Na dia tsy fahavalo intsony aza ny fahafatesana ho an'izay mino an'i Jesosy Kristy, dia mbola zavatra tena mafy ihany ho an'izay andalovan'izany sy ho an'ireo olon-tiany. Ao amin'ny Baiboly dia misy karazana fahafatesana roa: ny fahafatesana ara-nofo sy ny fahafatesana amin'ny ota. Ny fahafatesana amin'ny ota dia rehefa manaiky an'i Jesosy Tompo ho Mpamonjy ianao, ary ny fahafatesana ara-nofo kosa dia rehefa miala eto amin'ity tontolo ity isika. Mampalahelo sy mafy tokoa izany rehefa mahazo ny olon-tiana amintsika, kanefa manana fanantenana amin'Andriamanitra isika fa nahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo ary any amin'ny toerana tsara kokoa. Koa aza avela handresy anao ny alahelo, fa mifalia kosa satria nahazo famonjena ilay olon-tiana anao.
Ny Fanahy Masina no Mpanasoa anao amin'izany fotoan-tsarotra izany. Avelao Izy hanaisotra izany alahelo izany ary hameno anao fiadanana sy fampaherezana. Tsy misy mahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra, hoy ny teniny, na dia ny fahafatesana aza. (Romana 8:38-39) Faly tokoa isika mahalala fa na dia maty aza dia handresy isika, satria hiaraka amin'ny Raintsika any an-danitra ary ho nandresy tamin'ny fihazakazahana. "Fa izaho matoky fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na avo, na lalina, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika."
Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino Izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana Izy.
Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan’Andriamanitra.
Fa raha mandeha amin’ny mazava toa Azy ao amin’ny mazava kosa isika, dia mifampikambana isika rehetra, ary ny Ran’i Jesoa Kristy Zanany dia manadio antsika amin’ny ota rehetra.
Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana.
Koa amin’izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika,
Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra, araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra. Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.
Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny Tavan’ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an’ireny,
izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin’ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin’ny sira.
Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana; satria noho ny ota anankiray no nisian’ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian’ny fahasoavana ho fanamarinana.
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
itoeran’ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, sy hijalian’izy ireo andro aman’alina mandrakizay mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao.
Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo. Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.
Fa nanarin’ilay anankiray izy, nataony hoe: «Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny fanjakany. ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra; any ho hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, Ilay efa maty, fa nitsangan-ko velona, sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?
Midira amin’ny vavahady ety, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy!
Ry kristianina havako, aza dia maro loatra aminareo no ho mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa ny fitsarana anay.
Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: ‹Ry kiaky Abrahama ô! mamindra fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.›
Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Fa matoa tsy namindra fo tamin’ny Anjely nanota Andriamanitra, fa namarina sy nanjera azy any an-davaka maizina izay itanany azy ho amin’ny fitsarana;
Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa sady tsy mandeha ara-nofo;
Toy izany i Sôdôma sy i Gômôra, mbamin’ny tanàna manodidina izay nijangajanga toa azy koa sy nanao ratsy tamin’ny nofo hafa, ka indro miampatra eo ho fananarana, miaritra ny afo mandoro azy mandrakizay.
Ny ratsy fanahy mahazo sitraka amin’i Iaveh; fa ny mpanao an-kasomparana, helohin’i Iaveh.
Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray izy ka hanao hoe: Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
Fahatezeran’Andriamanitra anie no angonin’ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin’ny andron’ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra e! dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: fiainana mandrakizay moa ho an’izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.
Eny, raha ny fandraharahana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana;
Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny, ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany azy. - Higaiona. - Selà
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rehefa nanarinao tsy zaka, indray maka na indroa, satria fantatrao fa efa ratsy mihitsy ny toy izany sady manota, fa ny tenany aza no manameloka azy.
Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany.
fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin’ny afobe rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Izaho aminareo, matahora azy.
Ary miharihary ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo: Raha mety hoforàna ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy. fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.»
Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana.
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany, satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany. izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina, Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
Fa ny ratsy fanahy kosa ho levona; ny fahavalon’i Iaveh hanahaka ny voninahitry ny tanim-bilona; ho lasan-ko setroka ireny, dia ho levona.
Ny ratsy fanahy azeran’ny faharatsiany; ny marina kosa matoky hatrany am-pahafatesana aza.
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: ‹Afatory ny tongotra aman-tanany, ka ario any amin’ny maizina any ivelany io, any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify›.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»
Koa fantaro àry fa sady mora fo Andriamanitra no saro-po koa: saro-po amin’izay lavo izy, fa mora fo aminao kosa, raha maharitra amin’ny hamoram-pony ianao; fa raha tsy izany dia hotapahina koa ianao.
fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy finoana;
Izay handresy dia hampitafina lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny.
Izay mino ny Zanaka no manana ny fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita ny fiainana, fa itoeran’ny hatezeran’Andriamanitra.
Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaràn’Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin’izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.
Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.»
mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?
Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon’izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin’ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin’ny fahamarinana?
Fiainana no eo amin’ny lalan’ny fahamarinana; ary tsy fahafatesana no eo amin’ny lalana soritany.
i Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty ama-mpitondratena Izy; fa mampiolakolaka ny lalan’ny ratsy fanahy kosa.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo.
Ary lazaiko aminareo, fa amin’ny andro fitsarana, dia hampamoahina ny olona amin’izay teny foana rehetra nolazainy, fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.»
Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana.
ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.
Tsy mba toy izany ny tsy mpivavaka: toy ny akofa faohin’ny rivotra izy, ka tsy hahatsangana amin’ny andron’ny fitsarana ny tsy mpivavaka, na eo amin’ny fiangonan’ny olo-marina, ny mpanota. Satria ny lalan’ny marina fantatr’i Iaveh fa ny lalan’ny mpanota mitarika ho amin’ny fahaverezana.
«Ry bibilava, taranaky ny menarana, ataonareo ahoana no fandositra tsy hohelohina ho any amin’ny gehen’afo?
fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an’izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama, no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy, fa manaraka ny laharany avy: i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany.
ka horoahiny izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Fa hovaliany hoe: Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo; mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy. Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify, rehefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra, fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.»
Ary raha ny amin’ny lanitra sy ny tany ankehitriny, dia mbola ny tenin’Andriamanitra ihany koa no mitana sy mitahiry azy hodorana amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory izy ka ario lavitra anao, fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo. «Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy: Izay mandresy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa.
Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona dia ario any amin’ny maizina any: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.› »
Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro,
Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany,
Raha milaza ho manana fikambanana aminy isika, nefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga sy tsy manao ny marina.
Fa izay menatra Ahy sy ny teniko, ho menatra azy koa ny Zanak’olona raha avy amin’ny voninahiny sy ny an’ny Rainy, ary ny an’ny Anjely masina.»
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
Fa izay efa nohazavaina indray mandeha, sy nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra, ary nandray ny Fanahy Masina, sady efa nanandrana ny hamamin’ny tenin’Andriamanitra mbamin’ny asa mahagagan’ny fiainan-ko avy, nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?
Nifanerasera tamim-pifankazarana mamy isika; niara-nandeha tamin’ny maro, ho any an-tranon’Andriamanitra isika.
may kosa ny asany, dia ho faty antoka izy, nefa hovonjena ihany ny tenany, saingy toy ny avy ao amin’ny afo.
Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.
Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.»
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Famaizana mafy no mihatra amin’izay mivily lalana; izay mankahala anatra dia ho faty.
Ary amin’izany izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra; ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.
Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te hiala atỳ hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita atỳ.›
dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
Satria fantaro tsara fa rehefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filàn-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra.
Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: - izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo.
fa izay afafin’ny olona no hojinjainy: izay mamafy ho an’ny nofo moa, hijinja fahalòvana avy amin’ny nofo; fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa, hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy.
Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Dia ho tahaka izany koa raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao: hivoaka ny Anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina, ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady nanify nofo, ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany; ka hanipy azy any amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.»
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Ny filàn-dratsy kosa, rehefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
Satria rehefa mahalala ny marina isika no minia manota indray, dia tsy misy sorona hafa noho ny ota intsony; fa dia fiandrasana mahatsiravina ny fitsarana sy hatezeran’ny afo handevona ny mpikomy no sisa.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy mba handraisantsika tsirairay avy izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.
fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan’ny vavako ianao.
sy amim-pitanana ny finoana sy ny kônsiansy tsara izay efa narian’ny sasany, ka rendrika ny amin’ny finoana terỳ izy ireny;
Ary aza gaga amin’izany ianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny Anjelin’ny mazava koa;
Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filàn-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany avy; nosoloiny lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amen! Koa natolotr’Andriamanitra ho amin’ny fitongilanan-dratsiny mahavoafady izy ireo; fa ny vehivavy tao aminy nanova ny fanaony ho amin’izay tsy fanaony; toraka izany koa ny lehilahy, fa namela ny fanao amin’ny vehivavy izy, ka izy samy lehilahy no maimay nifampila sy nifanao izay mahamenatra, dia nandray tao amin’ny tenany ny valy mendrika ny fivilian-tsainy.
«Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentina teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony namidy izy sy ny vadiny aman-janany mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo ka nifona taminy hoe: ‹Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra›. Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‹Aloavy ny trosako any aminao.› Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: ‹Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.› ary hoy Izy: Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory. Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe: ‹Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?› Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.»
Mitadiava fihavanana amin’ny olona rehetra, ary mikatsaha fahamasinana, fa izay tsy manana azy dia tsy mba hahita ny Tompo.
Mila loza ianareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen’afo mihoatra indroa noho ianareo.
Mila loza kosa ianareo, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Mila loza ianareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo. Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.
Arianao toy ny tain-drendrika ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany; noho izany dia tiako ny fampianaranao.
Ka ahoana àry ity ianao no mitsara ny mpiray finoana aminao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny mpiray finoana? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaràn’Andriamanitra ihany isika rehetra,
Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavàny.
ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina; fa tafintohina amin’ny teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy.
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao, dia tapaho ka ario lavitra anao, fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny Tavanao; vonjeo amin’ny fahasoavanao aho! Ry Iaveh ô, aoka tsy ho menatra aho, raha miantso Anao; fa aoka ho an’ny ratsy fanahy ny henatra. Aoka izy hidina mangina any amin’ny Seoly.
Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
dia tandremo, ry kristianina havana, fandrao misy manana fo ratsy sy tsy mino ao aminareo, ka ho tafasaraka amin’Andriamanitra velona;
Ry mpisintaka mijangajanga ô, tsy fantatrareo va fa fankahalana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao, dia milatsaka ho fahavalon’Andriamanitra.
Amin’izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika. Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fahefana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boaary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
Fa mila loza ianareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Ny olona ketrina, tsy mahalala na inona na inona amin’izany; ary ny adala tsy mahita mangirana amin’izany.
Fantatsika anefa fa izay fehezin’ny Lalàna no ilazan’ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra avokoa izao tontolo izao, Azo lazaina fa be ihany: voalohany, izy no nametrahana ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra. satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna.
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany, fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra.
Izao àry no lazaiko: mandehana ara-panahy, dia tsy hanatanteraka ny filan’ny nofo ianareo.
Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satroboninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’ny Tompo homena izay tia Azy.
Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.