Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitoriteny 1:14 - Baiboly Katolika

14 Nodinihiko avokoa ny zavatra atao etỳ ambany masoandro, ka indro, zava-poana amam-panenjehan-drivotra daholo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao etỳ ambanin’ny masoandro, fa indro, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Efa hitako ny zava-drehetra atao etỳ ambonin’ny tany, fa zava-poana sy manenji-drivotra ihany izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Efa hitako ny zava-drehetra atao etỳ ambonin’ny tany, fa zava-poana sy manenji-drivotra ihany izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 1:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana ny zavatra rehetra.


Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon’ny tanako, mbamin’ny fahasasarako nolaniko nanatanterahana izany; ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany; fa tsy misy zava-tsoa azo, atỳ ambany masoandro.


Ka dia boboky ny fiainana aho, satria ratsy eo imasoko ny zavatra atao atỳ ambany masoandro, fa zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana avokoa.


Fa ny olona izay tsara eo imasony dia omeny ny fahendrena amam-pahaizana ary fifaliana. Ny omeny ny mpanota kosa, dia ny mikarakara ny famoriana amam-panavosàna zavatra mba hisy omeny an’izay olona tsara eo imason’Andriamanitra. Ary zava-poana ihany koa izany sady fanenjehan-drivotra.


Fa ny anjaran’ny zanak’olombelona, dia ny anjaran’ny biby, iray ihany no anjaran’izy roa tonta; toy ny ahafatesan’ny iray, no ahafatesan’ny iray koa; fofon’aina iray no an’izy roa tonta; ka tsy misy ihoaran’ny olombelona amin’ny biby, fa samy zava-poana ny zavatra rehetra.


Tsy nisy fahataperana izany vahoaka be rehetra izany, dia ireo rehetra ireo izay notarihiny lalana avy eo aloha. Nefa ny taranaka tsy hifaly aminy akory. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.


Hitako fa ny asa rehetra mbamin’ny fahakingana rehetra amin’ny taozavatra dia ny fialonana mihatra amin’olona avy amin’ny namany ihany; koa dia zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana koa izany.


Aleo tanana ila feno fiadanana; toy izay tanan-droa feno fisasarana amam-panenjehan-drivotra.


Aleo ny hita maso, toy izay ny firedireden’ny faniriana. Zava-poana amam-panenjehan-drivotra ihany koa izany.


Raha nentiko hamantatra ny fahendrena ny saiko, sy handinika ny anjara asa, atao atỳ ambonin’ny tany, - fa na andro na alina tsy mahita tory ny mason’ny olona - dia hitako ny asan’Andriamanitra manontolo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra