Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:18 - Baiboly Katolika

18 Zava-poana ireny, asa mamitaka foana; ho levona izy, amin’ny andro fanasaziana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; Amin'ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Zava-poana ireny, dia asa mahatsikaiky foana; amin’ny andro hamaliana azy dia ho levona izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:18
18 Rohy Ifampitohizana  

Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.


Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.


Ny sampy ho foana avokoa.


Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.


Izaho no hanambara ny fahamarinanao, ary ny asanao izay tsy mahasoa anao akory.


Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra.


Ketrina avokoa ny olona na iza na iza, sady very hevitra; menatra noho ny amin’ny sampiny koa ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny.


Zava-poana sy asa famitahana ireny; ho levona izy amin’ny andro famaliana azy ireo.


Adala sy ketrina avokoa izy rehetra; fampianaran-java-poana; dia hazo!


Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;


Hoy i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro, hovangiako avokoa i Amôna any Nô, sy i Faraôna sy i Ejipta, ireo andriamaniny sy ny mpanjakany, ary i Faraôna mbamin’ireo natoky azy.


Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.


Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.


Na aiza na aiza onenanareo, ny tanàna ho lao, ny fitoerana avo horavàna; mba ho rava sy lao koa ny ôtelinareo, ho montsana sy levona ny sampinareo, hazera ny andrinareo ho an’ny masoandro ary ho fongotra ny asanareo.


Raha reraka tao anatiko ny fanahiko, dia nahatsiaro an’i Iaveh aho; ka tonga hatrany aminao ny fivavahako, hatrany an-tempolinao masina.


Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.


Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany izy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra