1:10-11

Koa amin’izany, ry kristianina havana, mikeleza aina kokoa mba handraikitra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo amin’ny fanaovan-tsoa; fa raha manao izany ianareo, dia tsy hivaona na oviana na oviana. Ary amin’izany dia homena fidirana malalaka amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika ianareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:11

Tahirizo miafina ato am-poko ny teninao, mba tsy hanotako aminao.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 18:10

Ny Anaran’i Iaveh dia trano avo mafy; ialofan’ny marina, sy itoerany tsy aman’ahiahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 59:1-2

Indro fa tsy ny tanan’i Iaveh no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare; Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty. Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany. Fa ny fiodinany, efa maro eo anatrehanao; ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay; eny, eto anatrehanay ny fiodinanay, ary fantatray ny helokay: dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!... Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny: Lasana ny fahamarinana, ka baboina izay mifady ny ratsy. Hitan’i Iaveh izany ka tsy sitraky ny masony, ny tsy fisian’ny hitsiny intsony. Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy. Hifandanja amin’ny asa natao ny valy, dia hatezerana ho an’ny mpandrafy Azy, valim-bonoana ho an’ny fahavalony, hanao valim-bonoana amin’ireo nosy Izy. Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh. fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Timoty 6:11-12

Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra, handositra izany zavatra izany, fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 51:6-7

Taminao irery ihany no nanotako; nanao izay ratsy eo imasonao aho, mba ho hitan’ny olona fa marina Ianao amin’ny teny fitsaranao. Indro izaho teraka tamin’ny heloka; ineny koa torontoronina ahy tamin’ny fahotana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 84:11

Fa aleo andro iray ao an-kianjanao, toy izay arivo; aleoko mitoetra eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro, toy izay monina ao an-dain’ny ratsy fanahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Timoty 2:15

Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jakoba 1:22

Aza mamita-tena amin’ny hevi-poana anefa, fa miezaha ho mpanatanteraka ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 2:20

ka matoa velona aho, dia tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko. Eny, izao ahavelomako amin’ny nofo ankehitriny izao no ahavelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy, sy nanolo-Tena hamonjy ahy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 10:13

fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 2:1-5

Fahiny dia matin’ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo, Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika. Tsarovinareo Jentily araka ny nofo àry, dia ianareo antsoin’ny voaforan-tanana hoe tsy voafora, fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. Ary tonga Izy, nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa, Satria aminy no fahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany. Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony àry ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ka izany no nizoranareo, nanaraka ny satan’izao tontolo izao, sy ny lehiben’izay fahefana eny amin’ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny eo amin’ny zanaky ny tsy finoana. ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra. Ary tsy misy hivoasana amin’izany koa no toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filàn’ny nofonay, sy niliba araka ny danin’ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin’izany. Fa Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po, noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 4:30

Aza mampalahelo ny Fanahy Masin’Andriamanitra, izay nanasiana tombokase anareo, ho amin’ny andro fanavotana.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:37

Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny lalànao aho.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Hebreo 12:1-2

Koa amin’izany, noho isika voahodidin’ny vavolombelona zavon-tany toy izany, dia aoka koa isika hanesotra ny zavatra rehetra mitambesatra amintsika, sy ny fahotana izay manarona antsika, ary hihazakazaka amim-paharetana amin’izao fifanalana hazakazaka naroso hataontsika izao, Izy ireo aloha dia manafay antsika andro vitsivitsy ihany, araka ny sitrapony; fa Andriamanitra kosa manao izany araka izay hahatonga antsika hiombona amin’ny fahamasinany. Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy. Koa henjano ny tanana miraviravy sy ny lohalika miketraka; ary ahitsio ny dian’ny tongotrareo, mba tsy hibirioka ny mandringa, fa hijoro mahitsy tsara. Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo. Tandremo fandrao misy manary ny fahasoavan’Andriamanitra; aza avela hisy faka mangidy maniry, sao manakorontana sy mandoto ny maro. Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava. Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy. Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin’ireo nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo; mibanjina an’i Jesoa filohany sy mpanefa an-davany sy an-tsakany ny finoana, izay nahazo nifidy ny hafaliana natao teo anoloany, nefa naleony niaritra ny Hazofijaliana, sy tsy nitandro henatra koa; ary efa mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 24:24

Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 119:165

Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 15:24

Ny hendry mizotra lalan’aina miakatra ho any ambony; mba hivily tsy hankany amin’ny Seoly izay any ambany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 21:2

Mahitsy eo imason’ny olona ny lalany rehetra, nefa i Iaveh ihany no mandanja ny fo.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ohabolana 14:12

Misy lalàna miseho ho mahitsy amin’ny olona; kanjo lalana mankany amin’ny fahafatesana no iafarany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 12:30

Izay tsy momba Ahy, manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Efesiana 5:11-12

Aza mba mikambakambana amin’izay asan’ny maizina tsy mahavokatsoa, fa vao mainka ambarao aza ny haratsian’ireny, satria mahamenatra na dia ny hilaza fotsiny ny ataon’izy ireny an-takona aza;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 5:20

Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 95:7-8

Fa Izy no Andriamanitsika, ary isika dia vahoaka eo am-balany, andian’ondry entin’ny tanany. A! raha mba mihaino ny feony mantsy ianareo anio! Aza manamafy ny fonareo, toy ny tany Meribà, tahaka ny tamin’ny andro tao Masà, tany an’efitra,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Jeremia 5:30-31

Zava-betaveta sy mahatsiravina no atao amin’ny tany. Ny mpaminany, maminany lainga, ny mpisorona, mitondra araka izay sitrak’ireo mpaminany ireo; ary ny vahoakako mankasitraka izany! Ka inona no hataonareo hiafaran’izany rehetra izany?»

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 18:2

Tiako Ianao, ry Iaveh heriko!

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 99:8-9

Ry Iaveh Andriamanitray ô, nekenao ny fangatahany; Andriamanitra be indrafo ho azy ireo Ianao, ary namaly azy tamin’ny hadisoany. Mankalazà an’i Iaveh Andriamanitsika, ary miankohofa eo anatrehan’ny tendrombohiny masina, fa masina i Iaveh Andriamanitsika.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 30:1

Loza ho an’izay zaza maditra - teny ton’i Iaveh, izay manao fikasana nefa tsy ombako; sy manao fanekem-pivavahana, nefa tsy omban’ny fanahiko, ka manampy ota ny ota.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Ezekiela 13:18

Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Loza ho an’ireo vehivavy manjaitra ondana, ho an’ny famavanin-tanana rehetra; sy manao ondana ho an’ny loha samy hafa habe rehetra; mba hihaza fanahy amin’ny fandrika. Ny fanahin’ny oloko ve, hosamborinareo amin’ny fandrika, ary ny fanahinareo kosa ho velona!

Chapter    |  dikan dika mitovy
1Mpanjaka 18:20-21

Dia naniraka nankany amin’i Israely rehetra i Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 10:20-22

Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy. Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba, ho amin’ny Andriamanitra mahery. Satria na dia hoatra ny fasika amin’ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia izay sisa eo ihany no hiverina; ka efa raikitra ny fandringanana hampisafoaka ny fahamarinana,

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 30:10

Izy ireo manao amin’ny mpahita hoe: «Aza mahita»; sy amin’ny mpaminany hoe: «Aza maminany ny zava-marina aminay, fa zava-mahafinaritra no lazao aminay; hevi-dravina no vinanio.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 22:18-20

«Aza velomina izay zazavavy mpanao ody. «Ataovy maty izay olona miray amin’ny biby. «Raha misy mpangalatra azo manami-trano alina, ka voavela izy ka maty, dia tsy misy valin-dra amin’izany; «Ataovy anatema izay manolotra sorona amin’ny andriamanitra, fa tsy amin’i Iaveh irery.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 27:15

Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 4:24

Fa i Iaveh Andriamanitrareo anie, ka afo mandevona, sy Andriamanitra saro-piaro.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 32:16-17

Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana. Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Eksodosy 34:13-14

Fa horavanareo ny ôteliny; hazeranareo ny tsangam-batony; hokapainareo ny aserîmany. Aza mivavaka amin’andriamani-kafa, fa i Iaveh dia saro-piaro no Anarany; satria Andriamanitra saro-piaro Izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Deoteronomia 7:2

ka ho efa voatolotr’i Iaveh Andriamanitrao anao, sy resinao ireny dia ataovy anatema, fa aza anaovanao fanekena akory izy ireo, na anananao antra.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Salamo 106:36-39

Nanompo ny sampin’ireny, izay tonga fandrika ho azy. Nataony sorona ho an’ny demony, ny zanany lahy aman-janany vavy. Nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny izy dia ny ran’ireo zanany lahy aman-janany vavy, nataony sorona tamin’ny sampin’i Kanaana, ka ny tany voaloton’ny vonoana olona. Izy ireo nandoto tena tamin’ny asany, ary nitolo-tena tamin’andriamani-kafa.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Isaia 65:3-4

tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin’ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky; mitoetra any anaty fasana, ary mandany ny alina any am-pierena, mihinana hena kisoa, mbamin’ny hanina maloto eo an-doviany;

Chapter    |  dikan dika mitovy
Matio 24:23-25

Koa raha misy milaza aminareo hoe: Indro atỳ i Kristy, na hoe: Arỳ Izy›, aza mino ianareo. Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hiseho, ary hanao famantarana lehibe sy zava-mahatalanjona, ka raha azo atao, na dia ny olom-pinidy aza dia ho voafitany. Indro voalazako aminareo rahateo izany.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Romana 1:18-23

Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany, satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany. izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina, Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo, fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lo dia nosoloiny sarin-javatra mety lo, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Galatiana 1:6-9

Gaga aho raha dia mivadika faingana toy izao ianareo, ka Ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorinay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.

Chapter    |  dikan dika mitovy
2Petera 2:1-3

Ary toy ny nisian’ny mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka fahiny, no hisian’ny mpampianatra tsy marina eo aminareo koa, izay hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery sady handà ny Tompo izay nanavotra azy, ka hitari-doza tampoka ho an’ny tenany. indrindra fa ireo manaram-po amin’ny filàn-dratsin’ny nofo, sy manamavo ny Fahandrianana. Sahy zavatra sy mirehareha loatra izy ireo, fa tsy matahotra ny hiteny ratsy ireo Voninahitra akory, nefa na ny Anjely izay mahery kokoa sy ambony fahefana aza, tsy mitsara sy tsy miteny ratsy azy ireo eo anatrehan’ny Tompo. Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin’ny fahalotoany izy ireo: izany no ho valin’ny faharatsiany. Ny mahafinaritra azy ireo dia ny fy sendra isan’andro, ka feno tsiny amam-pondro izy; ataony fifaliana ho azy ny mamitaka anareo, amin’ny fiaraha-mihinam-py aminareo. Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo. Niala tamin’ny lalan’i Balaama zanak’i Bôsôra, izay nankasitraka ny tambin’ny tsy fahamarinana, nefa nahazo anatra noho ny fivadihany ity mpaminany, fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, nisakana ny hadalany. Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin’ny tadio, ka haizina mainty be no miandry azy. Teny manodòka sy tsy misy heviny no itarihany an’izay vao nandao ny olon-dratsy hevitra, hanaraka ny fanirian-dratsin’ny nofo sy ny fahalotoana. Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon’izay naharesy azy. Maro no hanaraka ny fitondran-tena ratsiny, ka avy amin’izy ireo no mety ho voatsiny ny fampianarana ny marina. Ary raha olona efa niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao, noho ny fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr’izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. Satria aleo tsy nahalala ny lalan’ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalana masina nampianarina azy. Tanteraka amin’ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin’ny loany, ary ny kisoa voasasa, mihosim-potaka indray. Hataony varotra amin’ny teny manodòka ianareo, mba hahazoany vola; nefa ny fanamelohana azy hatry ny ela tsy mitsahatra, ary ny fahaverezany koa tsy miato.

Chapter    |  dikan dika mitovy
Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra