Ry sakaiza, fantatro fa mety efa nandre momba ny fifadian-kanina isika. Manampy antsika hitombo ho zanak'Andriamanitra izy io, mampanatona antsika bebe kokoa Aminy ary mampatanjaka ny fifandraisantsika amin'ny Ray any an-danitra. Tsy tokony hanao fifadian-kanina ho tombontsoantsika fotsiny isika fa mba hanatsarana ny fiainantsika ao amin'Andriamanitra. Safidy manokana ny fifadian-kanina, fotoana aniliantsika vetivety ny filàn'ny vatana mba hahafahantsika mamelona sy mampatanjaka ny fanahy. Fotoana hikatsahana manokana ny fanatrehan'Andriamanitra izy io. Koa tsara raha manao izany any amin'ny toerana mangina ahafahanao miresaka mivantana Aminy.
Ao amin'ny Daniela 9:3 aza moa dia voalaza hoe: "Dia nampitodika ny tavako tamin'i Jehovah Andriamanitra aho hitady Azy amin'ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona." Izany tokoa, ny fifadian-kanina dia fomba iray hifandraisana akaiky kokoa amin'Andriamanitra.
Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.
Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany? Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana. Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.» tokony ho dimampolo sy efajato taona. Taorian’izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoely mpaminany. Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy, lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina, naharitra efapolo taona. Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo, dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe: Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.» Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely. Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra; ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: «Tsy izaho no Ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho.» Ry rahalahy taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao, satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala Azy, ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakina isan-tsabata, tamin’ny nanamelohany Azy; ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty. Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy, vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana. Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.
Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.» Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin’Andriamanitray, ary nihaino anay Izy.
Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy. Ka nandry feizay ny fanjakan’i Jôsafata, ary nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina izy. Tonga mpanjaka tamin’i Jodà i Jôsafata. 35 taona izy fony vao nanjaka tao Jerosalema. I Azobà zanaka vavin’i Selahì no anaran-dreniny. Nandeha tamin’ny lalana nalehan’i Asà rainy izy, ka tsy nivily tamin’izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh. Saingy ny fitoerana avo no tsy voarara, ary ny vahoaka no mbola tsy niraiki-po mafy tamin’ny Andriamanitry ny razany. Ny sisa tamin’ny asan’i Jôsafata, ny voalohany sy ny farany, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Tenin’i Jehò, zanak’i Hananì, ka efa voatafiditra ao amin’ny bokin’ny mpanjakan’i Israely. Tatỳ aorian’izany i Jôsafata mpanjakan’i Jodà, nikambana tamin’i Okoziasa mpanjakan’i Israely izay melo-pitondran-tena. Ny hanao sambo hankany Tarsisa no nikambanany taminy; ary tao Asiôngabera no nanaovany ny sambo. Fa tamin’izay i Eleazara zanak’i Dôdô, any Maresà, naminany ny amin’i Jôsafata nanao hoe: «Noho ianao nikambana tamin’i Okoziasa dia noravan’i Iaveh ny asanao.» Dia vaky ny sambo ka tsy afa-nankany Tarsisa. Dia nivory koa i Jodà hiantso an’i Iaveh, ka avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra aza no nahatongavan’ny olona hiantso an’i Iaveh.
Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho,
Ary feno ny Fanahy Masina i Jesoa, dia niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, fa efa voasoratra hoe: ‹Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.› » Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao.› » Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray. Tamin’izay i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagogan’izy ireo izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagoga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: «Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.» sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.
Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’i Iaveh tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan’i Iaveh tamin’ireo takelaka ny tenin’ny fanekem-pihavanana dia ny Teny folo.
Izaho anefa, fony izy ireo marary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin’ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako. Nandeha midanesaka aho, toy ny malahelo sakaiza aman-drahalahy, nitanondrika tamin’alahelo, toy ny misaona reny aho.
Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy. Ka dia tonga tamin’i Elia Tesbita ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Efa hitanao va ny nanetren’i Akaba ny tenany teo anatrehako? Ka noho izy nanetry tena teo anatrehako, dia tsy hahatonga loza amin’ny androny kosa aho fa amin’ny andron-janany vao hahatonga loza amin’ny tranony aho.»
Tamin’izay, dia nankao aminy ny mpianatr’i Joany, ka nanao hoe: «Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?» Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.
«Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?» Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra. Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany, tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo. Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahin’i Iaveh?
Tamin’ny andro faha-24n’izany volana izany, nivory hifady hanina ny zanak’i Israely, samy nitafy lasàka sy nanisy vovoka ny lohany. Nanao famantarana amam-pahagagana namely an’i Faraôna Ianao sy namely ny mpanompony mbamin’ny vahoakan’ny taniny rehetra, satria hitanao fa tamim-pianjonanjonana no nitondrany ny razanay, ka dia nahazo laza ny Anaranao, araka izay hita mandraka androany. Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe. Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany. Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary. Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao. Avy any amin’ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy. «Kanjo ny razanay, latsaka am-piavonavonana izy ireo ka nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao. Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy. Na dia tamin’izy nanao zanak’omby anidina aza, sy nilaza hoe: Ity no andriamanitro, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta ka rafitra nanevateva Anao izaitsizy, noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany. Nisaraka tamin’ny zanaky ny hafa firenena rehetra ny taranak’i Israely, dia nitsangana sy niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
«Mitenena ianao amin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany mbamin’ny mpisorona, ka lazao amin’izy ireo hoe: ‹Raha nifady hanina sy nanao fisaonana ianareo, tamin’ny volana fahadimy sy fahafito, efa hatramin’ny fitopolo taona izay, moa ho Ahy va no nifadianareo hanina?
Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà.
Aza misara-pandriana ianareo, afa-tsy amin’ny andro sasany ifanekenareo holanina amin’ny fivavahana; raha efa izany, dia miraisa indray fandrao alain’i Satana fanahy ianareo, noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena;
Raha nitety an’i Galilea izy ireo, dia hoy i Jesoa taminy: «Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona,
Fa ny zotom-po amin’ny tranonao mandritra aina ahy; ary ny fanaratsian’ireo manevateva Anao, mianjera amiko.
Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,
Mangozohozo ny lohaliko azon’ny fifadian-kanina, ary mihintsana ny nofoko azon’ny hia.
Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr’Andriamanitra.
Dia hoy i Kôrnely: «Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin’ny ora fahasivy, ka nanao hoe: ‹Ry Kôrnely, nekena ny vavakao, ary notsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.
Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.
Rehefa hifady hanina izy, tsy hohenoiko ny fitarainany, rehefa hanolotra sorona dorana amam-panatitra ho ahy izy, tsy hankasitrahiko; fa tiako haripaka izy amin’ny sabatra, ny mosary, sy ny areti-mandringana.»
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny fahadimy, ny fifadian-kanina amin’ny fahafito, ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo, dia hanjary andro fifaliana amam-piravoravoana sy ho fety lehibe, ho an’ny taranak’i Jodà.»
Izaho anefa, fony izy ireo marary, nitafy lamba fivalozana, nampijaly ny aiko tamin’ny fifadian-kanina, ary ny fivavahako niverina tao ampofoako.
Tsofy ao Siôna, ny trômpetra, miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana. Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho, nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie, hanongilana ny sofinao sy hampahiratra ny masonao, hihaino ny vavaky ny mpanomponao izay ataoko aminao ankehitriny, andro aman’alina ho an’ny zanak’i Israely mpanomponao, amim-piekena ny fahotan’ny zanak’i Israely, dia izay nataony taminao; fa nanota izahay dia izaho sy ny fianakavian-draiko.
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina. Hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ry Anà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?»
Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.»
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.
Ary izao no nosoratany ao amin’ny taratasy: «Miantsoa andro fifandian-kanina ka apetraho eo alohan’ny vahoaka i Nabôta;
Nanao ny fombam-pisaonana azy ireo izy, nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nisaona an’i Saola sy i Jônatasy zanany ary ny olon’i Iaveh sy ny tranon’i Israely, satria lavon-tsabatra izy ireo.
Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh, ary nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely, fa teo ny fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany; ary teo anoloan’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna, tamin’izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra?» Dia hoy i Iaveh: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.»
Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo, ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh! Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»
Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izany vao hifady hanina izy ireo.»
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany. raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao: ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana. Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana. Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana; dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny. Mitady Ahy isan’andro isan’andro izy ireo, samy maniry hahalala ny lalako, mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin’Andriamanitra: «Soa inona ho anay ny mifady hanina raha tsy hitanao izany, sy ny manetry ny fanahinay, raha tsy jerenao izany?» Amin’ny andro ifadianareo, mbola ny raharahanareo ihany no ataonareo; ary mbola poretinareo hiasa mafy ihany ny mpikaramanareo rehetra. Sady miady sy mifanditra ianareo no mifady, ary mamely totohondry an-katezerana aza! Ny fomba fifadianareo amin’izany andro izany, tsy mba hihainoana ny feonareo any amin’ny avo. Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahin’i Iaveh? Tsy izao va no fifadiana tiako kokoa: dia ny manapaka ny famatorana tsy an-drariny, ny mamaha ny fehezan’ny jioga, ny mandefa ny ampahoriana ho afaka; ny manapatapaka ny jioga rehetra isan-karazany? Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao? Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha lalana anao; ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao. Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy; Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy. Ary nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa izy nankany Galilea; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany hoe: «Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalì, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily: ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.» Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: «Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.» Ary raha nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i Andre rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy izy taminy: «Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.» ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, ka noana nony afaka izany. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy. Dia nanatona ny mpaka fanahy, ka nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy tonga mofo ireto vato ireto.» Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
raha manetry tena sy mivavaka ary mitady ny tavako ny vahoakako, izay iantsoana ny Anarako, ka miala amin’ny lalan-dratsiny, dia hihaino azy Aho any an-danitra, hamela ny fahotany Aho, sady hahasitrana ny taniny.
Nony nazava ratsy ny andro, dia namporisika ny olona rehetra hihinan-kanina i Paoly, nanao hoe: «Anio fahefatra ambin’ny folo andro niaretanareo ny fifadian-kanina, sady tsy nitendry hanina akory ianareo. Koa mamporisika anareo hihinan-kanina aho, fa ilaina hamonjena anareo izany; ary tsy ho very aminareo rehetra, na dia ny singam-bolonareo iray akory aza.»
Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Jôakima zanak’i Josiasa mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan’i Israely hataon’ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin’ny tanànan’i Jodà.
Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, mirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona. Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka aminy izao teny izao: «Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman’ondry; aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy. Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka mba tsy haripaka isika».
Raha efa izany, niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa dia nankao amin’ny efitranon’i Johanàna, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy, dia tsy nihinan-kanina na nisotro fa nisaona noho ny fahotan’ny zanaky ny fahababoana.
Noraisiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ny tamariska tao Jabesa; ary nifady hanina hafitoana izy.
Tamin’ny andro faha-24n’izany volana izany, nivory hifady hanina ny zanak’i Israely, samy nitafy lasàka sy nanisy vovoka ny lohany. Nanao famantarana amam-pahagagana namely an’i Faraôna Ianao sy namely ny mpanompony mbamin’ny vahoakan’ny taniny rehetra, satria hitanao fa tamim-pianjonanjonana no nitondrany ny razanay, ka dia nahazo laza ny Anaranao, araka izay hita mandraka androany. Nosarahinao teo anoloan’ireny ny ranomasina ka dia namaky teo afovoan’ny ranomasina nandia tany maina izy; fa ireo mpanenjika azy kosa nazeranao tao amin’ny hantsana, sahala amin’ny vato, ao anatin’ny ranobe. Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany. Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary. Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremana izy, tamin’ny alalan’i Môizy mpanomponao. Avy any amin’ny lanitra no nanomezanao azy ny mofo hanafa-kanoanana azy; ary avy amim-batolampy no namoahanao ny rano hanala hetaheta azy. Dia nilazanao izy hiditra handray ny tany efa nianiananao homena azy. «Kanjo ny razanay, latsaka am-piavonavonana izy ireo ka nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao. Nandà tsy hihaino izy, ary tsy nahatsiaro ny fahagagana nataonao ho fanasoavana azy. Nanamafy ny hatony ary nentin’ny di-dohany dia nanendry mpitarika ho azy izy, mba hiverenany amin’ny fahandevozany. Saingy dia Andriamanitra vonon-kamela heloka Ianao, miantra sy mamindra fo, ary malain-kitezitra, sy tsara fo indrindra, ka tsy nafoinao izy. Na dia tamin’izy nanao zanak’omby anidina aza, sy nilaza hoe: Ity no andriamanitro, izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta ka rafitra nanevateva Anao izaitsizy, noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany. Nisaraka tamin’ny zanaky ny hafa firenena rehetra ny taranak’i Israely, dia nitsangana sy niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany. Nomenao ny fanahinao tsara izy hahatonga azy ho malina; tsy nolavinao tsy hohanin’ny vavany ny mananao, ary namonona rano hanala hetaheta azy Ianao. «Efapolo taona dia namononanao izay nivelomany tany an’efitra izy, ka tsy mba nanana ny tsy ampy fahizany, ny fitafiany tsy nihatonta, ary ny tongony tsy mba nivonto. «Fanjakana amam-pirenena no natolotrao azy, ka nozarainao ho azy ireo ny faritanin’ireny, dia lasany avokoa ny tanin’i Sehôna, ny tanin’ny mpanjakan’i Hesebona, ny tanin’i Oga mpanjakan’i Basàna. Nohamaroinao ho toy ny kintana eny an-danitra ny zanany ary nentinao izy ho any amin’ny tany, efa nolazainao tamin’ny razany, fa hidirany handray azy ho fananany. Dia tonga ny zanany nandray ny tany ho fananany, ary naetrinao teo anoloany ny mponina ao amin’ny tany, dia ny Kananeanina, sy natolotrao ho eo an-tanany mbamin’ny mpanjaka sy ny vahoakan’ny tany, hataony amin’izay itiavany azy. Afany ny tanàna mimanda, azony ny tany lonaka, ary nahazo trano feno zava-tsoa isan-karazany izy, lavaka famorian-drano efa voahady, voaloboka sy ôliva mbamin’ny hazo fihinam-boa ankabetsahana. Ary nihinana izy ka voky, dia nihamatavy ary nanaram-po tamin’ny zavatra mahafaly, noho ny hatsaram-ponao lehibe. «Kanefa nikomy izy ireo sy niodina taminao, natsipiny any ivohony ny lalànao, novonoiny ireo mpaminaninao, vavolombelona nanohitra azy mba hamerina azy ho aminao, ka rafitra naniratsira Anao izaitsizy izy. Tamin’izay dia nafoinao izy, ho eo an-tanin’ireo mpampahory izay nampahory azy. Tamin’ny andron’ny fahoriany anefa nitaraina taminao izy, dia nihaino azy Ianao any an-danitra, ary nentin’ny famindram-ponao lehibe dia nanome mpamonjy izay nanafaka azy teo an-tanan’ireo mpampahory. Kanjo nony niadana hatreo izy, dia nanao ratsy eo anatrehanao indray, ka nafoinao ho eo an-tanan’ny fahavalony, sy tonga tapahin’ireny. Fa nitaraina taminao indray izy, ka nihaino azy Ianao any an-danitra, sy nanafaka azy matetika noho ny famindram-ponao lehibe. Nitsangan-ko vavolombelona namely azy Ianao mba hamerina azy amin’ny lalànao, izy kosa nikiry tamin’ny fiavonavonany, tsy nihaino ny didinao, nandika ny fitsipikao, nefa izany raha tandremana dia ahitana ny aina; soroka tsy mety hiantsoroka no narosony ary nanamafy ny hatony izy ka tsy nety nihaino. Nony nitsangana samy teo amin’izay nitoerany avy izy rehetra dia namaky teny ampahefatr’andro, teo amin’ny bokin’ny lalàn’i Iaveh, ary ampahefatr’andro niaiky heloka sy nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny.
tamin’ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin’ny fiaretan-tory matetika, tamin’ny hanoanana aman-ketaheta, tamin’ny fifadian-kanina matetika, tamin’ny hatsiaka amam-pitanjahana.
Fony aho niakatra tany an-tendrombohitra handray ny takelaka vato, - ireo takelaky ny fanekena nataon’i Iaveh taminareo - nijanona tany an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano,
Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh, ary nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely, fa teo ny fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany;
Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.
Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.›
Ary Ianao, ry Iaveh Tompo, arovy aho noho ny Anaranao; vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao lehibe. Fa ory sy mahantra aho, ary voatsindrona ny foko ato anatiko. Lasa toy ny aloka efa mandrorona aho, indaosina tahaka ny valala aho. Mangozohozo ny lohaliko azon’ny fifadian-kanina, ary mihintsana ny nofoko azon’ny hia.
Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.
aoka samy hirakotra lasàka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Niditra tao anatin’ny rahona i Môizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efapolo andro sy efapolo alina i Môizy.
Tamin’izay, dia nankao aminy ny mpianatr’i Joany, ka nanao hoe: «Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?» Ary hoy i Jesoa taminy: «Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy. Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao, fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra. Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao; fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba; fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.»
Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy.
Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà. Ren’ny Filistinina fa nivory tany Masfà ny zanak’i Israely ka niakatra ny andrian’ny Filistinina hamely an’i Israely. Nandre izany ny zanak’i Israely ka raiki-tahotra ny Filistinina izy ireo, ka hoy ny zanak’i Israely tamin’i Samoela hoe: «Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny Filistinina.»
Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:
Dia hoy i Kôrnely: «Hefarana androany izay, raha nivavaka sy nifady hanina tao an-tranoko aho, dia indro nisy lehilahy niakanjo fotsy nitsangana teo anatrehako tamin’ny ora fahasivy, ka nanao hoe:
Fa hoy ity olon’Andriamanitra tamin’ny mpanjaka: «Na dia omenao ny antsasaky ny tranonao aza aho, dia tsy hiara-miditra aminao, sady tsy hihina-mofo na hisotro rano amin’ity fitoerana ity aho, satria izao no didy nomena ahy tamin’ny tenin’i Iaveh: Aza mihina-mofo na misotro rano, ary aza ny lalana nalehanao no hiverenanao.»
Ho an’ny mpampianatra hira. Fihirana nataon’ny taranak’i Kôre, izay nenti-ko babo tany Babilôna. nanao fivavahana tamin’ny Andriamanitry ny aiko. Ary izaho kosa, dia hoy aho amin’Andriamanitra vatolampiko: nahoana no manadino ahy Ianao? Nahoana ity izaho no tsy maintsy mandeha difotr’alahelo, ampahorin’ny fahavalo? Tsaroako vaky ny taolako nony latsain’ny fahavaloko aho, ilazany tsy an-kijanona hoe: «Aiza izay Andriamanitrao?» Nahoana no ketraka ianao, ry fanahiko, ka mihavatravatra ato anatiko? Manantenà an’Andriamanitra, fa izaho mbola hidera Azy, izay famonjena ny tavako sady Andriamanitro. Toy ny anirian’ny serfa ny loharano no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!
Novoriko teo amoron’ny ony mankany Ahavà izy ireo, dia nilasy teo hateloana izahay. Nony nandinika ity vahoaka mbamin’ireo mpisorona aho, dia tsy nahita ny taranak’i Levì teo na dia iray aza. Dia nasaiko nantsoina ny loholona, i Eleazara, i Ariela, i Semeiàsa, i Elnatàna, i Jariba; i Elnatàna anankiray, i Natàna, i Zakaria ary i Mosolama, mbamin’ireo mpampianatra: i Joiariba sy i Elnatàna. Nirahiko ho any amin’i Edô loholona, ao amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy ireo; dia nofahanako teny hambara amin’i Edô, mbamin’ireo Natineanina rahalahiny any amin’ny fitoerana atao hoe Kasfià izy, mba hitondrany mankatỳ aminay izay ho mpandraharaha ao amin’ny tranon’ny Andriamanitray. Ary satria nomba anay ny tanana manambin’ny Andriamanitray, dia nentin’izy ireo nankatỳ aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin’ny taranak’i Moholỳ zanak’i Levỳ zanak’i Israely, dia i Sarabiasa mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny 18 lahy; i Hasabiasa ary i Izaia koa miaraka aminy, avy amin’ny taranak’i Merarỳ, mbamin’ireo rahalahiny sy ny zanany 20 lahy; Tamin’ny taranak’i Finea, i Gersôma; tamin’ny taranak’i Itamara, i Daniela; tamin’ny taranak’i Davida, i Hatosa, ary ny avy amin’ny Natineanina izay nomen’i Davida sy ny loholona hanompo ny Levita, Natineanina 220 samy voatendry amin’ny anarany. Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra ama-mpitaingin-tsoavaly, tamin’ny mpanjaka, hiaro anay amin’ny fahavalo eny an-dalana, noho izahay efa niteny tamin’ny mpanjaka nanao hoe: «Momba an’izay rehetra mitady azy ny tanan’Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an’izay rehetra mahafoy Azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany.» Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin’Andriamanitray, ary nihaino anay Izy.
Ary tamin’izay dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy; Fa izao no navalin’i Jesoa azy: «Mandehana, ry Satana, fa efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» Tamin’izay dia nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy Anjely tonga teo aminy ka nanompo Azy.
Dia hoy indray ry zareo taminy: «Nahoana no ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany?» Ary hoy Izy tamin’ireo: «Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izany vao hifady hanina izy ireo.»
ary nanontany an’i Iaveh ny zanak’i Israely, fa teo ny fiaran’Andriamanitra tamin’izany andro izany; ary teo anoloan’i Finea zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna, tamin’izany andro izany, ary hoy izy ireo hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina rahalahiko ihany va aho sa tokony hitsahatra?» Dia hoy i Iaveh: «Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy rahampitso.»
Dia lasa nankany an-tranony i Natàna. Ary nasian’i Iaveh ny zaza naterak’i Oria, tamin’i Davida, ka nandraiki-narary mafy. Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina. Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony, mba hampiarina azy amin’ny tany; nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin’ireo. Nony tamin’ny andro fahafito, maty ny zaza, ka natahotra ny hilaza ny nahafatesany tamin’i Davida ny mpanompony, fa hoy ireo: «Fony mbola velona aza ny zaza, niteny taminy isika fa tsy nohenoiny ny feontsika, ka hataontsika ahoana no filaza aminy hoe: maty ny zaza! Vao mainka loza no hafitsony.» Hitan’i Davida nitakoritsika ny mpanompony, ka fantatr’i Davida fa maty ny zaza. Hoy i Davida tamin’ny mpanompony: «Maty angaha ny zaza?» ary hoy ireo: «Maty izy.» Ondry aman’omby sesehena no an’ilay mpanan-karena; Dia niarina tamin’ny tany i Davida ka nandro, nihosotra diloilo sy nanova fitafiana, dia nankao an-tranon’i Iaveh izy ary niankohoka. Nony nody tao an-tranony izy nangataka horosoana sakafo dia nihinana. Ka hoy ny mpanompony taminy: «Izao ataonao izao kosa no mba ahoana? Fa fony mbola velona ny zaza, nifady hanina sy nitomany ianao, nony maty kosa ny zaza ankehitriny, miarina sy mihinana mofo ianao?» Dia hoy izy: «Fony mbola velona ny zaza nifady hanina sy nitomany aho; fa hoy aho anakam-po: Iza no mahalala? Hamindra fo amiko angaha i Iaveh ka ho velona ihany ny zaza. Fa rehefa maty kosa izy ankehitriny dia ahoana indray no hifadiako hanina? Mahay mamerina azy indray va aho? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina hankatỳ amiko intsony!»
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo. Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
Fa ny zotom-po amin’ny tranonao mandritra aina ahy; ary ny fanaratsian’ireo manevateva Anao, mianjera amiko. Mitomany sy mifady hanina aho, ka tonga fandàtsan’ny olona, noho izany.
raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferinaina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao, hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao: ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Novoriko teo amoron’ny ony mankany Ahavà izy ireo, dia nilasy teo hateloana izahay. Nony nandinika ity vahoaka mbamin’ireo mpisorona aho, dia tsy nahita ny taranak’i Levì teo na dia iray aza.
Hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona zanak’i Akimeleka: «Ento atỳ amiko ny efôda». Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda; ka nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hanenjika izany jirika izany va aho? Hahatratra azy va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Enjeho, fa hahatratra azy marina tokoa ianao sady hanafaka.»
Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà . Fa izy ireo mitady hanala ny aiko kosa dia hidina ambanin’ny tany. Hatolotra ho an’ny sabatra, ho rembin’ny amboahaolo. Dia hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy, satria hakombona ny vavan’ny mpandainga. Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao, mitady Anao aho hatramin’ny vao maraina; mangetaheta Anao ny fanahiko, manina Anao ny nofoko, ao amin’ny tany maina mangentana tsy misy rano. Toy izany no nibanjinako Anao tao amin’ny fitoerana masina, mba hahitako ny Herinao amam-boninahitrao. Fa tsara lavitra noho ny aina ny fahasoavanao, ka aoka hiventy fankalazana Anao ny molotro. Dia hidera Anao amin’ny andro rehetra iainako aho, hanandra-tanana amin’ny Anaranao.
Nanao fivavahana tamin’i Iaveh izy hoe: «Indrisy Iaveh ô! Tsy izao indrindra va no nolazaiko, fony aho mbola tany amin’ny taniko. Koa izany no nandosirako tany Tarsisa aloha, satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra, malain-kitezitra, be fitiavana Ianao, ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Hoderainy anie i Iaveh noho ny hatsaram-pony, sy noho ny fahagagana nataony ho an’ny zanak’olombelona! Fa ny fanahy mangetaheta, nataony afa-ketaheta, ary ny fanahy noana novokisany soa.
Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny nahavirjiny azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.
Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: «Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’i Iaveh no herinareo.»
Nentanin’ny fahasaro-piaro ny taniny i Iaveh ka namindra fo ny vahoakany. Dia namaly i Iaveh ka nanao tamin’ny vahoakany hoe: «Indro ianareo efa nandefasako vary, sy divay vaovao aman-diloilo, dia ho vokin’izany ianareo; ary tsy hataoko fandatsa any amin’ny firenena intsony ianareo.
Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly. sy nanao taminy hoe: «Akay, ry ilay feno fitaka sy hafetsen-dratsy ity, zanaky ny devoly sy fahavalon’ny marina rehetra! Tsy hitsahatra ny hampivily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy? Ary indro ankehitriny, hamely an’ialahy ny tanan’ny Tompo, ka ho jamba tsy hahita ny masoandro ialahy mandra-pahatongan’ny fotoana.» Niaraka tamin’izay, dia nosaronan’ny haizim-pito izy. Nony nahita izany ny governora, dia talanjona ka nino ny fampianaran’ny Tompo. Dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perja any Panfilia; ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema. Fa izy ireo kosa niala tany Perja, dia tonga tany Antiôkia any Pisidia, ary niditra tao amin’ny sinagoga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo. Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagoga nanao hoe: «Ry rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.» Dia nitsangana i Paoly, nanofa tanana azy hangina, ka nanao hoe: «Mihainoa, ry Israelita, sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra. Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika, sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao. Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy, ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaàna Izy dia nanome ny faritan’ireny ho fananany, Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, dia hoy ny Fanahy Masina taminy: «Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.» tokony ho dimampolo sy efajato taona. Taorian’izany dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoely mpaminany. Nony afaka izany dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy, lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina, naharitra efapolo taona. Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo, dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe: Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.» Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely. Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra; ary rehefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: «Tsy izaho no Ilay andrasanareo, fa indro avy ao aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho.» Ry rahalahy taranak’i Abrahama, sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo koa, ho antsika indrindra no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao, satria ry zareo monina any Jerosalema sy ny lehibeny dia tsy nahalala Azy, ka nahatanteraka ny tenin’ny mpaminany izay vakina isan-tsabata, tamin’ny nanamelohany Azy; ary na dia tsy nahita izay tokony hanamelohana Azy ho faty aza izy ireo, dia nangataka ny hamonoana Azy tamin’i Pilaty. Tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra voasoratra momba Azy, vao nesoriny tamin’ny hazo Izy, ka naleviny tao am-pasana. Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.
Raha fadinao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’i Iaveh hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana; dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.
Tatỳ aorian’izay, dia tamy ny taranak’i Moaba sy ny taranak’i Amôna, ary nisy Amônita niaraka taminy, hamely an’i Jôsafata dia hiady aminy. Ankehitriny, indreo ny taranak’i Amôna sy i Moaba mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tsy navelanao hidiran’i Israely fony izy avy any amin’ny tany Ejipta, ka nivily izy, fa tsy nandrava azy. Kanjo indreo izy, ka ny handroaka anay hiala amin’ny lova nomenao hanananay kosa no valy omeny anay! Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!» Ary i Jodà rehetra izany, nitsangana teo anatrehan’i Iaveh avokoa, hatramin’ny ankizy madinika mbamin’ny vady aman-janany. Tamin’izay i Jahaziela zanak’i Zakariasa zanak’i Banaiasa zanak’i Jehiela zanak’i Mataniasa, Levita, amin’ny taranak’i Asafa dia voatsindrin’ny Fanahy avy amin’i Iaveh teo afovoan’ny fiangonana teo, ka nanao hoe: «Mampandria sofina, ry Jôsafata mpanjaka! Izao no lazain’i Iaveh aminareo: Aza matahotra na manam-badi-po eo anatrehan’ireo vahoaka be ireo, fa tsy anareo ity ady ity, fa an’Andriamanitra. Midìna ianareo hamely azy rahampitso, fa indro izy hihazo amin’ny havoan’i Sisa, ary ho hitanareo erỳ amin’ny faran’ny lohasaha tandrifin’ny efitra Jeroela. Tsy hisy tokony hiadianareo akory amin’ity, fa tongava dia mijanòna eo, fa ho hitanareo ny famonjena hataon’i Iaveh anareo, ry Jodà sy i Jerosalema. Aza matahotra na manam-badi-po; mivoaha ianareo rahampitso hitsena an’ireo, fa homba anareo i Iaveh.» Dia niankohoka tamin’ny tany i Jôsafata, niankohoka teo anatrehan’i Iaveh koa i Jodà rehetra sy ny mponina ao Jerosalema mba hivavaka amin’i Iaveh. Ary ny Levita amin’ny taranak’i Kaata, amin’ny taranak’i Kôre nitsangana, hankalaza an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mahery sy avo. Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.» Nony ampitso, nifoha maraina koa izy ireo, dia niainga nankany an’efitr’i Tekôe. Ilay lasa iny izy, dia nitsangana teo i Jôsafata, ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jodà, sy ianareo mponina ao Jerosalema! Matokia an’i Iaveh Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo, ary matokia ny mpaminaniny, dia hoambinina ianareo.» Raha efa izany, dia niara-nihevitra tamin’ny vahoaka izy, ka nanendry mpihira, hiakanjo fanamiana masina, handeha eo alohan’ny tafika, hankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Miderà an’i Iaveh fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony!» Vao nanomboka ny hira amam-piderana dia namela-pandrika i Iaveh, hahavoa ny taranak’i Amôna sy i Moaba, mbamin-dry zareo avy any an-tendrombohitra Seira, izay tonga hamely an’i Jodà, ka resy izy ireo. Ny taranak’i Amôna sy i Moaba nitsangana nanohitra ny mponina any an-tendrombohitra Seira hamono sy handringana an’ireo; nony tapitra naringana ny mponina any an-tendrombohitra Seira dia izy samy izy indray no nifanampy nifandringana. Nony tonga teo amin’ny fitoeran’ny mpiambina mahatazana ny efitra i Jodà, dia nitodika irerỳ vahoaka be, dia faty niampatrampatra tamin’ny tany no hany hitany, fa tsy nisy afa-nandositra. Dia nandeha i Jôsafata sy ny vahoakany haka babo tamin’ireo, ka harem-be vava no hitany teo, dia faty sy fanaka sarobidy; ka be dia be no nalainy ho azy, ka tsy zakany nentina aza, ka hateloana izy nanangona ny babo teo ihany fa be tokoa. Nony tamin’ny andro fahefatra, nivory teo amin’ny lohasaha Berakà izy, fa nisaotra an’i Iaveh teo; izany no nanaovany an’io lohasaha io hoe i Berakà mandrak’androany. Izay vao niainga amin-kafaliana ny lehilahy rehetra amin’i Jodà sy i Jerosalema notarihin’i Jôsafata hiverina any Jerosalema, fa nofenoin’i Iaveh hafaliana ny amin’ny fahavalony. Tamin’ny feom-baliha sy harpa ary trômpetra no nidirany teo Jerosalema nankany amin’ny tranon’i Iaveh. Azon’ny tahotra an’i Iaveh ny fanjakana rehetra amin’ny tany, nony nandre fa hoe: i Iaveh no niady tamin’ny fahavalon’i Israely. Raiki-tahotra i Jôsafata ka dia ny hangata-bonjy amin’i Iaveh no nahatapahan’ny heviny, ary nanendry andro fifadian-kanina hataon’i Jodà rehetra izy. Ka nandry feizay ny fanjakan’i Jôsafata, ary nomen’Andriamaniny fiadanana tamin’ny manodidina izy.
Kanjo nony nandre ny tenin’i Elia i Akaba dia norovitiny ny fitafiany, lasàka no natafiny ny tenany, nifady hanina izy, nentiny nandry ny lasàka, ary nitsilasilasy fandeha izy.
Dia niainga ny zanak’i Israely niakatra tany Betela, ary nanontany an’Andriamanitra hoe: «Iza aminay no hiakatra voalohany hiady amin’ny taranak’i Benjamina?» Hoy ny navalin’i Iaveh: «I Jodà no hiakatra voalohany.» Dia niainga maraina ny zanak’i Israely, ka nitoby tandrifin’i Gabaà. Ary ny filohan’ny vahoaka rehetra, ny fokon’i Israely rehetra, niseho teo amin’ny fiangonan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha an-tongotra mahatan-tsabatra. Nandroso ny lehilahy amin’i Israely hiady amin’ny an’i Benjamina ary nilahatra ny lehilahy amin’i Israely hamely azy teo anoloan’i Gabaà. Fa nivoaka avy eo Gabaà ny taranak’i Benjamina tamin’izay, ary lehilahy roa arivo sy roa alina tamin’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany androtr’io ihany. Nohamafisin’ny vahoaka, dia ny lehilahy amin’i Israely anefa, ny herim-pony ka nilahatra hiady teo amin’ny fitoerana nilaharany tamin’ny andro voalohany indray izy. Dia niakatra nitomany teo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro ny zanak’i Israely; sady nanontany an’i Iaveh nanao hoe: «Mbola handeha hiady amin’ny taranak’i Benjamina, rahalahiko, ihany va aho?» Ka hoy ny navalin’i Iaveh: «Miakara hamely azy.» Dia nanatona ny taranak’i Benjamina indray ny zanak’i Israely tamin’ny andro faharoa. Ka nivoaka avy ao Gabaà hamely azy ny taranak’i Benjamina tamin’io andro faharoa io, ary lehilahy valo arivo sy iray alina, samy mahatan-tsabatra tamin’ny zanak’i Israely no nataony maty niampatra tamin’ny tany indray. Niakatra nankany Betela ny zanak’i Israely rehetra sy ny vahoaka rehetra; nipetraka nitomany teo anatrehan’i Iaveh, nifady hanina mandra-paharivan’ny andro, nanolotra sorona dorana aman-tsorom-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh,
ary nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, ka noana nony afaka izany. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagogan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy i Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea, ary avy tany an-dafin’i Jordany no nanaraka Azy. Dia nanatona ny mpaka fanahy, ka nanao taminy hoe: «Raha Zanak’Andriamanitra ianao, asaovy tonga mofo ireto vato ireto.» Fa namaly Izy ka nanao hoe: «Efa voasoratra hoe: ‹Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.› »
Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo, ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh! Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!» Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon’ny Andriamanitsika?
Nony nitsangana samy teo amin’izay nitoerany avy izy rehetra dia namaky teny ampahefatr’andro, teo amin’ny bokin’ny lalàn’i Iaveh, ary ampahefatr’andro niaiky heloka sy nivavaka tamin’i Iaveh Andriamaniny.
Dia lasa nankany an-tranony i Natàna. Ary nasian’i Iaveh ny zaza naterak’i Oria, tamin’i Davida, ka nandraiki-narary mafy. Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
Niaraka tamin’izay, nisy zavatra toy ny lanin-kazandrano niala teo amin’ny masony, ka nahiratra indray izy. Dia nitsangana izy ka natao Batemy; ary nihinan-kanina, ka dia natanjaka indray. Niara-nitoetra andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tao Damasy i Saoly,
Raha efa izany, niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa dia nankao amin’ny efitranon’i Johanàna, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy, dia tsy nihinan-kanina na nisotro fa nisaona noho ny fahotan’ny zanaky ny fahababoana. Koa natao an-kabary eran’i Jodà sy i Jerosalema ny fiantsoana ny zanaky ny fahababoana hivory eo Jerosalema, sady nanapa-kevitra ny lehibe sy ny loholona, fa na zovy na zovy tsy tonga ao anatin’ny hateloana, dia horobaina ny fananany ary hoesorina amin’ny fiangonan’ny zanaky ny fahababoana ny tenany.
Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
Ny mpifanala hazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra; nefa satroboninahitra mora levona no tadiaviny, fa ny tsy ho levona mandrakizay kosa no antsika. Raha izaho àry, dia mihazakazaka aho, nefa tsy manao mosalahy; mikapoka koa, nefa tsy toy ny mikapo-drivotra; fa asiako mafy ny tenako, ary andevoziko mihitsy aza, sao ny sasany nitoriako, nefa ny tenako kosa ho very.
Dia hoy indray ry zareo taminy: «Nahoana no ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany?»