Ry sakaiza, mba eritrereto ange ity zavatra ity e! Ilay fireharehana iny, tsy mifidy olona izy io. Na antitra na tanora, na mpanana na tsy mpanana, na lehilahy na vehivavy, samy tratran'izany avokoa isika rehetra. Ao amin'ny Baiboly, betsaka ny andininy miresaka momba ny loza ateraky ny fireharehana.
Ao amin'ny Mpitoriteny, ilay mpanjaka hendry, i Salomona, dia mitantara ny maha-zava-poana ny fiainana sy ny fanangonan-karena aman-karena eto an-tany. Mampirisika antsika izy mba hatoky sy hanantena an'Andriamanitra satria zava-poana sy tsy haharitra mandrakizay izay rehetra ananantsika sy vitantsika eto amin'ity izao tontolo izao ity.
Toy izany koa, ao amin'ny Testamenta Vaovao, i Jesoa dia mampianatra antsika ny maha-zava-dehibe ny fifantohana amin'ny zavatra mandrakizay, fa tsy ny fitadiavana fankatoavana avy amin'ny olona. Mitarika antsika amin'ny alalan'ny teniny Izy mba hahitantsika ny tena antom-pisiantsika sy hiainantsika fiainana misy dikany, izay mifantoka amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny namana.
Ny fireharehana mantsy dia mampanalavitra antsika amin'ny fanetren-tena ary mitarika antsika hitady ny fisandratantsika manokana, ka mahatonga antsika hanadino ny fitiavana ny hafa sy ny sitrapon'Andriamanitra. Koa andao isika hiezaka handinika tena, mba tsy ho voafandrik'izany fireharehana izany.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Ny harena azo tsy an-drariny, mihalevona; fa ny manangona azy tsikelikely no mampitombo azy.
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.
Raha mitombo ny harena, mitombo koa ny mpihinana azy, ary inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany, afa-tsy ny mahita maso izany fotsiny?
Esory ao am-ponao ny alahelo, ary halaviro ny vatanao ny ratsy, samy zava-poana ny hatanorana amam-pahamaitsovolo.
Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy:
Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany izay misy harafesina sy kalalao manimba, ary mpangalatra manamy trano sy mangalatra; Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagoga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. fa miharia harena ho anareo any an-danitra izay tsy misy harafesina na kalalao manimba, sady tsy misy mpangalatra manamy trano na mangalatra. Fa izay itoeran’ny harenao no itoeran’ny fonao koa.
Hitako fa ny asa rehetra mbamin’ny fahakingana rehetra amin’ny taozavatra dia ny fialonana mihatra amin’olona avy amin’ny namany ihany; koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
Aoka ny firavakareo tsy ho zava-tsoa ivelany fotsiny, toy ny randram-bolo kanto, na ny firava-bolamena amana didy akanjo ara-pomba, fa ny olona ao anaty tsy miseho no ravaho halemem-panahy tsy miovaova sy fiadanana: izany no tena zavatra eo imason’Andriamanitra.
Ry Andriamanitry ny fahamarinako ô, valio aho raha miantso Anao, Ianao izay mahalalaka ahy amin’izay mahaporitra ahy. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavahako.
noho ny fahotana rehetra nataon’i Baasà sy i Elà zanany, sy nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezerany an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.
Apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko, dia hanafaka ahy Ianao, ry Iaveh Andriamanitry ny fahamarinana.
Toy ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa, ny vehivavy tsara tarehy tsy ampy saina.
Nolaviny ny lalàny amam-panekempihavanana nataony tamin’ireo razany mbamin’ny teny vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin’ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran’i Iaveh tsy halainy tahaka.
Ny tenako voan’ny fihalevonana; ny aiko mitsoaka amiko ho amin’ny mandrakizay: avelao re aho; fa fofona foana ny androko.
Ry Iaveh ô, ampahafantaro ahy ny fara andro hiainako, dia ny fetry ny androko, hahafantarako ny maha-mora levona ahy.
Inona no soa ho azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny fanahiny?
Avilio tsy hihatra amiko ny fikapohanao: fa reraka aho, azon’ny hamafin’ny famelezan’ny tananao.
Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban’ny fianinana; satria tsy nitondra na inona na inona isika no niditra tamin’izao tontolo izao, ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:
Matokia Azy mandrakariva, rey vahoaka; aborahy eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no fialofantsika. - Selà
Fa izao no aoka hireharehan’ny mirehareha: Ny ananany saina sy ahalalany Ahy. Fa Izaho no Iaveh izay manao ny famindram-po, sy ny hitsiny ary ny rariny etỳ ambonin’ny tany, fa izany no ankasitrahiko - teny marin’i Iaveh. - Indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay hamaizako ny voafora rehetra, miaraka amin’ny tsy voafora,
Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Ary hoy Izy tamin’ny olona: «Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany.»
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
dia afaho sy vonjeo aho amin’ny tanan’ireo tarana-pirenen-kafa, izay mamoaka lainga ny vavany, ary tanana ankavanana mivadika no tanany ankavanana.
Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!» dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?» «Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh. Eny, ahitra ihany ny olombelona: maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.»
Noho ny fahasoavana nomena ahy, dia izao no lazaiko aminareo tsirairay avy: Aza mihevi-tena mihoatra noho ny mety, fa samia mahalala ny antonona azy, araka ny anjara finoana nomen’Andriamanitra azy avy.
Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitory teny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra.
mba ho tanteraka ny voasoratra hoe: Izay mirehareha, aoka ny Tompo no ho reharehany.
Nodinihiko avokoa ny zavatra atao etỳ ambany masoandro, ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo.
Hoy aho tamin’ny foko: Andeha àry hozahako toetra amin’ny hafaliana ianao, ka andramo ny fahafinaretana. Kanjo indro, zava-poana ihany koa izany.
fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, nefa tsinontsinona izy, dia mamita-tena izany.
Ary hitako kosa anefa fa iray ihany ny anjara hahazo azy roa tonta. Ka hoy aho anakampo: Iray amin’ny anjaran’ny adala ihany no anjara hihatra amiko; ka soa inona àry ho ahy izao fahendreko rehetra izao? Dia hoy aho anakampoko: Zava-poana ihany koa izany.
Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon’ny tanako, mbamin’ny fahasasarako nolaniko nanatanterahana izany; ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany; fa tsy misy zava-tsoa azo, atỳ ambany masoandro.
Ny fireharehana dia mialoha ny faharavana, ary ny fiavonavonana dia mialoha ny fahalavoana.
Ka dia boboky ny fiainana aho, satria ratsy eo imasoko ny zavatra atao atỳ ambany masoandro, fa zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana avokoa.
Raha misy tany hahitanao fampahoriana ny mahantra, fanitsakitsahana ny rariny amam-pahamarinana: aza sanganehana foana amin’izany, fa ny olona ambony tandreman’ny ambony kokoa, ary mbola misy ambony kokoa indray aza mitandrina azy ireo.
Aleo ny hita maso, toy izay ny firedireden’ny faniriana. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.
Loza ho an’izay mitari-keloka amin’ny kofehim-pitaka sy ota, toy ny amin’ny mahazakan-tsarety!
Fa hoy i Iaveh tamin’i Samoela: «Aza ny tarehiny no jerenao, na ny haavon’ny tsanganany, fa efa natanilako io. Tsy mba izay hitan’ny olombelona no izy; ny olombelona mijery ny tarehy fa i Iaveh kosa mijery ny fo».
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.
Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra; nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay. Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorina taminareo.
Indro fa tsinontsinona ianareo, ary zava-poana ny asanareo; vetaveta izay mifidy anareo!»
Adala izay mitoky amin’ny fon’ny tenany, fa izay mandeha amim-pahendrena dia ho voavonjy.
Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan’ny Fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Eny, zava-poana teny amin’ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an’i Israely.
Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra. fotoana hahaterahana, ary fotoana hahafatesana; fotoana hambolena, ary fotoana hanongotana izay nambolena. Fitoerana iray, no alehan’ny zavatra rehetra: vovoka no niavian’ny zava-drehetra; ary vovoka no hiverenan’ny zava-drehetra.
Fa zava-poana ny fanaon’ny firenena; hazo nokapaina tany an’ala, taozavatra nataon’ny tanan’ny mpisokitra, sary tamin’ny fandraka,
Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
Fa zovy moa no manambony anao noho ny hafa? Ary inona no anananao ka tsy noraisinao? Ary raha nandray ianao, nahoana no dia mirehareha toy ny tsy nandray iny?
Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.
Koa na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana Izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
Fahoriana lehibe koa izao, dia ny hahalasanany toy ny niaviany: ka inona no soa azony, tamin’ny nisasarany ho an’ny rivotra?
Misy mody manan-karena, nefa tsy manana inoninona; misy mody mahantra, nefa manan-karem-be.
Ary inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao aza izy, nefa very ny tenany ka voaheloka izy?
«Inona no tsy marina, hitan’ny zanakareo tamiko, no dia nihataka tamiko izy, ka nanaraka ny zava-poana sy tonga zava-poana?
Tandremo tsara àry ny fitondran-tenanareo, aza misary adala, fa mbà hendry; hararaoty ny fotoana, fa ratsy izao andro izao.
Miraisa hevitra: aza miavonavona, fa mifandraisa amin’ny iva toetra. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Ny avonavon’ny olona, mamarina amin’ny fietrena; fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra.
Koa izao àry no lazaiko sy ambarako ao amin’ny Tompo: aza manao fitondran-tenan-Jentily izay mizotra manaraka ny hevi-poanany, fa nihamaizin-tsaina izy ireny, sy nanalavitra ny fiainan’Andriamanitra, noho ny tsy fahalalana amam-pahajambàm-pony,
Fa toy ny firefodrefotry ny tsilo ambany vilany ny hehin’ny adala. Zava-poana koa izany.
mba hahavelona azy mandrakizay ka tsy hahitany ny fasana na oviana na oviana. Tsy maintsy ho hitany: Ny olon-kendry maty; ny adala aman-ketrina koa levona torak’izany, ka mamela ny fananany ho an’ny hafa. Heverin’izy ireo fa ho mandrakizay ny tranony; ka haharitra mandritra ny taona mifandimby ny fonenany, ary tononiny amin’ny anarany ny taniny.
Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho hàlany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombàny, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.
Tsy mety ny mihinan-tantely betsaka, toy izany koa ny mitady hahatakatra ny fiambonian’Andriamanitra, fa ho resin’ny voninahiny.
Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo;
Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.
Izao ihany e: izay mirehareha aoka hirehareha ao amin’ny Tompo, satria tsy izay midera tena, fa izay derain’ny Tompo, no tena olona voazaha toetra.
Fa betsaka ny teny izay mampitombo ny zava-poana fotsiny: ka inona no soa azon’ny olona amin’izany? Satria, iza tokoa moa no mahalala, izay soa ho an’ny olona amin’ity fiainana ity; dia amin’izao andro foana iainany izao, izay andalovany toy ny fihelin’ny aloka? Ary zovy no mahalaza amin’ny olona, izay zavatra ho avy any aoriana, atỳ ambany masoandro?
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.
Ka dia rehareha no firaratan’ny vozony, ary halozana no akanjo sarobidy itafiany. Mivoaka heloka, avy ao an-kibony, miseho andro ny hevitry ny fony.
Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy. Eny, mbola ataoko faty antoka tokoa izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko; fa ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra,
Izao koa no zava-poana miseho atỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay mendrika ny asan’ny ratsy fanahy; ary misy olon-dratsy iharan’izay mendrika ny asan’ny tsara fanahy. Ka hoy aho: zava-poana koa izany. Koa midera ny fifaliana aho, satria tsy misy hasambarana ho an’ny olona atỳ ambany masoandro, afa-tsy ny mihinana sy misotro ary mifaly; ary izany no tokony homba azy amin’ny asany, mandritra ny andro omen’Andriamanitra hiainany, atỳ ambany masoandro.
Ny fahatahorana an’i Iaveh, no fianarana ny fahendrena; ary ny fanetren-tena no mialoha ny fisandratana.
Fihirana fiakarana. Nataon’i Salômôna. Raha tsy i Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy i Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.
Ary ianareo mbola tanora kosa, maneke ny Pretra. Samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa, fa manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, ary manome fahasoavana ny manetry tena.
Nihodina aho, ary hitako atỳ ambany masoandro fa ny fihazakazahana tsy an’ny faingan-tongotra; na ny ady an’ny mahery fo na ny hanina an’ny hendry na ny harena an’ny mahalala na ny tombon-tsoa an’ny mahay fa samy voan’ny fotoana aman-tsampona avokoa izy rehetra. Fa ny fotoanany aza tsy fantatry ny olombelona; toy ny hazandrano latsaka am-bovo tsy azo ialana, sy toy ny vorona voan’ny fandrika, tahaka azy ireo koa ny zanak’olombelona dia voafadiditra amin’ny androm-pahoriana, raha avy izay iantsamboran-doza tampoka aminy.
Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany.
fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.
Ny reharehan’ny olona, haongana, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa Tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
Fa Andriamanitra kosa, hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny Seoly, fa handray ahy ho any aminy Izy. - Selà Aza matahotra àry, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny harem-be ao an-tranony.
Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika. I Libàna, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana. Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.
Ampanalaviro ahy ny fitaka aman-teny mandainga; aza misy omena ahy, na ny fahantrana na ny harena. Fa izay hanina ilaiko no omeo ahy: fandrao voky aho dia mandà Anao, ka hanao hoe: «Iza moa i Iaveh?» ary andrao koa mangalatra aho, raha mahantra, ka hanamavo ny Anaran’Andriamanitra.
Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana.
ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa; hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao ianao, dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona. - Selà
dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy hiova, hahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, fa fantatrareo fa tsy foana ao amin’ny Tompo tsy akory ny fisasaranareo.
Satria fahasoavana no namonjena anareo, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako, ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.»
«Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.»
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.
fa ho tia tena ny olona, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, mpiteny ratsy, mpanohi-dray aman-dreny, tsy mankasitraka, tsy tia vavaka, tsy manam-pitiavana, tsy azo havanina, mpanendrikendrika, tsy mahonon-tena, lozabe, tsy tia ny tsara fanahy, mpamadika, mpidaondaom-bava, mpieboebo, tia ny fahafinaretan’ny nofo mihoatra noho Andriamanitra,
Ny vokatry ny fanetren-tena, dia ny fahatahorana an’i Iaveh; harena amam-boninahitra ary fiainana izany.
Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany, dia ireo rehetra ireo izay notarihiny lalana avy eo aloha. Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.
Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin’ny nofoko; ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara,
Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, ka vao tsofin’ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony.
Famaranana ny lahateny, rehefa heno avokoa izy rehetra: Matahora an’Andriamanitra ary mitandrema ny didiny, fa izany tokana no izy amin’ny olombelona; satria holazain’Andriamanitra amin’ny fitsarana avokoa, ny zava-miafina rehetra, mbamin’ny asa rehetra, na tsara na ratsy.