Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:19 - Baiboly Katolika

19 Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:19
19 Rohy Ifampitohizana  

Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa.


Fa i Iaveh efa nifidy an’i Jakôba ho Azy, sy an’i Israely ho lovany.


I Iaveh no anjara lovako aman-kapoakako; Ianao no miantoka ny anjarako.


Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!


Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.


Tsarovy ny vahoakanao izay azonao tamin’ny andro fahataloha, navotanao ho foko lovanao! Tsarovy ny tendrombohitra Siôna nataonao fonenanao.


Ny Anaran’ny Mpanavotra antsika dia Iavehn’ny tafika, ilay Masin’i Israely! -


ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?


Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.


Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.


Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany, dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no Anarany: -


Eny, mifalia ianareo; eny, miravoravoa ianareo, ry mpamabo ny lovako; eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely eny an-tanim-bilona ianareo; sady haneno toy ny soavaly lahy!


Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.


Satria i Israely sy i Jodà tsy mba maty vady manana ny Andriamaniny, Iavehn’ny tafika; ary ny tanin’ny Kaldeanina feno ny ratsy nataony tamin’ilay Masin’i Israely.


I Iaveh no anjarako, hoy ny fanahiko, koa Izy no hanantenako.


Satria ny anjaran’i Iaveh dia ny vahoakany, ary i Jakôba no anjara lovany.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra