Andriamanitra dia mitoetra eo afovoan'ny fiderana ataon'ny olony, ka isan'andro dia manana antony isika hidera sy hanome voninahitra Azy. Faly Andriamanitra amin'ny fiderana avy amin'ny fonao, fiderana marina sy feno fankasitrahana Azy.
Rehefa midera isika dia misy fahagagana mitranga eo amin'ny fiainantsika, ao amin'ny fiderana misy fahasitranana, misy fahafahana. Efa nanao zava-mahagaga teo amin'ny fiainanao Andriamanitsika Ray any an-danitra hatramin'ny namoronany anao, efa tsy nivadika Izy ary efa niaro anao, koa derao Andriamanitra fa tsara Izy ary ny famindram-pony dia vaovao isa-maraina.
“Aoka ho feno ny vavako fiderana Anao sy ny voninahitrao mandritra ny andro.” (Salamo 71:8). Hofenoin'Andriamanitra fiderana ny vavanao, hoy ny teniny, atombohy fotsiny amin'ny fisaorana noho ny hatsarany dia Izy no hametraka ao aminao izany fiderana avy amin'ny fonao izany.
“Koa dia hihira ho Anao aho, ry voninahitro, ary tsy hangina; Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.” (Salamo 30:12).
Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao. Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro.
Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika! Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.» Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.» Andeha isika hitsena azy amin’ny fiderana; aoka hampireondreona hira fankalazana Azy isika.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo; ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo, amin’ny Salamo aman-kira fiderana, mbamin’ny tononkira masina.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra. Manompoa an’i Iaveh amin-kafaliana, mankanesa eo anatrehany amim-piravoravoana.
Rehefa tokony ho nisasaka ny alina, dia nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy, ka nihaino azy ny tao an-tranomaizina.
Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo! Mihirà ho an’Andriamanitra, mankalazà ny Anarany! Misavà lalana ho an’ilay tamy mamaky ny tany lemaka! Iaveh no Anarany, mifalia eo anatrehany!
Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena. Nampiharihary ny famonjeny i Iaveh; nanambara ny fahamarinany teo imason’ny firenena Izy.
Nataon’i Davida. Misaora an’i Iaveh, ry fanahiko, ary misaora ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
mba tsy hanaovan’ny fahavaloko hoe: «Resiko izy!» ka tsy hifalian’ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo. Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan’ny foko, hihira ho an’i Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko.
Salamo sy hira aman-tononkira masina no ifampiresaho; ary hira fiderana no kaloy ao am-ponareo ho voninahitry ny Tompo.
Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana, sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.
Sitrako ny mihira ho an’i Iaveh, ny andro rehetra iainako, sy mankalaza ny Andriamanitro raha mbola misy koa aho.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh: hanakoako eo amin’ny fiangonan’ny olo-masina anie ny fiderana Azy!
Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!
Notsoahany tamin’ny lavaka fahaverezana aho, sy tamin’ny fotaka mandrevo; najorony tamin’ny vatolampy ny tongotro, nataony matotra ny diako.
Mifalia ao amin’i Iaveh ianareo, ry olo-marina; fa ny midera no fanao mendrika ny olo-mahitsy. Manakorontana ny fisainan’ny firenena I Iaveh, maha-tsinontsinona ny hevitry ny vahoaka Izy. Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra. Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany! Mijery i Iaveh eny an-danitra; mahita ny zanak’olombelona rehetra Izy; eny amin’ny fitoeran’ny fonenany dia tazaniny ny mponina rehetra amin’ny tany, dia Izy mpamorona ny fon’izy rehetra, Izy mpamantatra ny asan’izy rehetra. Tsy ny hamaroan’ny miaramilany no ahazoan’ny mpanjaka fandresena; tsy ny heriny lehibe no ahombiazan’ny mpiady; ny soavaly tsy vanon-kampahazo famonjena; ary ny havitrihany rehetra tsy ahazoana antoka amin’ny fahafahana. Ny mason’i Iaveh mitsinjo izay matahotra Azy, dia ireo manantena ny hatsaram-pony, mba hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy hamelona azy amin’ny andro mosarena. Miderà an’i Iaveh amin’ny harpa, mihirà ho azy amin’ny valiha tory folo. Miandry an’i Iaveh amim-pitokiana ny fanahintsika; famonjena antsika sy ampingantsika Izy; fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika. Iaveh ô, ho aminay anie ny fahasoavanao, araka ny anantenanay Anao! Mihirà fihiram-baovao ho voninahiny; ampiaraho amim-pahaizana amin’ny zava-maneno ny feonareo.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh; sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany, ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy, ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo!
Tsy fahamarinana no saintsaininy eo am-pandriany; lalana tsy marina no ifikirany; tsy ariany ny ratsy. Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh! Mihirà ho an’i Iaveh ianareo monina amin’ny tany rehetra. Lazao eo amin’ny firenena hoe: «I Iaveh no mpanjaka»; ka hitoetra sy tsy hihetsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny Izy, Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy; aoka ho miramirana ny saha mbamin’izay rehetra ao aminy aoka hihoby ny hazo rehetra any an’ala, eo anatrehan’i Iaveh fa avy Izy. Avy hitsara ny tany Izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany. Mihirà ho an’i Iaveh, misaora ny Anarany. Lazao isan’andro ny famonjeny,
Lehibe i Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany! Ny taona rehetra samy hilaza amin’izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona. Hihira ny famirapiratan’ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga.
Faizo izy, Andriamanitra ô! Aoka tsy hahavanona ny hevitra kasainy izy; noho ny helony tsy hita isa dia adabohy izy ireo, satria tafaodina aminao.
Ry Iaveh ô, nampiakatra ny fanahiko avy any amin’ny Seoly Ianao; nampody ny aiko Ianao, nataonao lavitra izay midina any an-davaka aho.
Mihirà ho an’i Iaveh, ry mponina amin’ny tany rehetra, torio isan’andro ny famonjeny. Ambarao amin’ny firenena ny voninahiny ary amin’ny vahoaka rehetra ny fahagagany. Fa lehibe i Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra, ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra Izy;
Miakatra ho any amin’ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra. Miakatra i Iaveh omban’ny feon-trômpetra.
Fa ny marina kosa aoka hifaly sy hiravoravo eo anatrehan’Andriamanitra, aoka hientan-kafaliana izy ireo!
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny Gitianina. Nataon’i Asafa. Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny vahoaka hafa. Izaho, Iaveh, Andriamanitrao, no nitondra anao niakatra avy any an-tany Ejipta, sokafy ny vavanao dia hofenoiko. Kanjo tsy nihaino ny feoko ny vahoakako, tsy nakatò Ahy i Israely. Ka navelako izy hanaraka ny ditran’ny fony dia nanaraka izay saim-pantany izy. Eh! raha mba mihaino ny foeko ny vahoakako, raha mba mandeha amin’ny lalako i Israely!... Dia hokorokoroiko vetivety foana ny fahavalony, hafotitro hamely ny mpampahory azy ny tanako. Hidera azy ry zareo mankahala an’i Iaveh, ary ho azo antoka mandrakizay, ny faharetan’i Israely. Vary tsara indrindra no hamelomako azy, ary tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako azy. Manaova hira fifaliana ho fankalazana an’Andriamanitra herintsika. Manaova hobim-pifaliana ho fankalazana ny Andriamanitr’i Jakôba!
Avia hihira amim-piravoravoana ho an’i Iaveh! Manaova hobim-pifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika!
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Salamo. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh, fa nanao fahagagana Izy. Ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina no nahazoany ny fandresena.
Andriamanitra ô, miantso aho, ritra ny andro, nefa tsy mamaly ahy Ianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho.
Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany! Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna, fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!»
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana . Salamo. Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nizaha toetra anay; nandatsaka anay tamin’ny memy toy ny volafotsy; nampiditra anay tamin’ny fandrika harato; nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay. Nampandeha olona hanosy ny lohanay namaky ny afo sy ny rano izahay; kanjo nesorinao tamin’izany izahay, dia nototofanao soa. Tonga ato an-tranonao mitondra sorona dorana aho, hanefa aminao ny voadiko, izay efa notononin’ny molotro, sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana. Manatitra ondry matavy aminao aho, ho sorona dorana, mbamin’ny fanetonan’ny ondralahy; mamono ny vantotr’ombalahy amam-bantotr’osy lahy ho sorona dorana aho. - Selà Avia, mihainoa fa holazaiko aminareo, ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, izay nataony ho an’ny fanahiko Niloa-bava nitaraina taminy aho, ary teo ambony lelako ny fiderana Azy. Raha nahita ota tao am-poko aho, dia tsy ho nihaino ahy ny Tompo. Nefa efa nohenoin’Andriamanitra aho, efa nihaino tsara ny feon’ny fivavahako Izy. Manaova hobin-kafaliana mankamin’Andriamanitra, ry tany rehetra; hirao ny voninahitry ny Anarany, ataovy manetriketrika ny fankalazana Azy.
Miaraha mihoby an-kafalina, ry Jerosalema rava! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy efa nanavotra an’i Jerosalema.
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony. Naoriny ho lalàna izany, tamin’i Jakôba, ary ho fanekena mandrakizay tamin’i Israely, nataony hoe: «Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao.» Mbola olom-bitsy izy fahizany, sady vitsy no vahiny teo amin’ny tany; ka nifindrafindra tany tamin’ny firenena; niala tamin’ny fanjakana iray ho amin’ny firenen-kafa. Tsy nisy navelany hampahory azy; ary izy ireo no namaizany mpanjaka: Aza mikasika an’ireo voahosotro, ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko. Niantso mosary hamely ny tany Izy, notapahiny ny haniny izay tohan’ainy. Naniraka olona hialona azy ireo Izy: i Josefa namidy ho andevo. Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony, nogadrana vy izy, mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha, izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy. Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Torio ny fahagagana rehetra ataony.
mbamin’ny hoe: Miderà ny Tompo ianareo firenena rehetra; ary mankalazà Azy, ry vahoaka rehetra.
Mitsingerina eo an-dohany ny haratsiany, ary miverina eo an-tampon-kandriny ny fanaovany an-keriny.
Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.
Raha izaho, dia ny hatsaram-ponao no itokiako; ny famonjenao no hientanan’ny foko, hihira ho an’i Iaveh aho, noho ny soa nataony tamiko.
Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Tafaorina mafy ny foko, ry Andriamanitra, tafaorina mafy ny foko; hihira aho ary hampanakoako zava-maneno an-kafaliana. Mifohaza ianao, ry voninahitro! Mifohaza ianareo, ry valihako amana harpako! Hampifoha ny maraina aho!
manafaka ahy amin’ny fahavaloko. Eny manandratra ahy ho ambonin’ny rafy lahiko Ianao, mamonjy ahy amin’ny olona mpanao an-keriny.
Mirenireny atsỳ arỳ, mitady ny rembiny, mitrontròna izy raha tsy voky. Fa izaho kosa hihira ny herinao, ary hankalaza ny hatsaram-ponao, nony maraina; satria Trano mimandako Ianao, sy Fialofako amin’ny andro fahoriako.
Salamon’i Davida. Ny hatsaram-po amam-pahamarinana no tiako hohiraina; Ianao Iaveh no tiako hankalazaina.
Arovy amin’ny mpiavonavona koa ny mpanomponao; aoka tsy hanjaka aminy ireny. Dia ho lavorary aho, ho madio amin’ny ota lehibe.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
Salamo. Fihirana fanao amin’ny andro sabata. Fa indreo ny fahavalonao, ry Iaveh, indreo levona ny fahavalonao, mihahaka avokoa izay manao ratsy. Ary ny tandroko asandratrao, toy ny an’ny ombimanga; tondrahana diloilo vaovao aho. Ny masoko faly mitazana ny fahavaloko; ary ny sofiko mandre ny ratsy fanahy mitsangan-kamely ahy. Ny marina hitombo tahaka ny rofia; hisondrotra tahaka ny sedera any Libàna izy. Nambolena ao an-tranon’i Iaveh izy, dia hamony eo amin’ny kianjan’ny Andriamanitsika. Mbola hamoa izy amin’ny fahanterany; sady ho be ranony sy maitso mavana, mba hanambara fa marina i Iaveh; Izy no vatolampiko; ary tsy misy ao aminy ny tsy an-drariny. Tsara ny midera an’i Iaveh, sy ny mankalaza ny Anaranao, ry Avo Indrindra ô,
Avia, aoka hiankohoka sy hitsaoka Azy isika; mandohaliha eo anatrehan’i Iaveh Mpahary antsika.
ary ny Jentily kosa dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily, sy hankalazako ny Anaranao.
Ry Iaveh Tomponay, mba be voninahitra re ny Anaranao, amin’ny tany rehetra! Ny fiandriananao no nandravahanao ny lanitra!
Nataon’i Davida. Sitrako ny midera Anao amin’ny foko rehetra, sy hihira ho Anao amin’ny harpa eo anatrehan’ireo andriamanitra. Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny Anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe Ianao, mihoatra noho ny voninahitra ny Anaranao.
Aoka izy ireo hidera ny Anarany amin’ny dihiny; aoka hihira Azy amin’ny ampongatapaka sy ny harpa!
Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny rahalahiny, tsy manala baraka ny namany.
Ka dia hiamboho ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako Anao; fantatro izao, fa momba ahy Andriamanitra.
Midera Anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra Anao ny mpino Anao. Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; mba hampahalalàny ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho,
Avia ho eo am-bavahadiny amim-piderana, sy eo an-kianjany amim-pihirana; ankalazao Izy, isaory ny Anarany.
Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’ny taranak’i Kôre. Amin’ny feon’ny virjiny . - Hira. Ny ady natsahany hatramin’ny faran’ny tany; ny tsipìka notapahiny; ny lefona nofolahiny; ny kalesy fiadiana nodorany tamin’ny afo. Mitsahara, ary maneke fa Andriamanitra Aho, manapaka ny firenena, manjaka amin’ny tany! I Iavehn’ny tafika momba antsika; ny Andriamanitr’i Jakôba no trano mimanda ho antsika. - Selà Andriamanitra no arontsika sy herintsika, famonjena azo mandrakariva amin’ny fahoriana. Noho izany, tsy manan-tahotra isika, na hikoro aza ny tany, na hietry any ambany ranomasina aza ny tendrombohitra,
Ry Jerosalema ô, mankalazà an’i Iaveh, ry Siôna ô, miderà ny Andriamanitrao. Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao, hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.
Natokan’i Davida sy ireo komandin’ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin’ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Iditona izay naminany tamin’ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan’ireo izay manana anjara raharaha amin’ny fanompoana.
Miderà an’i Iaveh, fa tsara fo Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony! Ny firenena rehetra nitangorona tamiko; izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh. Izy ireo nitangorona tamiko sy nanarona ahy, izaho kosa mandripaka azy, amin’ny Anaran’i Iaveh. Nitangorona tamiko tahaka ny renitantely izy ireo; nefa maty toy ny afon-tsilo: izaho kosa mandripaka azy amin’ny Anaran’i Iaveh. Ianao nandronjina ahy mafy handavo ahy, fa i Iaveh kosa namonjy ahy. I Iaveh no heriko sy fihirako; Izy no famonjena ahy. Hobim-pandresena amam-pamonjena no manakoako ao an-dain’ny marina. Fa naneho ny heriny ny tanana ankavanan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh. Tsy ho faty aho fa ho velona, ka hitory ny asan’i Iaveh. Nofaizin’i Iaveh mafy aho, nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana. Amohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho, mba hidirako, sy hiderako an’i Iaveh. Aoka i Israely hilaza hoe: «Eny, mandrakizay ny famindram-pony!»
Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan’ny olona anao.
Hidera Anao, ry Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin’ny tany, rehefa mandre ny teny tò naloaky ny vavanao.
Ary rehefa nanao hira fisaorana izy ireo, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitry ny Oliva.
Hamoaka fiderana Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao. Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao.
Maro no milaza hoe: Iza no hampahita antsika ny fahasambarana? Ataovy miposaka aminay ny fahazavan’ny Tavanao, ry Iaveh!
dia tsy mba afeninay amin’ny zanany. Fa holazainay amin’ny taranaka ho avy ny fiderana an’i Iaveh, mbamin’ny heriny amam-pahagagana nataony.
Izay ireo manandratra ny feony, dia mihira; mihoby, eny amin’ny ranomasina, ny voninahitr’i Iaveh hoe:
Ianao no itokian’izay mahalala ny Anaranao fa tsy mandao izay mitady Anao Ianao, ry Iaveh.
Salamo fiderana. Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh ianareo mponina amin’ny tany rehetra.
Sitrako ny mankalaza Anao, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny Anaranao mandrakizay doria.
Aoka ny vavako hitory fiderana an’i Iaveh, ary ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany masina mandrakizay doria!
Miderà an’Andriamanitra eo amin’ny fitoerany masina! Miderà Azy amin’ny fitoeran’ny fahefany!
Ny tany rehetra anie hiankohoka eo anatrehanao, hihira ho an’ny voninahitrao, hankalaza ny Anaranao!»
Manaova hobin-kafaliana mankamin’i Iaveh, ianareo monina amin’ny tany rehetra. Ataovy mipoaka amin’ny feon-java-maneno ny firavoravoanareo. Mankalazà an’i Iaveh amin’ny harpa, amin’ny harpa sy amin’ny fihirana. Manaova hobin-kafaliana eo anatrehan’i Iaveh Mpanjaka, amin’ny trômpetra amam-peon’anjomara.
Homeny anao anie izay irin’ny fonao; ary hotanterahiny avokoa ny hevitra kasainao rehetra!
Dia nampody ny fidradradradràko ho fifaliana Ianao, namaha ny lasàkako Ianao ka nampisikina fifaliana ahy,
Miderà an’i Iaveh fa tsara i Iaveh, mihirà ny Anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.
Atongilano ny sofinao amin’ny fitarainako, fa fadiranovana izaitsizy aho, afaho amin’ireo manenjika ahy aho, fa mahery noho izaho izy ireo.
Sambatra ny olona tsy mandeha amin’ny fisainan’ny tsy mpivavaka, tsy mijanona amin’ny lalan’ny mpanota, ary tsy mipetraka amin’ny mpaniratsira; fa ny lalàn’i Iaveh no ifaliany, sady saintsaininy andro aman’alina.
Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin’ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.
Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany; ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Amin’izany ianareo hiventy hira, tahaka ny amin’ny alina ankalazana ny fety, ary ny fonareo hiravoravo tahaka an’izay miakatra amin’ny feon-tsodina, ho ao an-tendrombohitr’i Iaveh hanatona ny vatolampin’i Israely.
Koa mangataka aminareo aho, ry kristianina havana, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin’Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy.